Ny nangalan’i devoly fagnahy an’i Jesoa
4
Tafaran’izany Jesoa feno ny Fagnahy Masina dia nierigna avy takaigny Jordana, ary nentin’ny Fagnahy takaigny ankodahoda efapolo andro Izy, ka notsapain’ny devoly fagnahy. 2 Ary tsy nihinan-kanina mihitsy Izy nandritra izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia vahan-tsiloana Izy.3 Dia hozy ny devoly Taminanjy: Raha Zanak’Andriamagnitra Ianao, dia taravo hanjary mofo io vato io. 4 Dia novalian’i Jesoa nagnano hoe: Voasoratra fa: “Tsy mofo foagna no mahavelona ny ôlona” (Deo 8.3).
5 Dia nentin’i devoly niakatra tamin’ny toerana agnambo be Izy, dia natorony Ananjy indray mijery ny fanjakana dahôlo amin’izao tontolo izao. 6 Dia hozy ny devoly taminanjy: Ameko Anao dahôlo ireo fahefana ireo miaraka amin’ny voninahiny, fa efa namena anahy izany, dia izay tiako amena ananjy no ameko ananjy. 7 Fa raha miankohotra agnoloako aketo Ianao, dia ameko Anao dahôlo izany raha dahôlo izany.
8 Fa Jesoa namaly ananjy hoe: Voasoratra fa: “NY TÔMPO Andriamagnitrao no hiankohoranao, ary Izy sambirerika no hotompoinao” (Deo 6.13; 10.20).
9 Ary nitondra Ananjy nankaigny Jerosalema izy, dia nampiantotra Ananjy tan-tampon’ny Tempoly ka nagnano taminanjy hoe: Raha Zanak’Andriamagnitra Ianao, milatsaha akaigny ampidigna akaigny; 10 fa voasoratra hoe:
“Andriamagnitra hibaiko ny anjeliny ho aminao
mbô hiaro Anao;
11 ary an-tagnany no hitondranjareo Anao,
mbôry izay tsy voantsitohina amin’ny vato ny tongotrao” (sal 91.11-12).
12 Nefa Jesoa namaly ananjy hoe: Voalaza fa: “Aza mitsapa fagnahy an’NY TÔMPO Andriamagnitrao” (Deo 6.16).
13 Ary rehefa tapitra dahôlo ny fitsapam-pagnahy nataon’ny devoly, dia nilaosany alôha Jesoa.
Nanomboka ny asany ta-Galilia Jesoa
14 Avy akeo Jesoa nierigna nankaigny Galilia tamin’ny hasin’ny Fagnahy; dia niparitaka tamin’ny tany magnodidina dahôlo ny lazany. 15 Ary nampianatra takao amin’ny sinagogan’ny ôlona Izy ka noderainjareo dahôlo.
Tsy nandray an’i Jesoa ny ôlona ta-Nazareta
16 Dia tonga takao Nazareta, izay tany nahageda Ananjy Jesoa. Araka ny fataony amin’ny andro Sabata dia nitsofoka takao amin’ny sinagoga Izy dia nitsangana hamaky teny. 17 Dia nomena Ananjy ny bokin’Isaia mpagnazary; ary rehefa nosokafany ny boky, dia izao ny teny hitany takao:
18 “Ny Fagnahin’NY TÔMPO akato agnatiko,
satria nanendry Anahy hitory Tarea Maharavo amin’ny mahantra Izy,
nagniraka Anahy hilaza fagnafahana amin’ny gadra,
sy fampahiratana amin’ny jamba,
hagnafaka izay ampahorena,
19 hitory ny taona hanambinan’NY TÔMPO” (Isa 61.1-2).
20 Avy akeo nahorogny ny boky dia naverigny tamin’ny mpikarakara, dia niantontra Izy. Dia taminanjy ny masonjareo dahôlo takao amin’ny sinagoga. 21 Dia hozy Jesoa taminjareo: Tanteraka aminareo izany Soratra izany nigniany.
22 Dia gaga zareo dahôlo sady nidagnàka tamin’ny raha tsara notaraviny, dia hozy zareo: Ka tsy Zanak’i Josefa ma ity?
23 Dia hozy Jesoa taminjareo: Holazainareo Aminahy tokoatrany izao ilay ôhabôlagna hoe: Ô dokotera! Sitragno ny aignanao. Izay raha regninay fa nataonao takaigny Kapernaomy dia mbô ataovy amin’ny taninao aketo koa.
24 Hozy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tsara be fa tsisy mpagnazary omena sitraka akao amin’ny taniny. 25 Fa lazaiko aminareo marina tsara be: Betsaka ny mananon-tena takeo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, rehefa nihantogna nandritra ny telo taona sy tapany ny orana ka nisy silaona mafy tamin’ny tany dahôlo; 26 nefa tsy mbô voahiraka hankaigny amin’ireo izy, fa hankaigny amin’ny vehivavy mananon-tena iraika aigny Zarefata, faritr’i Sidona. 27 Betsaka ny boka takeo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpagnazary, nefa tsy mbô nisy nodiovina na dia iraika, afa-tsy Namàna ilay Siriana irerika.
28 Rehefa naharegny an’izany ny takao amin’ny sinagoga dia nisafoaka mafy, 29 ka nitsangana zareo, dia nandroaka an’i Jesoa hiala takao an-tanàna ary nitondra Ananjy ho aigny an-tampon-tanety niorenan’ny tanàna, mbô ho hatosika aigny agnaty tevagna. 30 Nefa Izy nanivaka tampovoan’ny vahoaka, dia lasana nandeha.
Ny nagnasitranan’ny Jesoa an’ilay lehilahy nisy fagnahin’ny demonia
31 Nidigna takaigny Kapernaomy tanàna aigny Galilia Jesoa ka nampianatra ny ôlona tamin’ny andro Sabata. 32 Dia gaga ny ôlona tamin’ny fampianarany satria nisy fahefana ny raha nolazainy.
33 Ary nisy lehilahy nigodagnin’ny fagnahin’ny demonia takao amin’ny sinagoga, dia nilelalela mafy izy hoe: 34 Ô Jesoa avy akaigny Nazareta, ino nga raha karahinao aminay atỳ? Tonga handripaka anay ma Ianao? Fantatro fa ilay Masin’Andriamagnitra Ianao.
35 Fa Jesoa nitrerogna ananjy ka nagnano hoe: Mangina anao, dia mivoaha aminanjy akao. Avy takeo tonga dia nafofok’ilay demonia tamin’ny tany tagnivon’ôlona takeo ilay lehilahy, dia nivoaka ilay demonia fa tsy nagnino ananjy.
36 Ary nidagnàka dahôlo ny ôlona ka nifampiresaka hoe: Manakôry ma raha taraviny izany! Karaha baikoany amin’ny hery sy ny fahefana ny fagnahy ratsy dia mivoaka! 37 Dia niparitaka taigny amin’ny faritra manodidigna ny lazany.
Jesoa nagnasitrana ny rafozambavin’i Simona sy ny ôlona maro
38 Rehefa niala takao amin’ny sinagoga Jesoa, dia nandeha tan-dragnon’i Simona. Dia niangavianjareo Izy mbô hagnasitrana ny rafozambavin’i Simona voan’ny tazo mahery. 39 Dia nagnatogna nijery ananjy Izy, nandidy ny tazo mbô hiala amin’ilay vehivavy, dia niafagna ilay aretina. Takeo noho akeo dia nitsangana izy dia nagname ahanina anjareo.
40 Rehefa maizinjoro dia nindesin’ny ôlona takeo amin’i Jesoa izay ôlona azon’aretina isan-karazany. Dia nametrahany tagnana tsiraidraika zareo dahôlo dia sitragna. 41 Betsaka koa ny ôlona nialan’ny demonia, nilelalela hoe: Ianao no Zanak’Andriamagnitra. Nefa noraràny ireo ka tsy navelany hiteny satria nahafantatra Ananjy hoe Kristy.
Ny nilazan’i Jesoa ny tarea maharavo taigny Galilia
42 Rehefa keka ny andro, dia lasana nankaigny amin’ny toerana mitokana Jesoa. Nikaraka Ananjy ny vahoaka, ary rehefa hitany Izy dia notanany mbô tsy handeha intsony. 43 Fa hozy Jesoa taminjareo: Izaho tsy maintsy mitory ny Tarea Maharavo momba ny fanjakan’Andriamagnitra akaigny amin’ny tanàna hafa koa satria izany no nagnasana Anahy. 44 Dia nitory teny takao amin’ny sinagoga eraky ny Galilia Izy.