Ny fitsangananan’i Jesoa tamin’ny maty
16
Tafaran’ny Sabata, dia nandeha nividy menaka magnitra hahosotra ny fatin’i Jesoa ery Maria Magdalena sy Salome izin’ny Maria renin’i Jakoba. 2 Tamin’ny andro voalôhany amin’ny herignandro, vao niposaka ny masoandro dia nankaigny am-pasagna zareo. 3 Dia nifagnontany zareo hoe: Iza edy ma no hiangaventsika hagnakodia ny varavarampasagna? 4 Rehefa nianga igny zareo dia nahita ilay vato be efa voakodia. 5 Nitsofoka tagnaty fasagna takao zareo dia nahita gaogna iraika lahy nagnano akanjo fotsy niantotra tan-kavananjareo takeo, ka natahotra zareo. 6 Fa hozy ilay gaogna taminjareo: Aza matahotra avy ianareo, Jesoa avy aigny Nazareta izay nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana no karahinareo. Tsy akato intsony Izy fa efa nitsangana. Jerevo fa taketo ny toerana nametrahana Ananjy. 7 Mandehana taravo ny mpianany sy Petera fa mialôha lalana anareo aigny Galilia Izy. Aigny no hahitanareo Ananjy araka ilay efa notaraviny taminareo.
8 Dia nivoaka avy tagnaty fasagna zareo sady nilefa, ary nangitakitaka no sady natahotra. Tsy nitantara na inona na inona tamin’ôlona zareo satria natahotra.
9 Tamin’ny ampôlakiakan’ny andro voalôhany amin’ny herignandro, rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesoa, dia i Maria Magdalena ilay namoahany demonia fito igny no niboagnany voalôhany. 10 Dia lasana Maria nandeha nitantara ny raha nitranga tamin’ny mpagnara-dia an’i Jesoa izay mbôla nisaona sy nitomagny. 11 Na dia efa regninjareo aza fa velona Jesoa sady efa hitan’i Maria dia mbôla tsy ninoanjareo ihany.
12 Tafaran’izay, dia nisy roa lahy tamin’ny namany niboagnan’i Jesoa tamin’ny endrika hafa tamin’ny zareo ho aigny ambanivohitra. 13 Zareo roa lahy ireo koa dia nandeha nitantara tamin’ny namany hafa nefa mbôla tsy ninoanjareo koa.
14 Afaka igny indray dia niboagna tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy Izy, tamin’ny zareo tam-pihinana. Dia nagnadidy be anjareo Izy noho ny tsy finoanjareo sy ny hamafisan-dôhanjareo satria tsy ninoanjareo na dia izay efa nahita Ananjy nitsangana tamin’ny maty aza. 15 Dia hozy taminjareo: Mandehana aigny amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Tarea Maharavo amin’ny ôlona dahôlo. 16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mety mino no hohelohina. 17 Dia izao no marika hamantarana izay mino: Handroaka demonia amin’ny Agnarako izy, hitarea amin’ny fitaravana mbôla tsy ary hainy izy, 18 handray bibilava izy, ary na dia misotro raha mahafaty aza izy dia tsy hampagnino ananjy avy izany, hametra-tagnana amin’ny marary izy dia ho sitragna iregny.
19 Rehefa avy nivolagna taminjareo Jesoa Tômpo dia nampiakarina ho aigny an-dagnitra ka mentòtra akeo ankavagnan’Andriamagnitra. 20 Fa zareo ireo kosa dia lasana nitoriteny eraky ny tany dahôlo, ary niara-niasa taminjareo ny Tômpo ka nagnamarina ny teniny tamin’ny famantarana isankarazagny. Amena.