Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesoa
15
Rehefa keka ny andro, dia nikaon-dôha ny mpisorognabe sy ny loholona ary ny mpampianadalàna mbaraky ny Sinedriona dahôlo, dia notadianjareo Jesoa; avy akeo nindesinjareo Izy ka natolony an’i Pilato.2 Dia nagnadina Ananjy Pilato hoe: Mpanjakan’ny Jiosy ma Ianao? Dia novalian’i Jesoa hoe: Voalazanao. 3 Nagnasoketa Ananjy tamina raha betsaka be ny mpisorognabe. 4 Dia nagnadina Ananjy indraika indray Pilato hoe: Karaha tsy mamaly ma Ianao? Zahavo ny habetsahan-draha Simonahagnasoketan’ny ôlona Anao. 5 Dia tofokaty Pilato satria tsy namaly na dia indraim-bava Jesoa.
Ny nagnamelohana an’i Jesoa ho faty
6 Fataon’i Pilato isaky ny fetin’ny Paka ny mamotsotra gadra iraika izay angatahin’ny vahoaka. 7 Tamin’izay fotoana izay dia nisy gadra iraika antsovina hoe Barabasy tam-ponja takao. Niara-nigadra tamin’ireo ôlona nampisalahoaka izay nahafaty ôlona nandritra ny salahoaka izy. 8 Dia niakatra taigny amin’i Pilato ny vahoaka ka nangataka taminanjy mbô hagnano ôhatra ny raha fataony isan-taona. 9 Nagnadina anjareo Pilato hoe: Tianareo ma raha ilay Mpanjakan’ny Jiosy no havotsotra ho anareo? 10 Fantany mbôka fa fialonana no nagnoloran’ny mpisorognabe Ananjy. 11 Fa ny mpisorognabe nagnabosibosy ny vahoaka mbô i Barabasy no havotsotr’i Pilato ho anjareo. 12 Dia hozy indray Pilato: Hataoko manakôry ma izany ilay antsovinareo hoe Mpanjakan’ny Jiosy? 13 Dia nilelalela ny vahoaka hoe: Fantsiho amin’ny kakazo fijaliana Izy! 14 Ary hozy Pilato: Ino ma ny raha ratsy nataony? Fa vao mainka zareo nilelalela mafy hoe: Fantsiho amin’ny kakazo fijaliana Izy!
15 Fa Pilato tamin’io te hahazo sitraka amin’ny vahoaka, ka dia navotsony ho anjareo i Barabasy. Jesoa indraika nasainy nomontsagnina taroka dia natolony mbô hofantsihana amin’ny kakazo fijaliana.
Nataon’ny miaramila fihomehezana Jesoa
16 Dia nindesin’ny miaramila tan-kotanin’ny lapa Jesoa, ary navorinjareo dahôlo ny miaramila namany. 17 Dia nampitafianjareo lamba volomparasy Izy sady nampisatrohanjareo satroka tsilo voarary. 18 Avy takeo noarahabainjareo Izy hoe: Arahaba ry Mpanjakan’ny Jiosy! 19 Novelesinjareo tamin’ny bararata ny lôhany ary nororanjareo Izy, sady niankotra tagnatrehany zareo. 20 Rehefa avy nataonjareo fihomehezana Izy dia nalanjareo Taminanjy ilay lamba volomparasy ka nampagnaovinjareo Ananjy indray ny akanjony, ary nindesinjareo hofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana Izy.
Nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana Jesoa
21 Nisy lehilahy iraika avy aigny Kirena, antsovina hoe Simona, rain’i Aleksandrô sy Rofosy, tan-dalana avy an-tsaha noteren’ny miaramila hilanja ny kakazo fijalian’i Jesoa.
22 Dia nindesinjareo taigny Golgota Jesoa. Ikarandôha no dikan’io Golgota io. 23 Nisy nagname divay miharo miora Izy nefa tsy nety nisotro. 24 Ary nofantsihanjareo tamin’ny kakazo fijaliana Izy dia nataonjareo ankitsapaka ny akanjony hahaizany izay ho anjaran’ny tsiraikaraika. 25 Tokotokony tamin’ny sivy maraina no namantsihanjareo Ananjy tamin’ny kakazo fijaliana. 26 Nataonjareo tagnambony ny soratra milaza ny raha nagnamelohanjareo Ananjy hoe: NY MPANJAKAN’NY JIOSY.
27 Dahalo roalahy no nofantsihana niaraka Taminanjy, ny iraika avy tan-kavagnany ary ny iraika avy tan-kaviany. 28 Dia tanteraka ny Soratra Masina magnano hoe: “Natao agnisan’ny mpanota Izy” (Isa 53.12).
29 Nagnasaha Ananjy sady nagnifikifi-dôha izay ôlona nomba takeo ka nitarea hoe: Nanjary Anao! Ianao mitarea fa maharava ny tempoly sy mahatsangana an’izany agnatin’ny telo andro, 30 vonjeo ny aignanao ka midìgna avy amin’io kakazo fijaliana io! 31 Dia nanarabiraby Ananjy ôhatra izany koa sefon’ny mpisorogna mbaraky ny mpampianadalàna hoe: Vitany ny namonjy ny hafa kanefa tsy vitany ny mamonjy ny aignany! 32 Avilay Kristy, Mpanjakan’ny Israely hidigna avy amin’ny kakazo fijaliana mbô ho hitantsika ka hinoantsika Ananjy. Ary nagneso Ananjy koa ireo niaraka nofantsihana Taminanjy takeo.
Ny nahafatesan’i Jesoa
33 Nanomboka tamin’ny roa ambin’ny folo atoandro ka hatramin’ny telo folakandro dia nanjary maizigna ny tany dahôlo. 34 Rehefa tokotokony ho tamin’ny telo folakandro dia nikoka mafy Jesoa hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? (Dikan’izany dia hoe: Ô Andriamagnitra! Ô Andriamagnitra! Nagnino ma Ianao nahafoy Anahy?) (Sal 22.1).
35 Nisy tamin’ny ôlona sanagny nagnatrika takeo, rehefa naharegny an’izany dia nitarea hoe: Magnantso an’i Elia ilay Zalahy io! 36 Dia nisy ôlona iraika nihazakazaka nandeha naka epaonza ka natsobony tagnaty vinaigira izany ary nafatony tamin’ny tendron’ny bararata ka nampitsitsefiny an’i Jesoa. Ary hozy: Avilay hojerena raha ho avy hampidigna Ananjy i Elia na tsia. 37 Dia nihaika mafy Jesoa ary tapitra ny aignany.
38 Dia triatra nizara roay avy tagnambo ka hatraigny ampidigna ny efitra lamba takao amin’ny tempoly. 39 Rehefa nahita ny fomba nahafatesan’i Jesoa ilay kapiteny Romana nitsangana talôhany takeo, dia nitarea hoe: Tegna Zanak’Andriamagnitra marina tokoatrany io lehilahy io!
40 Nisy vehivavy nitazan-davitra ka agnisan’izany Maria Magdalena sy Salome ary Maria renin’i Jakoba kely sy Josesy. 41 Efa nagnaraka sy nanompo an’i Jesoa zareo ireo letry Izy mbôla taigny Galilia. Nisy vehivavy maro hafa koa niaraka niakatra Taminanjy ho aigny Jerosalema.
Ny nandevegnana an’i Jesoa
42-43 Rehefa hariva ny andro dia tonga Josefa avy Arimatia. Agnisan’ny lehilahy manan-kaja amin’ny Sinedriona izy ary nandigny ny fanjakan’Andriamagnitra koa. Fiomagnana tamin’izay, izany hoe ny andro mialôhan’ny Sabata. Dia nahasahy nangataka ny fatin’i Jesoa tamin’i Pilato izy. 44 Dia tofoka Pilato naharegny fa maty sahady Jesoa, dia nagnantso ny kapiteny izy hagnadinany raha efa ela no maty Izy. 45 Rehefa naharegny tamin’ilay kapiteny izy fa maty tokoatrany Jesoa, dia nameny an’i Josefa ny fatiny. 46 Dia nividy lamba vita tamin’ny hariry madinika Josefa. Ary nampidigniny avy tambonin’ny kakazo fijaliana ny fatin’i Jesoa ka nofognosiny tamin’ilay lamba, ary nalevigny takao amin’ny fasagna izay vatolampy nolavahana. Dia nanakodia vato takeo amin’ny varavaram-pasagna izy. 47 Nojeren’ery Maria Magdalena sy Maria renin’i Josesy tsara izay nametrahan’i Josefa ny fatin’i Jesoa.