Lioka
Fanokafan-dresaka
1
Ho an’i Teofilo hajaina,Betsaka ka no efa nanoratra sy nitantara ny raha efa niaignantsika. 2 Ireo vavolombelona nagnatri-maso nanomboka tamin’ny voalôhany dia lasa nitory ny Tarea no nahazoanjareo an’izany tantara izany. 3 Rehefa nofotopotorako tsara ny zavanisy dahôlo nanomboka tamin’ny niandohany dia tiako koa ny hanoratra an’izany aminao araka ny filaharany, 4 mbô hamantaranao tsara fa azo antoka ny raha nampianarina anao.
Notenenin’ny Anjely Zakaria fa ho teraka Jaona
5 Tamin’ny andro nahampanjakan’ny Jodia an’i Heroda, dia nisy mpisorogna iraika antsovina hoe Zakaria, agnisan’ny tropin’ery Abia. Elizabeta fanambadeny dia avy tamin’ny tarik’i Arona. 6 Samby ôlo-marina tagnatrehan’Andriamagnitra zareo mivady ireo sady narahiny tsara ny didy sy ny fitsipika dahôlo namen’ny Tômpo. 7 Tsy nanan-janaka zareo mivady, fa momba Elizabeta; ary samby efa antitra zareo nihindroay.
8 Nisy andro, nagnano raharaham-pisorognana tagnatrehan’Andriamagnitra Zakaria fa anjaran’ny tropiny tamin’io. 9 Araka ny fataon’ny mpisorogna dia hatao ankitsapaka izay hiditra akao amin’ny tempolin’ny Tômpo handoro ditina kakazo magnitra, dia Zakaria no voatsabo. 10 Nijanona tavelagny dahôlo ny ôlona dahôlo dia nivavaka tamin’ny lera nandoroana ny ditina kakazo magnitra.
11 Nisy anjelin’ny Tômpo niboagna taminanjy, tankavagnan’ny alitara fandoroana ny ditina kakazo magnitra. 12 Taitra be sady natahotra Zakaria rehefa nahita ananjy. 13 Nefa hozy ilay anjely taminanjy: Ô Zakaria, aza matahotra avy anao! Notainoan’Andriamagnitra ny vavakao. Hiteraka zaza lehilahy Elizabeta fanambadenao, dia ataovy Jaona ny agnarany. 14 Ho faly be anao, ary betsaka koa ny ôlona ho faly amin’ny fahaterahany. 15 Ho geda agnatrehan’ny Tômpo izy ary tsy higoka divay na toaka sady hofenoina ny Fagnahy Masina amin’izy miantena agnaty kibon’ny reniny. 16 Ary betsaka amin’ny Zanak’Israely no haverigny amin’NY TÔMPO Andriamagniny. 17 Handeha akeo alôhan’Andriamagnitra izy, miaraka amin’ny fagnahy sy ny hasin’i Elia, hampihavana ny ray amin’ny zanaka, hamerin-dôha ny tsy mankatô ho amin’ny fahendrena, hagnomagna firenena vognona ho an’ny Tômpo (Mal 3.23-24).
18 Dia hozy Zakaria tamin’ilay anjely: Manakôry ma ny hahafantarako fa marina izany raha koragninao izany? Izaho ity efa antitra, ny fanambadeko koa efa antitra.
19 Dia hozy ilay anjely taminanjy: Izaho no Gabriela. Mitsangana agnatrehan’Andriamagnitra akeo izaho, ary nasainy hikoragna aminao izany tarea maharavo izany. 20 Ka izao, ho moagna anao ka tsy hahay hiteny mandram-pahatongan’ny andro hitrangan’izany raha izany satria anao tsy nino ny raha notaraviko, izay ho tanteraka amin’ny fotoanany.
21 Gaga dahôlo ny ôlona nandigny an’i Zakaria satria nahadigny ela tagnatin’ny Tempoly izy. 22 Ela ny ela, nivoaka izy, fa tsy nahavita niteny taminjareo. Dia fantatry ny ôlona fa nisehoan-draha tagnatin’ny Tempoly takao izy. Ary nagnano baiko tamin’ny tagnana taminjareo izy fa tsy mbôla nahay niteny fôgnany.
23 Dia nody tan-dragnony taigny izy rehefa tapitra ny andro niasany tan-Tempoly. 24 Tafarakelin’izany dia bevohoka Elizabeta vadiny ary nisitrika nandritra ny dimy volana izy. Dia hozy hoe: 25 Izao ny raha natan’ny Tômpo taminahy: nahafa-kegnatra anahy Izy.
Ny filazana ny fahaterahan’i Jesoa
26 Rehefa enim-bolana ny kibon’i Elizabeta dia nasain’Andriamagnitra nankaigny Nazareta, tanàna iraika akaigny Galilia, ny anjely Gabriela, 27 ho aigny amin’i Maria, tovovavy virijiny izay efa nangatahan’i Josefa, gaogna avy amin’ny tarik’i Davida. 28 Vao tonga tandragnon’i Maria ilay anjely, dia hozy taminanjy hoe: Arahabaina anao ry ilay niangarana. Momba anao ny Tômpo.
29 Hatairana ny an’i Maria naharegny an’ilay fiarahabana, dia niasa lôha izy ny amin’izay mety ho dikan’izany. 30 Dia hozy ilay anjely taminanjy: Aza matahotra avy anao Maria! Efa niangaran’Andriamagnitra anao. 31 Ary izao, ho bevohoka anao dia hitera-dahy, ary Jesoa no hataonao agnarany. 32 Hanan-kasina Izy ka Zanaky ny Farany Agnambo no hagnantsovana Ananjy; ary NY TÔMPO Andriamagnitra hagname Ananjy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; 33 hanjaka mandrakizay amin’ny tarik’i Jakoba Izy, ary tsy hisy fiafarany ny fanjakany.
34 Dia hozy Maria tamin’ilay anjely: Hanakôry aiky no hampanjary an’izany? Izaho ary mbôla virijiny.
35 Namaly ananjy ilay anjely hoe: ho avy agnatinao ny Fagnahy Masina, ary hisy hasin’ny Farany Agnambo hanarogna anao; ka hatao hoe Zanak’Andriamagnitra Ilay Masina haterakao. 36 Ary izao, bevohoka koa Elizabeta havanao na dia efa antitra aza; efa mandray enimbolana izao ny kibony, nefa nolazaina fa momba izy. 37 Tsy misy raha tsy vitan’Andriamagnitra.
38 Dia hozy Maria: gaognan’ny Tômpo izaho. Enga anie ho tanteraka aminahy izany raha taravinao izany. Dia lasana ilay anjely.
Ny nitsidihan’i Maria an’i Elizabeta
39 Tafara kelin’izany, dia nandeha nalaky Maria nankaigny an-tanàna iraika aigny an-tampontanetin’ny Jodia. 40 Dia niditra tandragnon’i Zakaria izy ary niarahaba an’i Elizabeta. 41 Fa tampoky regnin’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria, dia niantsambôtra ny zaza tagnaty kibony; ary feno ny Fagnahy Masina izy, 42 ka nitarea mafy hoe: Notahiana amin’ny samby vehivavy ianao, ary tahiana koa ny zaza haterakao. 43 Mbô iza ma izaho no tsidihin’ny ninin’ny Tômpoko? 44 Fa tampoky regniko ny fiarahabanao, dia niantsambôtra noho ny hafalena ny zaza agnaty kiboko. 45 Sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay notaravin’ny Tômpo taminao.
Ny hiran’i Maria
46 Dia hozy Maria:
Manodo ny Tômpo ny foko,
47 ary ravoravo amin’Andriamagnitra Mpamonjy anahy ny fagnahiko;
48 satria tandriny
ny gaognany vavy tsisy dikany,
ka ferak’izao, dia agnantso anahy hoe sambatra ny taranaka dahôlo.
49 Satria nagnano raha geda taminahy ny Mahery;
Masina ny agnarany.
50 Ny famindrampony dia ho an’izay magnaja Ananjy
sy ny tarigny dahôlo.
51 Nagnano raha matomboka tamin’ny sandriny Izy;
ary nandroaka ny mpiavognavogna.
52 Nangala ny manan-kasina tamin’ny seza fiandrianany Izy,
ary nanandratra ny ampidigna.
53 Nototofany raha tsara ny noana;
ary nataony niala maigna ny manan-karena.
54 Nagnampy ny Israely mpanompony Izy,
ary nahatadidy ny famindrampony
55 tamin’i Abrahama sy ny tarigny ho avy dahôlo
arak’izay notaraviny tamin’ny razantsika.
56 Ary nanangana tamin’i Elizabeta tokony ho telo volana Maria vao nody tan-dragnony.
Ny nahaterahan’i Jaona mpanao Batista
57 Rehefa tonga ny andro hahaterahan’i Elizabeta, dia tera-dahy izy. 58 Ary ny mpiray tanàna sy ny fianakaveny niara-paly taminanjy satria naharegny ny hagedan’ny fahatsaran’ny Tômpo.
59 Rehefa feno valo andro ny zaza dia tonga zareo hanapaka ananjy. Ary Zakaria ôhatran’ny agnaran-drainy ihany no saika nataony agnarany. 60 Fa hozy ny reniny: Ahaa! Jaona no agnarany.
61 Fa hozy zareo taminanjy: Tsisy managna an’izany agnarana izany amin’ny fianakavianao na dia iraika aza.
62 Ary nagnano baiko tamin’ny tagnana tamin’ny rainy zareo, izay tiany hatao agnarany. 63 Dia nangataka solaitra izy ka nanoratra hoe: Jaona no agnarany. Dia gaga dahôlo zareo. 64 Tonga dia afaka niteny izy ka nidera an’Andriamagnitra. 65 Dia natahotra dahôlo ny mpiray tanàna taminanjy. Ary ny ôlona dahôlo eraky ny tampon-tanetin’ny Jodia niresaka an’izany raha dahôlo izany. 66 Dia gaga dahôlo izay naharegny an’izany ka nagnano hoe: Mbô hanakôry aiky ity zaza ity? Fa ny tàgnan’ny Tômpo niaraka taminanjy.
Ny hiran’i Zakaria
67 Ary Zakaria rainy feno ny Fagnahy Masina ka nagnazary hoe:
68 Deraina ny Tômpo, Andriamagnitry ny Israely;
satria namonjy ny ôlony izy ary nagnavotra ananjy.
69 Nanangana tandro-pamonjena ho antsika
avy amin’ny tarik’i Davida mpanompony Izy.
70 (Ohatran’izay nampilazainy ny mpagnazary masina tamin’ny andro talôha),
71 Mpamonjy hangala antsika amin’ny fahavalontsika,
sy amin’izay dahôlo tsy tia antsika;
72 Namindra fo tamin’ny razantsika Izy
sady tsarôvany ny fagnekeny masina,
73 dia ny fanta izay nataony tamin’i Abrahama razantsika,
74 Mbô hangala antsika amin’ny fahavalontsika
ka hanompoantsika Ananjy tsisy tahotra,
75 Mbô ho masina sy marina Aminanjy atsika amin’ny andro hahavelomantsika dahôlo.
76 Ary ianao ry zaza, antsovina hoe mpagnazarin’ny Farany Agnambo ianao;
homba alôhan’ny Tômpo anao, hagnamboatra ny lalany,
77 Hampahafantatra ny ôlony ny famonjena
amin’ny famelana ny helogny,
78 Satria be famindrampo ny Andriamagnitsika,
ka haposagny amintsika avy aigny agnambo ny mazava sahala ny masoandro miposaka,
79 mbô hagnazava izay mentòtra akao amin’ny maizigna
sy akao amin’ny talinjon’ny fahafatesana,
ary mbô hagnitsy ny diantsika ho aigny amin’ny lalan’ny fiadanana.
80 Ary nitombo ny zaza sady nihanatanjaka tam-pagnahy. Avy takeo izy dia nipetraka taigny ankodahoda mandrapahatongavan’ny andro niboagnany tamin’ny Israely.