Ny nahaterahan’i Jesoa
2
Tamin’izany andro izany dia namoaka lalàna i Aogosto Kaisara mbô hanoratana ny agnaran’ny vahoaka dahôlo amin’ny fanjakany. 2 (Izany no fagnisam-bahoaka voalôhany natao tamin’ny fitondran’i Kirenio taigny Siria.) 3 Dia samby nankaigny amin’ny tany niaveny avy ny ôlona dahôlo mbô hosoratana agnarana.4 Dia niakatra avy takaigny Nazareta tanàna iraika akaigny Galilia i Josefa mbô hankaigny Betlehema tanànan’i Davida aigny Jodia satria avy tamin’ny tarika sy fianakaven’ny Davida izy, 5 mbô hosoratana agnarana zareo sy Maria fofombadiny, izay efa bevohoka. 6 Ary rehefa tonga taigny Betlehema zareo, dia tonga ny andro hahaterahany i Maria. 7 Dia teraka ny lahimatoany izy ka nofognosiny lamban-jaza ary nampandreny tamin’ny fihinanam-bilona takeo; fa tsy nisy toerana ho anjareo takao amin’ny tragnom-bahiny.
Notaravin’ny Anjely ny mpagnandroka ondry fa teraka Jesoa
8 Nisy mpagnandroka ondry tamin’izany faritra izany nanangana tan-kijany niambina ny ondriny tamin’ny alina. 9 Dia nisy anjelin’ny Tômpo niboagna taminjareo takeo, ary nanjelanjelatra magnodidina anjareo ny voninahitry ny Tômpo ka natahotra mafy zareo. 10 Fa hozy ilay anjely taminjareo: Aza matahotra anareo fa hikoragna Tarea Maharavo aminareo ‘izaho. Fifaliana be ho an’ôlona dahôlo izany tarea izany. 11 Fa teraka ho anareo akao an-tanànan’i Davida akao nigniany ny Mpamonjy dia Kristy Tômpo. 12 Ary izao no hamantaranareo Ananjy: Hahita Zazakely voafogno lamban-jaza mandry am-pihinanam-bilona anareo.
13 Tonga dia nisy anjely betsaka be niboagna avy tan-dagnitra niaraka tamin’ilay anjely takeo ka nidera an’Andriamagnitra nagnano hoe:
14 Voninahitra ho an’Andriamagnitra aigny amin’ny avo indrindra!
Ary fiadanana ho an’ny ôlona ankasitrahany atỳ ambonin’ny tany.
15 Rehefa nierigna nankaigny an-dagnitra ireo anjely ireo, dia nifampiresaka nagnano hoe ny mpagnandroka ondry: Andao atsika hankaigny Betlehema hijery izany raha nampahafantarin’ny Tômpo antsika izany.
16 Dia nandeha malaky zareo ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry tam-pihinanam-bilona. 17 Avy takeo zareo dia nagnely izay raha notaravina taminjareo mikasika an’ilay Zaza. 18 Ary izay naharegny ny raha notaravin’ny mpagnandroka ondry dia gaga dahôlo. 19 Fa notadidian’i Maria kosa izany teny dahôlo izany ka nodinidinihany matetika. 20 Ary nierigna tan-kijany ny mpagnandroka ondry, ka nankalaza sy nidera an’Andriamagnitra tamin’ny raha dahôlo regniny sy hitany, araka izay notaravina taminanjy.
Ny nanaovana hasoavana an’i Jesoa
21 Rehefa feno valo andro ny Zaza, dia natao hasoavana. Ary nataony hoe Jesoa ny agnarany, araka ilay efa notaravin’ny anjely, tamin’Izy mbôla tsy tagnaty kibo.
22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovana, araka ny lalàn’i Mosesy, dia nentin’i Josefa sy Maria niakatra taigny Jerosalema Izy mbô hatolotra ho an’i Tômpo 23 araka ny voasoratra akao amin’ny lalàn’ny Tômpo hoe: “Masina ho an’NY TÔMPO ny lahimatoa dahôlo”a 24 ary mbô hanatitra fagnatitra araka izay voalaza akao amin’ny lalàn’ny Tômpo hoe: “domohina roa, na zanaka pizina roa” (Lev 12.8).
Simeona sy Ana
25 Nisy lehilahy marina sady mpivavaka be antsovina hoe Simeona takaigny Jerosalema. Nandigny ny fampiononana ny Israely izy, ary taminanjy ny Fagnahy Masina. 26 Nilazan’ny Fagnahy Masina izy fa tsy ho faty mandra-pahitàny ny Kristin’ny Tômpo. 27 Ary nentin’ny Fagnahy Masina nankeo antonkotanin’ny Tempoly izy. Ary nentin’ny ray sy reniny Jesoa hagnanaovany izay voalazan’ny lalàna ny amin’ny zaza. 28 Dia nibotro Ananjy i Simeona sady nidera an’Andriamagnitra nagnano hoe:
29 Tômpo ô, alefaso amin’ny fiadanana amin’izay ny mpanomponao,
araka ny teninao.
30 Fa efa hitako maso ny famonjenao,
31 Izay nomagninao tagnatrehan’ny firenena dahôlo,
32 Dia fahazavana hagnazava ny firenena
sady ho voninahitry ny Israely vahoakanao.
33 Dia gaga ny ray sy renin’ny Zaza tamin’ny raha nokoragnin’i Simeona momba Ananjy. 34 Ary Simeona nitso-drano anjareo ka nagnano tamin’i Maria, renin’ny Zaza, hoe: Voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’ny Israely ity Zaza ity sady ho famantarana hampifanditra ôlona. 35 Harary ôhatra ny voatomboka sabô ny fagnahinao - mbô hampiboagna ny hevitry ny fon’ôlona maro.
36 Nisy anti-bavy mpagnazary iraika izay, Ana no agnarany. Zanak’i Fanoela, avy amin’ny tarik’i Asera izy. Fito taona no nifanambadiananjareo dia maty ilay lehilahy; 37 ary efa tokony ho efatra amby valopolo taona izy izao. Ary tsy niala tan-Tempoly izy, fa nanompo an’Andriamagnitra tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana magnalin’andro sy mahakekandro’andro. 38 Tonga takao koa izy tamin’izany lera izany, ka nisaotra an’Andriamagnitra sady nilaza ny momba ny Zaza tamin’ny ôlona dahôlo nandigny ny fagnavotana takao Jerosalema.
39 Koa fa vitany ny raha dahôlo voalazan’ny lalàn’ny Tômpo, dia nierigna taigny Nazareta tanànany, aigny Galilia i Josefa sy Maria. 40 Ary ny Zaza nitombo sady nihanatanjaka ary feno fahendrena; ary taminanjy ny fahasoavan’Andriamagnitra.
Nentina niakatra taigny Jerosalema i Jesoa rehefa feno roa ambin’ny folo taona
41 Isan-taona rehefa tonga ny Paka dia mankaigny Jerosalema ny ray sy renin’i Jesoa. 42 Ary rehefa feno roa ambin’ny folo taona Jesoa, dia nindesiny niaraka taminjareo, araka ny fatao amin’ny andro fety. 43 Rehefa tapitra ny fety dia nody zareo, nefa tsy fantatry ny ray sy reniny fa mbôla nanangana taigny Jerosalema i Jesoa zaza. 44 Noheveriny fa niara-dia taminjareo Izy ka efa nandeha làlana indray andro zareo vao nikaraka Ananjy tamin’ny fianakaveny sy ny ôlom-pantany. 45 Ary rehefa tsy hita Izy, dia lasana nierigna taigny Jerosalema zareo nikaraka Ananjy. 46 Telo andro tafaran’ny fety, dia hitany takao an-Tempoly i Jesoa nentotra tampovoan’ny mpampianatra, nitaino sady nametraka fagnontaniana taminjareo. 47 Nidagnàka ny ôlona dahôlo izay naharegny Ananjy tamin’ny fahaizany sy ny famaleny. 48 Dia gaga ny ray sy reniny nahita Ananjy takeo; dia hozy ny reniny taminanjy: Ô zanako! Nagnino ma Anao magnano an’io aminay? Ô raoy! Izahay sy rainao efa nitsakapepy nikaraka anao!
49 Dia namaly izy hoe: Fa magnino ma ianareo mikaraka Anahy? Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy akato an-dragnon’ny Raiko akato foagna Izaho? 50 Kanefa tsy azonjareo izany raha notaraviny izany.