Fagnoharana mikasika ny mpamafy
13
Tamin’io andro io dia nivoaka tan-dragno Jesoa ka niantotra tamoron-dranomasina. 2 Nisy ôlona betsaka be nitangorogna Taminanjy takeo, dia niakatra tagnaty sambokely Izy ka niantotra; fa ny ôlona dahôlo niantotra tamoron-dranomasina.3 Ary nivolagna raha maro taminjareo tamin’ny fagnoharana Izy, ka nagnano hoe: Nisy mpamboly iraika nivoaka handeha hamafy. 4 Rehefa namafy izy, dia voafafy tamoron-dàlana ny asagnany ary avy ny vorogna ka nataony tsisy niaingana izay voafafy takeo. 5 Nisy koa voafafy tamin’ny tany vatoina izay zara raha nisy nofontany; nitrebogna nadikatra loatra ny ambeoka tamin’iregny satria narivogna ny tany. 6 Rehefa nipoaka ny masoandro dia nalazo, avy akeo maty satria tsy latsa-paka. 7 Fa ny asagnany voafafy tagnaty tsilo; ary naniry ny tsilo ka nanery ananjy. 8 Ny asagnany indray dia voafafy tamin’ny tany tsara, ka namokatra: ny asagnany avo zato heny, ny asagnany enimpolo ary ny asagnany telopolo. 9 Izay manan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!
Magnino ma Jesoa no mampiasa fagnoharana?
10 Dia nagnatona Ananjy ny mpianany ka nagnadina hoe: Magnino ma Ianao no mampiasa fagnoharana rehefa mikoragna aminjareo? 11 Fa hozy taminjareo: Navela ho fantatrareo ny raha misitrika mikasika ny fanjakan’ny lagnitra, fa zareo iregny indray tsy mbô navela. 12 Izay managna dia hamena, ka hanagna betsaka be izy, fa izay tsy managna indray, na dia izay anagnany aza halaina aminanjy. 13 Noho izany dia fagnoharana koa no hikoragnako aminanjy:
Satria mijery izy fa tsy mahita;
ary maharegny izy fa tsy mitaino na mahazo ognon-draha izay raha resahana.
14 Dia tanteraka taminjareo ny faminanian’i Isaia hoe:
“Haharegny foagna ianareo fa tsy hahazo ognon-draha izay raha resahana;
ary hijery foagna ianareo fa tsy hahita;
15 Efa nanjary tsiadabodabo ny fon’ny ôlona;
efa maregnindregnina ny sofigny,
efa napiny ny masony,
sao dia hahita ny masony,
sy haharegny ny sofigny,
ka hahazo ognon-draha ny fony,
dia hibebaka izy, ka hagnasitrana ananjy Izaho” (Isa 6.9-10).
16 Sambatra ny masonareo fa mahita ary sofignareo fa maharegny. 17 Taraviko aminareo marina fa maro ny mpagnazary sy ny ôlona marina nagniry hahita izay raha hitanareo kanefa tsy mbô nahita ary nagniry haharegny izay raha regninareo kanefa tsy mbô naharegny.
Fagnazavana ny fagnoharana mikasika ny mpamafy
18 Tainoanareo ma ny dikan’ny fagnoharana mikasika ny mpamafy: 19 Raha misy maharegny ny teny mikasika ny fanjakan’ny lagnitra kanefa tsy mahazo ognon-draha, dia avy ilay ratsy ka mangala izay nafafy tam-pony takao. Izay ilay voafafy tamoron-dalana. 20 Fa ilay voafafy tamin’ny tany vatoina dia izay maharegny ny teny ka malaky mandray izany an-kafaliana; 21 kanefa tsy latsa-paka tagnatiny avy iregny fa tsy mahadigny ela avy; rehefa tonga ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny, dia malaky voantsintohina izy. 22 Ary izay voafafy tagnaty tsilo indray dia izay maharegny ny teny, kanefa revo amin’izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena izay mangeja ny teny izy ka tsy mamoa. 23 Fa ilay voafafy tamin’ny tany tsara indray dia izay nandray teny ka mahazo ognon-draha; ary mamoa izy ka ny asagnany tonga zato, ny asagnany enimpolo, ary ny asagnany telopolo.
Fagnoharana mikasika ny ahidratsy
24 Ary nanagno fagnoharana hafa taminjareo koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lagnitra dia sahalan’ny lehilahy iraika namafy ambeoka tsara taigny amin’ny tanimbariny. 25 Rehefa tafandry ny ôlona, dia tonga ny fahavalony ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary ary lasa nandeha. 26 Rehefa naniry ny vary ka teraka dia nipoitra koa ny ahidratsy. 27 Dia avy ny gaognan’ilay r’Ingahy ka hozy zareo taminanjy: Ô r’Ingahy, tsy ambeoka tsara ma no nafafinao tan-tanimbarinao? Ka avy takaiza ma izany ny ahidratsy? Dia hozy taminjareo: 28 Fahavalo no nagnano an’izany raha izany. Dia hozy ny gaognany: Tianao ma raha hongotanay ny ahidratsy? 29 Dia hozy namaly: Ahaa! Avilay amin’izao foagna fa sao dia voahongotrareo miaraka amin’ny ahidratsy koa ny vary rehefa mangala ny ahidratsy ianareo. 30 Avilay foagna hiara-maniry zareo ambara-pahatongavan’ny miaka-bokatra. Amin’ny miaka-bokatra dia hotaraviko ny mpandidy vary hoe: Androha malôha ny ahidratsy ka ataovy am-pehezana hodorana; fa tatero indray ny vary ho aigny an-dragnombariko.
Fagnoharana mikasika ny voatsinapy
31 Dia mbôla nagnano fagnoharana hafa taminjareo koa Jesoa hoe: Ny fanjakan’ny lagnitra dia sahalan’ny voatsinapya izay nalain’ny ôlona ka nafafiny tan-tanimboliny. 32 Kitika izy mihoatra ny ambeoka dahôlo, kanefa rehefa maniry, dia mahoatra ny agnana ka lasa kakazo. Tonga ny voronkely ka magnamboatra akany amin’ny rantsagny akeo.
Fagnoharana mikasika ny leviora
33 Nagnano fagnoharana hafa taminanjareo koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lagnitra dia sahala amin’ny leviora, izay nalain’ny vehivavy iraika ka naharony tamin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pitombon’ilay koba.
Fampianarana amin’ny alalan’ny fagnoharana
34 Fagnoharana no nivolagnan’i Jesoa izany raha dahôlo izany tamin’ny vahoaka. Nagnano fagnoharana taminjareo foagna Izy, 35 mbô hahatanteraka izay notaravin’ny mpagnazary hoe:
“Hisoka-bava hivolagna fanoharana Izaho;
Hagnambara izay raha nasitrika letry izay namoronana izao tontolo izao” (Sal 78.2).
Magnazava ny fagnoharana mikasika ny ahidratsy i Jesoa
36 Rehefa nalifan’i Jesoa nody ny ôlona dia nody tan-dragno Izy. Nagnatogna Ananjy ny mpianany ka nagnano hoe: Taravo aminay ny dikan’ilay fanoharana mikasika ny ahidratsy tan-tanimbary.
37 Dia hozy: Ny mpamafy ny ambeoka tsara dia ny Zanak’Ôlona; 38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny ambeoka tsara dia zareo zanaky ny fanjakan’ny lagnitra; ny ahidratsy dia zareo zanak’ilay ratsy; 39 ny fahavalo izay namafy ny ahidratsy dia ny devoly; ny miaka-bokatra dia ny fiafaran’izao tontolo izao; ary ny mpandidy vary dia ny anjely. 40 Ka ôhatran’ny hagnandrohana ny ahidratsy sy handorôna ananjy amin’ny afo, dia ôhatran’izany koa no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. 41 Hagnasa ny anjeliny hagnandroka ka hamoaka amin’ny fanjakany ny raha dahôlo mahavoantsitohina mbaraky ny mpagnano meloka ny Zanak’Ôlona. 42 Hanipy anjareo akaigny amin’ny fandoroana gedabe mirehatr’afo izy; akaigny mbôka no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 43 Amin’izany ny marina dia hamirapiratra ôhatran’ny masoandro akaigny amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!
Fagnoharana mikasika ny harena nasitrika
44 Ny fanjakan’ny lagnitra dia ôhatran’ny harena nasitrika taigny an-tsaha. Hitan’ôlona ilay harena ka nasitrigny. Noho ny hafaliany dia lasana nivarotra ny fanagnany dahôlo izy ka novidiany ilay saha.
Fagnoharana mikasika ny vatosoa
45 Ny fanjakan’ny lagnitra koa dia ôhatran’ny mpivarotra iraika izay nikaraka vatosoa. 46 Rehefa nahita iraika sarobidy izy dia lasana nivarotra ny fanagnany dahôlo ka novidiany ilay vatosoa.
Fagnoharaha mikasika ny perive
47 Ny fanjakan’ny lagnitra koa dia ôhatran’ny periveb, izay natsipy tagnaty ranomasina ka nahazo karazagna barahoa betsaka. 48 Rehefa feno ny perive dia notaritin’ny ôlona niakatra an-tanety; dia niantotra zareo ka nagnavaka ny tsara nataony tagnaty sobika fa izay ratsy indray nariany. 49 Ôhatr’izany ny raha hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao; ho avy ny anjely ka hagnavaka ny ratsy fagnahy hisaraka amin’ny marina. 50 Hatsipiny aigny amin’ny fandoroana gedabe mirehitr’afo zareo; aigny mbôka no hisy fitomagniana sy nify mikatokatoka.
Ny tranainy sy ny vaovao
51 Dia hozy Jesoa: Azonareo ognona ma izany raha dahôlo izany? Iainy! Hozy zareo taminanjy. 52 Hozy taminjareo: Amin’izany, ny mpampiana-dalàna dahôlo izay nampianarina ny mikasika ny fanjakan’ny lagnitra dia sahala amin’ny tômpontragno iraika izay mamoaka ny raha vaovao sy ny raha tranainy avy amin’ny vata fikajiany.
Tsy ninoan’ny ôlona ta-Nazareta Jesoa
53 Rehefa vitan’i Jesoa ireo fagnoharana ireo dia niala takeo Izy.
54 Rehefa tonga taigny amin’ny taniny Izy, dia nampianatra ny ôlona takao amin’ny sinagoga. Gaga ny ôlona ka hozy zareo: Mbô takaiza ma no nahazoan’ilay zalahy ity an’izany fahendrena sy raha mahagaga izany? 55 Tsy zanak’ilay mpandrafitra ma ilay zalahy ity? Ka tsy i Maria ma no agnaran-dreniny? Dia ery Jakoba sy Josefa izin’ny Simona ary Jodasy ny rahalahiny? 56 Ka tsy atỳ amintsika dahôlo ma ny anabaviny? Avy takaiza izany ny nahazoan’ilay zalahy ity an’izany raha dahôlo izany? 57 Vokatr’izany dia tsy nino Ananjy zareo. Fa hozy Jesoa taminjareo: Akao amin’ny tanànany sy ny havany ihany ny mpagnazary no tsy hajaina.
58 Ary tsy nagnano raha mahagaga maro avy Izy taigny noho ny tsy finoanjareo.