Matio
Ny fitantarana ny razagn’i Jesoa Kristy
1
Ny fitantarana ny razagn’i Jesoa Kristy, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama.2 Abrahama namaitra an’i Isaka;
Isaka namaitra an’i Jakoba;
Jakoba namaitra an’ery Joda kiboraika;
3 Joda namaitra an’i Fareza sy Zara tamin’i Tamara;
Fareza namaitra an’i Hezrona;
Hezrona namaitra an’i Rama
4 Rama namaitra an’i Aminadaba;
Aminadaba namaitra an’i Nasona;
Nasona namaitra an’i Salmona;
5 Salmona namaitra an’i Boaza tamin’i Rahaba;
Boaza namaitra an’i Obeda tamin’i Rota
Obeda namaitra an’i Jese;
6 Jese namaitra an’i Davida mpanjaka;
Davida namaitra an’i Solomona tamin’ny fanambadian’Oria;
7 Solomona namaitra an’i Rehoboama;
Rehoboama namaitra an’i Abia
Abia namaitra an’i Asa;
8 Asa namaitra an’i Josafata;
Josafata namaitra an’i Jorama
Jorama namaitra an’i Ozia;
9 Ozia namaitra an’i Jotama;
Jotama namaitra an’i Ahaza;
Ahaza namaitra an’i Hezekia;
10 Hezekia namaitra an’i Manase;
Manase namaitra an’i Amona;
Amona namaitra an’i Josia;
11 Josia namaitra an’ery Jekonia kiboraika, tamin’ny fotoana nahababo anjareo taigny Babylona.
12 Ary tafaran’ny fahababoana taigny Babylona,
Jekonia namaitra an’i Sealtiela;
Sealtiela indray namaitra an’i Zerobabela;
13 Zerobabela namaitra an’i Abihoda;
Abihoda namaitra an’i Eliakima;
Eliakima namaitra an’i Azora;
14 Azora namaitra an’i Zadoka;
Zadoka namaitra an’i Akima;
Akima namaitra an’i Elihoda;
15 Elihoda namaitra an’i Eleazara;
Eleazara namaitra an’i Matana;
Matana namaitra an’i Jakoba;
16 Jakoba namaitra an’i Josefa, vadin’i Maria; ary Maria namaitra an’i Jesoa; ilay antsovina hoe Kristy.
17 Rehefa natontaly ny isan’ny taranaka nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’ny Davida dia efatra ambin’ny folo; ary nanomboka tamin’i Davida ka hatraminjareo babo taigny Babylona dia taranaka efatra ambin’ny folo koa; ary nanomboka tamin’ny nahababo anjareo taigny Babylona ka hatramin’i Jesoa dia taranaka efatra ambin’ny folo.
Ny nahaterahan’i Jesoa Kristy
18 Sahala an’izao ny nahaterahan’i Jesoa Kristy: Nanaiky hatao fomba amin’i Josefa i Maria renin’i Jesoa; mbôla tsy vita fomba avy anefa zareo nihindroa dia hita fa bevohoka avy tamin’ny Fagnahy Masina izy. 19 Lehilahy marina Josefa fanambadiany ka tsy te hagnala baraka ananjy, dia nieritreritra hiala aminanjy moramora. 20 Raha mbôla niasa lôha takeo izy, dia nisy anjelin’Andriamagnitra niboagna taminanjy tamin’ny nofy ka nitarea hoe: Ô Josefa zanak’i Davida! Aza matahotra avy ianao hialaka an’i Maria ho fanambadianao, fa avy amin’ny Fagnahy Masina ny zaza agnaty kibony akao. 21 Hitera-dahy izy, ka JESOA no hataonao agnarany, Izy mbôka ny hamonjy ny ôlony ho afaka amin’ny fahotana.
22 Tonga izany raha dahôlo izany mbô hahatanteraka ny raha nampilazain’ny Tômpo ny mpagnazary hoe:
23 “Ho hitanareo fa ho bevohoka
ka hitera-dahy ny virijiny
hataon’ôlona hoe Imanoela
ny agnaran’ilay zaza” (Isa 7.14);
‘Amintsika Andriamagnitra’ny dikan’ny agnarany.