Ny tsy finoan’ny ôlona ta-Nazareta
6
Dia niala takeo Jesoa dia niverigna tan-tanànany, niaraka tamin’ny mpianany. 2 Rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra takao amin’ny sinagoga Izy. Betsaka tamin’ôlona nitaino Ananjy no gaga ka nikoragna hoe: Takaiza ma izany no nahazoan’ilay zalahy ity an’izany raha izany? Fahendrena manakôry no anagnany? Magnino ma Izy mahavita raha mahagaga ôhatran’io? 3 Ka tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria ary rahalahin’ery Jakoba sy Josesy izin’ny Jodasy ary Simona ma ilay zalahy ity? Ny anabaviny ary iray tanàna amintsika atỳ! Dia tsy natoky Ananjy zareo. 4 Fa hozy Jesoa taminanjy: Akao amin’ny tanànany sy ny havany ihany ny mpagnazary no tsy hajaina. 5 Ary tsy afaka nagnano raha mahagaga takeo Izy raha tsy ny nametraka ny tagnany tamin’ny marary vitsivitsy sy nagnasitrana anjareo. 6 Dia gaga izy noho ny tsy finoany.
Ny nagnirahan’i Jesoa ny roa ambin’ny folo lahy
Dia nitety ny tanàna magnodidina Jesoa ka nampianatra. 7 Dia nantsoviny ny roa ambin’ny folo lahy hagnatona Ananjy, ka nasainy nandeha tsiroairoay zareo ary nameny fahefana hamoaka fagnahy maloto.
8 Ary tsy navelany hitondra vatsy na sakaosy na vola amin’ny dia ombanjareo akaigny zareo fa anjera foagna hozy entina. 9 Fa kapa sy akanjo an-koditra foagna sarognina. 10 Ary hozy koa taminjareo: manangàna amin’izay tragno mampandroso anareo mandra-pialànareo amin’io tanàna io. 11 Ary izay tanàna tsy mampandroso anareo, na tsy mitaino anareo dia akopaho akeo ny jofo am-paladianareo ho porofon’izany, rehefa miala akaigny ianareo.
12 Dia lasa nandeha zareo ka nitory fa tokony hibebaka ny ôlona. 13 Namoaka fagnahy ratsy tamin’ôlona maro zareo; ary marary betsaka no nohosoranjareo diloilo dia sitragna.
Ny nahafatesan’i Jaona Mpagnano Batisa
14 Nahoraka ny agnaran’i Jesoa ka regnin’i Heroda mpanjaka ny momba ananjy. Dia nisy nitarea hoe: I Jaona Mpagnano batisa efa nitsangana tamin’ny maty izay, ka izany no anagnany hery hagnanaovany iregny raha mahagaga iregny. 15 Hozy kosa ny asagnany: Elia izay, ary ny asagnany nagnano hoe: Mpagnazary Izy, sahala amin’ny mpagnazary dahôlo. 16 Rehefa naharegny an’izany Heroda dia hozy hoe: Jaona, ilay efa nasaiko notapahan-doha izay; nitsangana tamin’ny maty izany izy.
17 Nampagniraka nagnambotra an’i Jaona i Heroda ka nofatorany ary nogadrainy izy. I Jaona mbôka niteny ananjy noho izy nialaka an’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny. 18 Jaona mbôka efa nitarea tamin’i Heroda hoe: Tsy azonao atao ny mialaka ny vadin’ny rahalahinao. 19 Dia nampasosy an’i Herodiasy izany ka nikaraka hevitra hamonoana ananjy izy fa tsy nahita. 20 Natahoran’i Heroda mbôka i Jaona satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy ka narovany. Rehefa nitaino an’i Jaona izy dia lavolavo antomboka kanefa nahafaly ananjy foagna ny nitandregny ananjy.
21 Nisy andro, nahita hirika i Herodiasy. Tamin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Heroda dia nagnasa ny ôlom-panjakana sy ny lehiben’ny miaramila ary ny ôlona geda taigny Galilia izy. 22 Dia niditra avy aigny ny zanak’i Herodiasy vehivavy dia nandihy ka nahafaly an’i Heroda sy ireo ôlona nagnatrika takeo ny dihy nataony, ary hozy ny mpanjaka tamin’ilay vehivavy: Angataho izay raha tianao fa ameko anao. 23 Ary nifanta izy: Ameko anao izay hangatahanao aminahy na ino na ino na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza. 24 Lasa nankaigny amin’ny reniny ilay vehivavy nagnadina: Ino no angatahiko? Hozy ny reniny: Ny talandôhan’i Jaona Mpagnano batisa tenenina. 25 Niaraka tamin’izay dia niditra takao amin’ny Mpanjaka izy dia hozy: Tiako raha mbô amenao anahy agnaty vilia, izao dia izao ny talandôhan’i Jaona Mpagnano batisa. 26 Nalahelo be ny mpanjaka kanefa tsy nahasahy nandà izy noho ny fanta nataony sy noho ny ôlona nagnatrika takeo. 27 Niaraka tamin’izay dia nagniraka mpiambina ny mpanjaka, ka nasainy nalaina ny talandôhan’i Jaona. Dia lasana ilay mpiambina nanapaka ny talandôhan’i Jaona tam-pigadrana. 28 Ka nentiny tagnaty vilia ilay talandôha dia nameny an’ilay vehivavy; ary ilay vehivavy indray avy takeo nagname an’izany an-dreniny. 29 Rehefa naharegny an’izany raha izany ny mpianatr’i Jaona, dia avy zareo nialaka ny fatiny dia nandevigna ananjy.
Ny nagnamezan’i Jesoa hanina ny ôlona dimy arivo lahy
30 Rehefa tafaverigna taigny amin’i Jesoa ny Apostoly dia nitantara ny raha dahôlo natao sy nampianarinjareo. 31 Ary Jesoa nitarea taminjareo: Andao atsika hankaigny ankodahoda mbô haka aigna kely. Betsaka mbôka ny ôlona nifamezivezy ka tsy nisy na dia tany nihinanan-kanina aza.
32 Zareo irerika no nitikina lakana handehanany hankaigny ankodahoda. 33 Rehefa nahita anjareo nandeha ny ôlona, sady betsaka ny ôlona nahalala anjareo, dia niala avy taigny amin’ny tany dahôlo misy ananjy avy ny ôlona ka nihazakazaka, dia tonga talôhanjareo.
34 Ary rehefa nidigna avy tagnatin’ny lakana i Jesoa, dia nahita ôlona betsaka. Nahaforaigna Ananjy ireo satria ôhatran’ny ondry tsisy mpagnandroka dia nampianariny raha betsaka zareo.
35 Rehefa hariva ny andro, dia nagnatona Ananjy ny mpianany ka nagnano hoe: Efa miha alina ny andro nefa ity tany misy antsika ity mitokantokana; 36 ravao zareo mbô handehanany amin’ny tanàna magnodidina hividy raha hohanina. 37 Fa hozy Jesoa: Ameo raha hohanina ireo ôlona ireo. Fa hozy ny mpianatra: Mbô ho ampy an’ireo raha tsy mofo na dianaria roanjato? 38 Hozy Jesoa: Misy mofo firy ma aigny aminareo? Mandehana jerevo! Rehefa fantany ny isany, dia hozy zareo: Mofo dimy sy barahoa roa. 39 Dia nasain’i Jesoa nampipetraka ny ôlona dahôlo ny mpianatra ka nataony nitsitokotoko tambony ahitra. 40 Dia nipetraka nitsitokotoko zato sy dimampolo avy ny ôlona. 41 Rehefa noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy barahoa roa, dia niandrandra ny lagnitra Izy ka nisaotra an’Andriamagnitra. Dia novakiany ny mofo ka nameny ny mpianatra. Ary nozarain’ny mpianatra tamin’ny ôlona dahôlo ny mofo. Dia nozarain’i Jesoa tamin’ôlona dahôlo koa ny barahoa roa. 42 Dia samby nihinana ny ôlona dahôlo ka voky. 43 Nangoniny ny ambiny sisa tsy lany ka nahafeno roa ambin’ny folo harogna. 44 Nisy dimy arivo lahy ny isan’ny nihinana ny mofo.
Nandehandeha tambonin’ny ranomasina Jesoa
45 Avy takeo, Jesoa dia nanery ny mpianany hitikina lakana hitsaka alôhany hankaigny Betsaida mandra-pandravahany ny ôlona. 46 Rehefa avy nagnano veloma ny ôlona Izy, dia nankaigny an-tampon-tanety mbô hivavaka.
47 Rehefa alina ny andro, dia efa tam-povoan’ny ranomasina ny lakana, ary Jesoa irerika no tan-tanety. 48 Ary hitany fa nijaly be zareo nivoy ny lakana satria nanohi-drivotra; rehefa sahabo tamin’ny magneno akoho, dia nankaigny aminjareo, nandeha tambonin’ny ranomasina Jesoa ka nitady hisongona anjareo. 49 Tazanjareo nandeha tambony ranomasina Izy, dia noheveriny fa angatra, dia nihaika zareo. 50 Toran-kovitra zareo dahôlo satria samby nahita ananjy.
Niaraka tamin’izay, hozy Jesoa: Matokisa fa Izaho ihany ity! Aza matahotra. 51 Raha vao niakatra tagnaty lakana nagnatona anjareo Izy; dia nitony ny rivotra, ka nidagnàka zareo. 52 Tsy azony ognona mbôka ny raha mahagaga niavian’ny mofo, fa mbôla fohy ny fisaignany.
Nagnasitragna ôlona ta-Nazareta Jesoa
53 Rehefa tafitsàka zareo dia tonga takeo amin’ny tany Genesareta ka nitody takeo. 54 Ary raha vao nidigna avy tambony lakana zareo, tonga dia fantatry ny ôlona dahôlo takeo i Jesoa. 55 Nidodododo tamin’ny tany dahôlo ny ôlona, dia nitondra ny marary tamin’ny fandriana, ho amin’ny izay naharignesana fa akaigny i Jesoa. 56 Ka na taiza na taiza nidiran’i Jesoa, na tan-tanàna na tan-tsaha, dia napetraka tamin’ny tany malalaka ny marary, niangavy ny ôlona mbô hitamo na dia ny moron-tongotr’akanjony ihany aza, dia sitragna dahôlo izay nitamo Ananjy.