Marka
Ny mikasika an’i Jaona Mpagnano batisa.
1
Ôhatra izao ny nanombohan’ny Tarea Maharavon’i Jesoa Kristy, Zanak’Andriamagnitra.
2 Araka izay nosoratan’Isaia mpagnazary magnano hoe:
“Izaho magniraka ny irako handeha alôhanao,
mbô hagnamboatra ny làlanao” (Mal 3.1).
3 “Izany misy feo magnantso mafy akaigny ankodahoda magnano hoe:
Amboaro ny làlan’NY TÔMPO;
ataovo mahitsy ny làlan-kombany” (Isa 40.3).
4 Dia niboagna avy taigny ankodahoda izay nagnanaovany batisa Jaona, dia nitory tamin’ôlona hoe: Miovà ianareo dia atao batisa mbô ho avelan’Andriamagnitra ny fahotanareo. 5 Dia nagnatona ananjy dahôlo ny ôlona taigny amin’ny faritanin’i Jodia sy ny taigny Jerosalema. Rehefa avy namosa ny fahotany dahôlo zareo dia nataony batisa takao amin’ny ranon’i Jordana. 6 Lamba vita tamin’ny volon-drameva ny akanjo nagnanaovan’i Jaona, dia nasiany hetra hoditra; ary ny raha fohaniny dia valala sy fandrama dia.
7 Dia nitory teny izy nagnano hoe: Avy afarako akao Ilay mahery mandombolombo anahy, ka tsy fanaoka anahy avy ny hamaha ny tadin-kirarony. 8 Efa nagnano batisa anareo tamin’ny rano izaho, fa Izy kosany hagnano batisa anareo amin’ny Fagnahy Masina.
Ny nagnanaovana batisa an’i Jesoa, sy ny nangalan’i Satana fagnahy Ananjy
9 Tamin’izany andro izany dia tonga avy taigny Nazareta aigny Galilia Jesoa, dia nataon’i Jaona batisa takao amin’ny ranon’ny Jordana Izy. 10 Raha vao niakatra avy tagnaty rano Jesoa, dia hitany ny lagnitra nivôha; ary ny Fagnahy nidigna tagnambony ôhatran’ny pizina. 11 Dia nisy feo avy tan-dagnitra nagnano hoe: Ianao no Zanako tegna tiako! Ianao no ankasitrahako!
12 Avy takeo dia nentin’ny Fagnahy nandeha taigny ankodahoda Jesoa. 13 Dia nijanona efapolo andro takaigny Izy ka notsapain’ny Satana fagnahy. Ny bibidia no niaraka Taminanjy taigny ary ny Anjely no nikarakara Ananjy.
Ireo mpianatra efatra voalohany
14 Rehefa voasambotra i Jaona, dia nandeha taigny Galilia Jesoa nitory ny Tarea Maharavon’Andriamagnitra, 15 dia hozy: Tonga ity ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamagnitra; miovà ianareo ka minoa ny Tarea Maharavo.
16 Ary raha nandeha tantsisin’ny ranomasin’i Galilia Jesoa, dia hitany nagnarato takeo amin’ny ranomasina i Simona sy Andrea mirahalahy, fa mpagnarato mbôka zareo. 17 Dia hozy Jesoa taminjareo: Andao hagnaraka Anahy ianareo, fa hataoko mpagnarato ôlona. 18 Tampoka naharegny an’izany zareo roa lahy, dia nafotraikanjareo takeo ny haratony dia nagnaraka an’i Jesoa zareo. 19 Rehefa nandeha kelikely Izy dia nahita an’i Jakoba sy Jaona mirahalahy zanak’i Zebedio, nagnamboatra ny haratonjareo tagnaty lakana. 20 Vao nagnantso anjareo roalahy Jesoa dia nilaosanjareo tan-dakana i Zebedio rainy sy ireo ôlona nokaramainjareo, dia lasa zareo nagnaraka an’i Jesoa.
Ny nagnasitragnan’i Jesoa ilay ôlona voan’ny fagnahy ratsy
21 Indray andro, nandeha taigny Kapernaomy Jesoa sy ny mpianany. Rehefa tonga ny Sabata dia niditra tamin’ny sinagoga Jesoa ka nampianatra. 22 Gaga dahôlo ny ôlona satria nampianatra tamin’ny fahefana Izy fa tsy mbô ôhatran’ny mpampiana-dalàna.
23 Nisy lehilahy nigodagnin’ny fagnahy ratsy tamin’ny sinagoga takeo, ary nilelalela hoe: 24 Inona ma raha karahinao aminay ity, ry Jesoa avy a-Nazareta? Handrava anay ma ny hahatongavanao ity? Haiko tsara ianao: Ilay Masin’Andriamagnitra.
25 Niteny mafy ananjy Jesoa hoe: Mangina ianao! Mialà aminanjy! 26 Dia nataon’ilay fagnahy ratsy nitsipatsipaka ilay marary, ka nilelalela mafy ilay demonia ary niala taminanjy. 27 Gaga dahôlo ny ôlona takeo ka nifagnadina hoe: Manakôry ma ity raha ity? Fampianarana vaovao misy fahefana! Noteneniny mafy ny fagnahy ratsy dia nagnaiky Ananjy. 28 Tonga dia nalaza be eraky ny faritry Galilia ny raha nataon’i Jesoa.
Nagnasitrana ôlona maro Jesoa
29 Rehefa avy takao amin’ny sinagoga Jesoa, dia nandeha tan-dragnon’i Simona sy Andrea Izy mbaraky Jakoba sy Jaona. 30 Ary noteneninjareo taminanjy fa nandamaka am-pandriana voan’ny tazo ny rafozambavin’i Simona. 31 Dia nagnatona ananjy Jesoa ka nandramby ny tagnany sady nampiarina ananjy. Tonga dia niafagna ilay tazo ary nikarakara anjareo izy.
32 Rehefa maizinjoro dia nindesin’ny ôlona tamin’i Jesoa takeo ny marary dahôlo sy ny ôlona godagnin’ny demonia. 33 Dia nitangorogna tambaravaragna takeo dahôlo ny ôlona iray tanàna. 34 Ary betsaka be ny ôlona sitragn’i Jesoa tamin’ny aretina samihafa. Betsaka be koa ny demonia navoakany. Tsy navelany nivolagna ny demonia satria nahafantatra Ananjy.
Ny nataon’i Jesoa ta-Galilia takaigny
35 Amaraignan’igny mbôla maizimaizigna dia nandeha taigny amin’ny tany mangingina Jesoa hivavaka. 36 Dia nandeha nikaraka Ananjy i Simona sy ny namany. 37 Rehefa nahita Ananjy zareo, dia hozy zareo taminanjy: Mikaraka Anao ny ôlona dahôlo. 38 Fa hozy Jesoa taminjareo: Andao kony atsika hiala aketo ho aigny amin’izay tanàna akaiky. Hitory tarea akaigny koa Izaho fa izany no diako atỳ. 39 Dia nitety an’i Galilia Izy ary nitory teny tamin’ny sinagoga dahôlo sady namoaka demonia.
Nositragnin’i Jesoa ny boka iraika
40 Nisy boka iraika nagnatona an’i Jesoa, nitaraigna sady nenkohoka tagnatrehany dia nagnano hoe: Raha manjary Aminao dia vitanao ny magnadio anahy.
41 Dia foraigna ananjy Jesoa ka natsotrany ny tagnany sady nikitika ananjy Izy, dia hozy: Eny. Manjary Aminahy. Madiova ianao. 42 Tonga dia afaka ny habokany, dia nadio izy. 43 Dia nasainy nandeha ilay boka sady nafeperany mafy 44 ka hozy: Aza milazalaza amin’ôlona mihitsy. Mandehana miboagna amin’ny mpisorogna. Atero ny fagnatitra fagnadiovana anao araka izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona aminjareo fa madio ianao. 45 Nefa lasa indray ilay r’Ingahy nitantara tamin’ôlona dahôlo ny raha nahazo ananjy, ka dia tsy afaka niditra malalaka takao an-tànana intsony Jesoa. Nanjary nanangana tambelany tamin’ny tany mangingina taigny Izy. Fa nagnatona Ananjy taigny foagna ny ôlona magnodidigna.