Ny Apostoly roa ambin’ny folo
10
Nantsovin’i Jesoa hagnatogna Ananjy ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ka nameny fahefana hamoaka fagnahy maloto sy hagnasitrana ny aretina mbaraky ny rofy dahôlo.2 Ireto dahôlo ny agnaran’ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy: ny voalôhany dia Simona ilay antsovina hoe Petera izin’ny Andrea kiboraika aminanjy, Jakoba sy Jaona kiboraika aminanjy, zanak’i Zebedio izy roalahy ireo, 3 Filipo, Bartolomeo, Tomasy, Matio mpitaky hetra, Jakoba zanak’i Alfeo, Tadeo, 4 Simona kananeana ary Jodasy Iskariota ilay namadika Ananjy.
Nirahin’i Jesoa ny roa ambin’ny folo lahy
5 Dia nirahin’i Jesoa zareo roa ambin’ny folo lahy ary nafarany hoe: Aza mankaigny amin’ny lalan’ny Jentilisa ary aza miakatra amin’ny tanànan’ny Samaritana, 6 fa alay malôha mankaigny amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely.
7 Rehefa mandeha ianareo dia mitoria hoe: Efa antomotra ny fanjakan’ny lagnitra. 8 Sitragno ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoagna ianareo ka magnameza maimaimpoagna.
9 Aza mikaraka volamena, na volafotsy, na varahina, kajiana an-tsikinanareo, 10 aza mitondra kitapom-batsy aigny amin’ny tany izay hombanareo na akanjo roa, na kiraro na anjera, fa sahaza ny gaogna ny hahazo ny haniny.
11 Karaho izay ôlona afaka mampandroso anareo amin’izay tanàna na vohitra hiakaranareo, ka manangàna akao mandra-pialanareo aigny.
12 Raha vao mitsofoka an-dragno ianareo dia arahabao ny ôlona akao. 13 Rehefa ampandrosoanjareo ianareo, enga anie ho aminjareo ny fiadanana tonogninareo; fa raha tsy mampandroso zareo, alay hiverigna aminareo ny fiadanana notonogninareo.
14 Raha misy tsy mampandroso an-dragno na tsy mihaino ny tarea taravinareo dia mialà aminjany tragno na tanàna izany ianareo, ary ahintsagno ny vovoka amin’ny tongotrareo. 15 Taraviko aminareo tsara fa ho moramora avy ny raha hahazo ny tany Sodoma sy Gomora amin’ny andro fitsarana raha ampitahaina amin’ny raha hahazo an’izany tanàna izany.
Ny fagnenjehana ho avy
16 Magniraka anareo sahala amin’ny ondry agnivon’ny amboadia Izaho. Mbô malina sahala amin’ny bibilava, ary tsotra sahala amin’ny pizina.
17 Mitandrema fa hanolotra anareo amin’ny Sinedriona ny ôlona ka hagnamontsagna anareo akao amin’ny sinagoganjareo. 18 Hindesiny akeo agnatrehan’ny manampahefana sy ny mpanjaka anareo noho ny Aminahy mbô ho vavolombelona aminjareo sy amin’ny Jentilisa.
19 Rehefa manolotra anareo zareo, dia aza miasa lôha amin’izay raha hotaravinareo, na izay hovolagninareo, fa hamena anareo aminjany fotoana izany izay raha hokoragninareo. 20 Tsy ianareo no mitarea fa ny Fagnahin’ny Rainareo izay akao agnatinareo.
21 Hisy ôlona hanolotra ny kiboraika aminanjy hovonoina, hisy ray hanolotra ny zanagny ary hisy zanaka hitsangana hanohitra ny ray sy reniny ka hahafaty anjareo. 22 Ary ho halan’ny ôlona dahôlo anareo noho ny Agnarako; fa izay mahadigny hatramin’ny farany no hovonjena.
23 Raha mandodo anareo ny ôlona amin’ny tanàna iraika dia milefasa aigny amin’ny tanàna hafa, fa taraviko aminareo tsara fa tsy hahatety ny tanànan’Israely dahôlo avy ianareo mandra-pihavin’ny Zanak’Ôlona.
Ireo izay mivolagna fa mpagnaraka an’i Jesoa
24 Ny mpianatra tsy handombolombo ny mpampianatra na ny mpiasa handombolombo ny mpampiasa. 25 Efa antognony amin’ny mpianatra rehefa tonga ôhatra ny mpampianatra ananjy izy, ary ny mpiasa ôhatra ny mpampiasa. Raha antsoviny hoe Belzeboba ny tômpontragno, tsy mintsaka fa ny ankohonany?
26 Aminjany, aza matahotra ananjy avy ianareo; fa tsisy raha hasitrika izay tsy haboagna, na takona ka tsy ho fantatra. 27 Izay raha volagniko aminareo akao amin’ny maizigna dia ambarao amin’ny mazava, ary izay raha regnin’ny sofignareo, dia torio akeo ambonin’ny tampon-tragno.
28 Aza matahotra izay mamono ny aigna kanefa tsy mahaefa mamono ny fagnahy, fa alay matahotra izay mahaefa mahavery ny fagnahy sy ny aigna aigny amin’ny afobe. 29 Tsy ampahafolon’ny denariaa foagna ma ny vidin’ny fody roa? Kanefa tsisy potraka amin’ny tany avy iregny na dia iraika raha tsy avelan’ny Rainareo. 30 Ary na dia ny volon-dôhanareo aza voaisa dahôlo. 31 Ka aza matahotra avy fa mandombolombo fody betsaka ianareo.
32 Aminjany, na iza na iza no hagnaiky Anahy agnatrehan’ny ôlona, dia hekeko koa izy akeo agnatrehan’ny Raiko izay aigny an-dagnitra. 33 Fa na iza na iza handà Anahy agnatrehan’ny ôlona, dia holaviko koa izy agnatrehan’ny Raiko izay aigny an-dagnitra.
Tsy fiadanana fa langilangy
34 Aza ataonareo fa hitondra fiadanana ambonin’ny tany no nahatongavako; tsy tonga hitondra fiadanana Izaho fa antsibe. 35 Fa tonga Izaho hampifagnofoka ny zanakalahy amin’ny rainy, ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny; 36 ny ankohonan’ny ôlona ihany no hanjary fahavalony (Mik 7.6).
Mifikitra amin’i Jesoa
37 Izay tia ny ray sy ny reniny mandombolombo ny fitiavany Anahy dia tsy mendrika Anahy, ary izay tia ny zanagny lahy na zanagny vavy mandombolombo ny fitiavany Anahy dia tsy mendrika Anahy. 38 Izay tsy mitondra ny kakazo fijaliany ka tsy magnaraka Anahy dia tsy mendrika Anahy. 39 Izay mamonjy ny aignany dia hahavery ananjy, ary izay mahafoy ny aignany noho ny Aminahy dia hahavonjy ananjy.
Izay mandray anareo dia mandray Anahy
40 Izay mandray anareo dia mandray Anahy, ary izay mandray Anahy dia mandray izay nagniraka Anahy. 41 Izay mandray mpagnazary satria mpagnazary izy, dia handray sitraka sahala amin’ny mpagnazary; ary izay mandray ôlo-marina satria ôlo-marina izy dia handray sitraka sahala amin’ny ôlo-marina. 42 Izay magname rano mangatsiaka hosotroin’ny iraika amin’ireo gaogna madinika ireo na dia iray tasy foagna avy satria mpianatra izy, dia taraviko aminareo tsara fa tsy ho very ny fankasitrahana ananjy.