Ny nahafatesan’i Jaona Mpagnano batisa
14
Tamin’izany fotoana izany, rehefa regnin’i Heroda mpanjaka ny lazan’i Jesoa, 2 dia hozy tamin’ny mpanompony: Jaona Mpagnano batisa nitsangana tamin’ny maty izany, ka izay no anagnany hasina hagnanaovana an’izao raha mahagaga izao.
3 Efa nagnambotra an’i Jaona mbôkany i Heroda ka namatotra sy nanagadra ananjy noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo kiboraika aminanjy, 4 satria Jaona niteny taminanjy hoe: Tsy manjary mialaka ananjy ho fanambadiana anao. 5 Vokatr’izany dia te hamono ananjy Heroda kanefa natahotra ny vahoaka izy satria nataonjareo hoe mpagnazary Jaona.
6 Rehefa tonga ny fitsingerinan’ny taona nahaterahan’i Heroda, dia nandihy talôhany takeo ny zanak’i Herodiasy vehivavy ka nahafaly ananjy. 7 Vokatr’izany dia nifanta taminanjy Heroda fa hagname ny raha angatahiny na ino na ino. 8 Rehefa avy namen-dreniny lôha izy, dia hozy: Ameo anahy agnaty vilia ny talandôhan’i Jaona Mpagnano batisa. 9 Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fanta nataony sy ny ôlona niara-nipetraka nihinana taminanjy takeo, dia nagname baiko ihany izy mbô hamena an’ilay vehivavy izany. 10 Dia nagniraka ôlona hanapaka ny talandôhan’i Jaona tam-pigadrana izy. 11 Dia nentiny tagnaty vilia ny talandôhan’i Jaona ka namena an’ilay vehivavy, ary izy indray nitondra an’izany taigny amin’ny reniny. 12 Tafaran’izay dia tonga ny mpianatr’i Jaona ka nialaka ny faty ary nandevigna ananjy. Avy takeo, nandeha nitantara an’izany tamin’i Jesoa zareo.
Ny nampihinanan’i Jesoa ny ôlona tsy omby dimy arivo
13 Rehefa naharegny an’izany Jesoa, dia nitikina lakana izy handehanany hitokana akaigny ankodahoda; kanefa raha vao regnin’ny vahoaka izany, dia niala avy tamin’ny tanànanjareo zareo dahôlo ka nandeha an-tongotra nagnaraka Ananjy. 14 Rehefa nidigna avy tagnatin’ny lakana i Jesoa, dia nahita vahoaka betsaka be, dia foraigna Izy ka nositragniny ny mararinjareo.
15 Rehefa hariva ny andro, dia nagnatogna Ananjy ny mpianany ka nagnano hoe: Atỳ ankodahoda atsika izao, sady efa hariva koa ny andro; ravao ny vahoaka mbô handehanany an-tanàna hividy raha hohanina. 16 Fa hozy Jesoa taminjareo: Tsy tokony handeha zareo fa ameo raha hohanina. 17 Fa hozy ny mpianany Taminanjy: Tsy managna afa-tsy mofo dimy sy barahoa roa izahay! 18 Dia hozy: Ento atỳ Aminahy atỳ izany! 19 Dia nasainy nipetraka tambony ahitra ny vahoaka dia nalainy ilay mofo dimy sy barahoa roa; dia niandrandra ny lagnitra Izy ka nisaotra an’Andriamagnitra, ary novakiany ny mofo dia nameny ny mpianatra, ary ny mpianatra indray nizara tamin’ny vahoaka. 20 Ary nihinana dahôlo zareo dia voky, nangonina ny ambiny sisa tsy lany ka nahafeno roa ambin’ny folo harogna. 21 Ary ny isan’ny nihinana takeo dia tokotokony ho dimy arivo lahy, tsy kaontin’izany ny zaza madinika sy ny vehivavy.
Nandehandeha tambonin’ny ranomasina Jesoa
22 Niaraka tamin’izay dia noteren’i Jesoa ny mpianatra hitikina lakana mbô hitsaka alôhany mandrapandravany ny vahoaka. 23 Rehefa nirava ny vahoaka, dia niakatra tan-tanety Izy mbô hitokana hivavaka. Rehefa hariva ny andro dia Izy irerika no takeo.
24 Rehefa lasa lavitra ny lakana dia natsipitsipin’ny rano satria nanohi-drivotra. 25 Nony efa harainaa ny andro, dia nandeha tambonin’ny ranomasina Jesoa mbô hagnatogna ny mpianany. 26 Azon-kondrefo zareo dahôlo rehefa nahita Ananjy nandeha tambonin’ny ranomasina ka nitarea hoe: Io misy angatra. Dia nihaikaika zareo satria natahotra mafy. 27 Dia nitarea taminjareo niaraka tamin’izay Jesoa hoe: Matokisa! Izaho ihany ity! Aza matahotra avy ianareo! 28 Dia hozy Petera Taminanjy: Ô Tômpo! Raha tegna Ianao tokoatrany io dia asaivo magnatogna anao ambonin’ny rano izaho. 29 Hozy: Avia! Dia nidigna avy tambonin’ny lakana Petera ka nandeha tambonin’ny rano nagnatogna an’i Jesoa. 30 Nony hitany fa mafy ny rivotra dia natahotra izy; ary nanomboka nilentika izy dia nihaikaika hoe: Ô Tômpo! Vonjeo izaho! 31 Niaraka tamin’izay dia nats sahala amin’i Jesoa ny tagnany ary nandray an’i Petera Izy sady nitarea hoe: Ô ry kely finoana! Magnino ma ianao no misalasala? 32 Rehefa tafakatra tagnaty lakana zareo dia nanangana ny rivotra. 33 Fa zareo izay tagnaty lakana indray dia nenkohoka tagnatrehany ka nitarea hoe: Tegna Zanak’Andriamagnitra tokoatrany Ianao.
Nagnasitragna ta-Genesareta Jesoa
34 Rehefa tafitsaka zareo dia tody ta-Genesareta. 35 Nahafantatra Ananjy ny tompon-tany takeo ka nagniraka ôlona tamin’ny tany dahôlo manodidigna zareo mbô hitondra izay marary dahôlo hankaigny Aminanjy. 36 Ary niangavy Ananjy zareo mbô hanjary hikitika na dia ny moron-tongotr’akanjony foagnany aza, ka sitragna dahôlo izay nikitika Ananjy.