Ny hevitr’i Jesoa mikasika ny fomban-drazana
7
Tafaran’igny, nitangorogna tamin’i Jesoa takeo ny Fariseo sy ny mpampianadalàna asagnany izay avy ta-Jerosalema. 2 Dia tazanjareo fa nisy mpianatra nihinan-kanina tsy nanasa tagnana araka ny fomban-drazagny. 3 Fa ny Fariseo sy ny Jiosy dahôlo tsy homan-kanina, raha tsy efa voasasa tsara ny tagnany satria zareo mbôla nitana ny fomban-drazagny. 4 Rehefa avy aigny an-tsena zareo, dia misasa alôha vao homana. Ary nisy koa fomban-drazagna betsaka mbôla notanany, dia ny manasa tasy kely sy tasy geda ary ny vilagny vita amin’ny varahina. 5 Dia nagnadina Ananjy ny Fariseo sy ny mpampianadalàna nagnano hoe: Magnino ma izany ireo mpianatrao ireo no tsy magnaraka fomban-drazagna, fa homan-kanina amin’ny tagnana tsy voasasa?
6 Fa hozy Jesoa taminjareo: Tegna marina ny nagnazarian’Isaia anareo hoe mpihatsaravelatsihy, araka ilay voasoratra hoe:
Ity firenena ity magnaja Anahy amin’ny molony,
fa ny fony kosany tsy magnahoa Anahy.
7 Ka tsisy varany ny ivavahanjareo Aminahy
raha mampianatra ny fomban-tany ho fampianarana zareo (Isa 29.13).
8 Dia hozy koa Jesoa taminjareo: Fomban-tany foagnany arahanareo fa ny didin’Andriamagnitra tsy ahoanareo. 9 Ary hozy koa Izy taminjareo: Nanjary anareo tsara ny tsy nagnahoanareo ny didin’Andriamagnitra igny mbô hagnarahanareo ny fomban-tany. 10 Hozy Mosesy: “Magnajà ny rainao sy reninao” (Eks 20.12), ary koa: “Izay magnasaha ny ray sy reniny dia atao tapitr’andro tokoatrany” (Eks 21.17). 11 Fa ianareo indray magnano hoe: Raha misy ôlona mitarea amin’ny ray sy reniny hoe: Tsisy raha antenainao intsony atỳ fa efa nameko an’Andriamagnitra dahôlo. 12 Dia tsy asainareo hagnano ino amin’ino amin’ny ray sy reniny intsony izy. 13 Dia tsy nahoanareo ny tarean’Andriamagnitra fa nosoloanareo ny fomban-taninareo, izay nasainareo arahana; dia raha betsaka mitovitovy aminjany koa ny mbôla ataonareo.
Ny raha mampaloto ny ôlona
14 Ary nagnantso ny ôlona handeha aminanjy indray Izy dia nagnano hoe: Mitainoa Anahy ianareo dahôlo ka mandiniha. 15 Tsy ny raha avy ambelany izay miditra agnatin’ny ôlona no mampaloto ananjy, fa izay mivoaka avy tagnatiny. 16 Izay magnan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!
17 Ary rehefa niala tamin’ny ilay ôlona takeo Izy, ka nandeha niditra tan-dragno, dia nagnadina ananjy ny mpianany tamin’ilay fagnoharana izay nataony. 18 Dia hozy taminjareo: Haiko ma! Na ianareo koa aza tsy mahazo ognon-draha kalay! Tsy hainareo fa izay raha dahôlo avy ambelan’ôlona ka miditra akao agnatiny dia tsy mampaloto ananjy, 19 satria tsy miditra am-pony, fa agnatin’ny kibony ihany, ka dia miala izany rehefa mandeha mivoaka izy. Izany no noteneniny mbô hadio ny raha dahôlo hohanina.
20 Ary hozy: Izay raha mivoaka avy amin’ny ôlona no mampaloto ananjy. 21 Fa avy agnatin’ny ôlona, dia avy agnatin’ny fony, no ivoahan’ny fiaignan-dratsy, dia ny fijangajangana, ny fangalarana, ny famonoan’ôlona, ny fangalaram-badin’ôlona, 22 ny fieremana, ny lolompo, ny fikatramoana, ny filangalangana, ny managarika, ny magnasaha, ny avognavogna, ny tsy fanjariana; 23 izany raha tsy manjary dahôlo izany no mivoaka avy agnatin’ny ôlona ka mampaloto ananjy.
Ny finoan’ilay vehivavy Kananita.
24 Dia niala takeo Jesoa ka lasana nankaigny amin’ny sisin-tanin’i Tiro sy Sidona; dia niditra tan-dragno Izy, ary tsy tiany ho fantatr’ôlona izany; nefa tsy nahazo nisitrika Izy. 25 Ary avy takeo dia nisy vehivavy iraika naharegny ny momba ananjy (ny zanagny vehivavy mbôla kely azon fagnahy ratsy), dia nankao ary nenkotra tamin’ny tongony. 26 Fa jentilisa ravehivavy, avy aigny amin’ny firenena Syro-foinika; dia niangavy ananjy izy mbô handroaka any ilay fagnahy ratsy amin-janagny vavy. 27 Fa hozy Jesoa taminanjy: Alay alôha voky ilay zaza; fa tsy manjary raha alaina ny mofon-jaza ka amena zanak’amboa. 28 Dia hozy ilay vehivavy namaly Ananjy: Marina izany Tômpoko, kanefa na dia ny zanak’amboa ambany latabatra aza mbô homana ny ambinambin’ny mofon-jaza ihany. 29 Dia hozy Jesoa: Mandehana mody, fa noho izany teninao izany, dia efa nivoaka tamin’ny zanao vavy ny fagnahy ratsy. 30 Ary rehefa tonga tan-dragnony ilay vehivavy, dia tazagny nandry tambonin’ny fandriana ny zanagny, ary efa niala taminanjy ny fagnahy ratsy.
Ny nagnasitranan’i Jesoa ny lehilahy iraika maregnina sady moagna
31 Dia niala tamin’ny sisin-tanin’i Tiro indray Jesoa, ka nagnitsy an’i Sidona sy ny tany Dekapolisy dia nankaigny amoron’ny ranomasin’i Galilia. 32 Ary nisy maregnina sady mogna iraika nentinjareo taminanjy, ka niangavenjareo mbô hametrahan-tagnana. 33 Dia nentiny tantakona niala ny ôlona ilay lehilahy, dia nigarogniny tamin’ny rantsan-tànany ny sofiny, ary nandrora Izy ka nandray ny lelany; 34 ary nijery ny lagnitra Izy, dia nifokambo ka nagnano hoe: Mandrignesa. 35 Dia naharegny ny sofiny, sady afaka ilay maogna ka dia nitarea tsara izy. 36 Ary tsy navelan’i Jesoa nitantara na amin’iza na amin’iza ny ôlona; nefa vao maika naparitagny ilay raha. 37 Dia nidagnàka ny ôlona ka nagnano hoe: Tena tsara ny nagnanaovany ilay raha dahôlo takeo; fa sady nampaharegny ny maregnina Izy no nampiteny ny moagna.