Ny nataon’i Jaona mpagnano batisa sy ny nanagadran’i Heroda ananjy
3
Tamin’ny fahadimy ambin’ny folo taona nanjakan’i Tiberio Kaisara, ka i Pontio Pilato no governora takaigny Jodia, ary Heroda no nifehy takaigny Galilia, Filipo rahalahiny no takaigny Itoria sy Trakonitisy, Lisania no takaigny Abilena, 2 ary Anasy sy Kaiafa no talaben’ny mpisorogna, dia tonga tamin’i Jaona zanak’i Zakaria, taigny ankodahoda ny Tenin’Andriamagnitra. 3 Nitety ny tanàna dahôlo tamoron’i Jordana izy ka nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka; 4 araka ny voasoratra akao amin’ny bokin’ny Isaia mpagnazary hoe:
Misy feo milelalela izany aigny ankodahoda izany:
Amboaro ny lalan’NY TÔMPO,
ataovy mahitsy ny lalan-kombàny.
5 Ny lôhasaha dahôlo ho totofana,
ny tampon-tanety sy ny havoana dahôlo haremina,
ny meloka hahitsy,
ny mikitôntôgna hamarinina;
6 Ary ny ôlona dahôlo hahita ny famonjen’Andriamagnitra” (Isa 40.3-5).
7 Dia hozy Jaona tamin’ôlona izay nagnatogna ananjy mbô hataony batisa: Ô taranaka bibilava ireto! Iza ma no nagname lôha anareo hilefa ny asira ho avy? 8 Mamoaza voa mampidera ny fibebahanareo; ary Alao an-dôhanareo hoe: ‘Managna an’i Abrahama ho rainay izahay’; fa taraviko aminareo fa Andriamagnitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. 9 Ary izao, mitoka amin’ny foto-kazo ny famaky, ka ny kakazo dahôlo izay tsy ahitana voany tsara dia ho tevezina ary hatsipy agnaty afo.
10 Dia hozy ny vahoaka tamin’i Jaona: Ino izany ny tokony hataonay?
11 Dia hozy Jaona taminjareo: Magnomeza an’ny tsy magnana izay magnana akanjo roay; dia magnanaova sahala aminjany koa izay manan-kohanina.
12 Dia avy koa ny mpitaky hetra asagnany mbô hataony batisa ka nagnano taminanjy hoe: Ô ramose, ino no hataonay?
13 Dia hozy Jaona taminjareo: Aza maka ambonin’izay nasaina notakianareo.
14 Ary nisy miaramila koa nagnontagny ananjy hoe: Ary ino indray no tokony hataonay?
Dia hozy taminjareo: Aza mandray kolikoly, aza magnendrikendrika, mionòna amin’ny karamanareo.
15 Tamin’ilay ôlona mbôla nandigny igny ka samby naka fototra tam-pony, na i Jaona no Kristy na tsia, 16 dia hozy Jaona taminjareo: Izaho magnano batisa anareo amin’ny rano, fa ho avy Ilay mahery mandombolombo anahy, ka tsy fanaoka anahy avy ny hamaha ny tadin-kirarony. Izy no hagnano batisa anareo amin’ny Fagnahy Masina sy ny afo. 17 An-tagnany ny fikororohany hagnadiovany tsara ny am-pamoloany. Handrohany hiakatra amin’ny tragnom-bariny ny vary, fa ny lôha ofoka sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mety maty. 18 Dia nisy fanagnarana maro isan-karazany koa notaraviny tamin’ny ôlona.
19 Rehefa nanarin’i Jaona noho ny amin’i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy tamin’ny raha tsy manjary dahôlo izay nataony i Heroda mpifehy 20 dia nogadrain’i Heroda i Jaona fagnampin’izany raha ratsy dahôlo izany.
Ny nagnanaovana batisa sy ny filazana ny razagn’i Jesoa
21 Rehefa vita batisa ny ôlona dahôlo, dia natao batisa koa i Jesoa. Nandritry ny Izy nivavaka, dia nisokatra ny lagnitra, 22 ary nidigna tamboniny ôhatra ny pizina ny Fagnahy Masina. Dia nisy feo avy tan-dagnitra nagnano hoe: Ianao no Zanako malalako; ankasitrahako Ianao.
23 Tokotokony ho telo-polo taona Jesoa tamin’ny nanomboka ny asany. Ary Izy dia natao ho
zanak’i Josefa, zanak’i Hely, 24 zanak’i Matata, zanak’i Levy, zanak’i Melky, zanak’i Janay, zanak’i Josefa.
25 Josefa zanak’i Matatia, zanak’i Amosa, zanak’i Nahoma, zanak’i Esly, zanak’i Nagay, 26 zanak’i Mata, zanak’i Matatia.
Matatia zanak’i Semey, zanak’i Joseka, zanak’i Joda, 27 zanak’i Joanana, zanak’i Resa, zanak’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela.
Sealtiela zanak’i Nery, 28 zanak’i Melky, zanak’i Ady, zanak’i Kosama, zanak’i Elmadama, zanak’i Era, 29 zanak’i Josoa.
Josoa zanak’i Eliezera, zanak’i Jorima, zanak’i Matata, zanak’i Levy, 30 zanak’i Simeona, zanak’i Joda, zanak’i Josefa.
Josefa zanak’i Jonana, zanak’i Eliakima, 31 zanak’i Melea, zanak’i Mena, zanak’i Matata, zanak’i Natana, zanak’i Davida.
32 Davida zanak’i Jese, zanak’i Obeda, zanak’i Boaza, zanak’i Salmona, zanak’i Nahasona, 33 zanak’i Aminadaba, zanak’i Admina.
Admina zanak’i Arny, zanak’i Hezrona, zanak’i Fareza, zanak’i Joda, 34 zanak’i Jakoba, zanak’Isaka.
Isaka zanak’i Abrahama, zanak’i Tera, zanak’i Nahora, 35 zanak’i Seroga, zanak’i Ireo, zanak’i Palega, zanak’i Ebera.
Ebera zanak’i Sela, 36 zanak’i Kenana, zanak’i Arpaksada, zanak’i Sema, zanak’i Noa, zanak’i Lameka, 37 zanak’i Metosela.
Metosela zanak’i Enoka, zanak’i Jareda, zanak’i Mahalalila, zanak’i Kenana, 38 zanak’i Enosa, zanak’i Seta, zanak’i Adama.
Adama zanak’Andriamagnitra.