Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesoa
27
Rehefa keka ny andro, dia nikaon-doha ny sefon’ny mpisorogna dahôlo sy ny loholona hiampanga sy hamono an’i Jesoa. 2 Dia notadianjareo Izy, avy akeo natolony an’i Pilato governora.Namono tegna Jodasy
3 Rehefa hitan’i Jodasy, ilay namadika Ananjy, fa nohelohina Jesoa dia nanegnina izy ary naverigny tamin’ny sefon’ny mpisorogna sy ny loholona ny sekely volafotsy telopolo 4 sady hozy: Tsy nanjary ny raha nataoko satria namadika ôlo-marina izaho. Dia hozy zareo: Tsisy iraharahinay an’izany! 5 Dia natsipin’i Jodasy takao an-tempoly ny vola ary lasana nandeha izy ka nagnanto-tegna.
6 Notsimponin’ny sefon’ny mpisorona ny vola ka hozy: Tsy manjary arotsaka amin’ny rakitry ny tempoly ity satria vidin-drà. 7 Rehefa nikaon-doha zareo dahôlo, dia nividianany sahan’ny mpanefy vilany ny vola mbô ho atao fandevegnam-bahiny. 8 Izany no agnantsôvana izany saha izany hoe “Sahandrà”. 9 Ary tanteraka tamin’izany ny raha nampivolagnina an’i Jeremia mpagnazary hoe: “Dia nalainy ny volafotsy telopolo, sandan’ilay notombagnan’ny Zanak’Israely, 10 ka nameny hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany izany, araka izay nandidian’NY TÔMPO anahy” (Jer 18.2; Zak 11.13).
Nagnadina an’i Jesoa i Pilato
11 Dia nitsangana tagnatrehan’i governora Jesoa ary nadininy hoe: Mpanjakan’ny Jiosy ma Ianao? Hozy Jesoa: Voalazanao. 12 Ary nampangain’ny sefon’ny mpisorogna sy ny loholona Izy fa tsy namaly avy. 13 Dia hozy Pilato: Tsy regninao ma izany fiampangana Anao izany? 14 Kanefa tsy namaly Izy na dia indraimbava aza, dia tofoka ny governora.
Ny nagnamelohana an’i Jesoa ho foaty
15 Raha fataon’ny governora ny mandefa gadra iraika araka izay manjary amin’ny vahoaka rehefa fetin’ny paka. 16 Ary tamin’izay fotoana izay dia nisy gadra malaza atao hoe [Jesoa] Barabasy. 17 Dia nadinin’i Pilato ny ôlona vory takeo hoe: Iza ma no tianareo halifako ho anareo: [Jesoa] Barabasy sa Jesoa izay antsovina hoe Kristy? 18 Hainy tsara mbôka fa fialonana no nanoloranjareo Ananjy.
19 Nandritra ny fotoana nipetrahan’i Pilato takeo amin’ny fitsarana, dia naniraka ôlona handeha aminanjy ny vadiny hitarea hoe: Aza magnano n’inona n’inona an’izany Lehilahy marina izany satria nampijaly anahy loatra ny nanofisako Ananjy nigniany.
20 Kanefa nitaona ny vahoaka ny sefon’ny mpisorona mbaraky ny lohôlona mbô hangataka an’i Barabasy ary hamono an’i Jesoa. 21 Dia nadinin’ny governora zareo hoe: Iza ma no tianareo alifako ho anareo amin’izy roalahy? Dia hozy zareo: Barabasy. 22 Dia hozy indray Pilato: Akôry ma izany ny hataoko an’i Jesoa, izay atao hoe Kristy? Hozy zareo dahôlo hoe: Alay Izy homboana amin’ny kakazo fijaliana. 23 Hozy ny governora: Ino ma ny ratsy nataony? Vao mainka nivazavaza zareo dahôlo hoe: Alay Izy hofantsihana amin’ny kakazo fijaliana!
24 Rehefa hitan’i Pilato fa tsy nisy n’inona n’inona azony natao, ary vao mainka ny ôlona nivazavaza, dia nialaka rano izy ka nanasa tanana tagnatrehan’ny vahoaka sady nitarea hoe: Afaka amin’ny ran’ity lehilahy ity izaho, fa asanareo. 25 Fa namaly dahôlo ny ôlona: Avilay aminay sy ny zanakay ny rany. 26 Dia nalifany ho an’ny ôlona i Barabasy, fa i Jesoa kosany nasainy nokaravasiana ary natolony hohomboana tamin’ny kakazo fijaliana.
Nataon’ny miaramila ho fihomehezana Jesoa
27 Ary nindesin’ny miaramilan’ny governora tan-kotany ny lapa Jesoa sady navoriny taminanjy takao ny miaramila namany dahôlo. 28 Nalany ny akanjon’i Jesoa dia nampitafiany lamba miloko mena midorehitra Izy. 29 Nandrandrana satroka tsilo zareo dia nasatrogny ny lôhany, ary nampitazoniny bararata ny tanany ankavagnana; niankotra tagnatrehany zareo sady nanarabiraby Ananjy hoe: “Arahaba ry Mpanjakan’i Jiosy!” 30 Dia nororany Jesoa, avy akeo nalainy ilay bararata, dia novelesiny ny lôhany. 31 Rehefa avy nanarabiraby Ananjy zareo, dia nalany ilay lamba nampitafiany Ananjy, dia nampagnaoviny Ananjy indray ny akanjony. Avy akeo dia nindesiny mbô hofantsihana amin’ny kakazo fijaliana Izy.
Nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana Jesoa
32 Rehefa tafavoaka ny tanàna zareo dia nifanena tamina lehilahy iraika avy aigny Kirena, antsovina hoe Simona, ary noterenjareo izy hilanja ny kakazo fijalian’i Jesoa. 33 Rehefa tonga taigny amin’ny tany Golgota izay antsovina hoe: Ikarandôha Izy, 34 dia nampisotroin’ny miaramila divay mifangaro afero; ka rehefa nandramany izany dia tsy nety nisotro Izy. 35 Avy akeo dia nofantsihany tamin’ny kakazo fijaliana Jesoa, dia nataonjareo ankitsapaka ny fizarana ny akanjony. 36 Dia niantotra ka niambina Ananjy takeo zareo.
37 Nataonjareo tagnambon’ny lôhany takeo ny soratra milaza ny fanamelohana Ananjy hoe: ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JIOSY.
38 Nisy jiolahy roa nofantsihana niaraka tamin’i Jesoa tamin’ny kakazo fijaliana takeo an-daniny roa: tankavagnany sy tankaviany.
39 Nagnasaha Ananjy sady nagnifikifi-dôha izay ôlona nomba takeo ka nitarea hoe: 40 Ianao mitarea fa maharava ny tempoly sy mahatsangana an’izany agnatin’ny telo andro, vonjeo ny aignanao. Raha zanak’Andriamagnitra Ianao dia midigna akeo amin’ny kakazo fijaliana akeo.
41 Dia mbô nanarabiraby ohatra an’izany koa ny sefon’ny mpisorona mbaraky ny mpampiana-dalàna sy lohôlona ka nitarea hoe: 42 Vitany ny namonjy ny sanagny fa tsy vitany ny namonjy ny aignany. Izany ma ny Mpanjakan’ny Israely? Raha izao Izy no midigna avy akeo amin’ny kakazo fijaliana dia hino Ananjy izahay. 43 Natoky an’Andriamagnitra Izy, ka raha ankasitrahan’Andriamagnitra edy Izy dia hovonjeny, fa hozy mbôka hoe: “Zanak’Andriamagnitra Izaho.” 44 Dia nagnasaha Ananjy ohatra an’izany koa ireo jiolahy nofantsihana niaraka Taminanjy tamin’ny kakazo fijaliana.
Ny nahafatesan’i Jesoa
45 Nanomboka tamin’ny roa ambin’ny folo atoandro ka hatramin’ny telo folakandro dia nanjary maizigna ny tany dahôlo. 46 Rehefa tokotokony ho tamin’ny telo folakandro dia nikoka mafy Jesoa hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? (Dikan’izany dia hoe: Ô Andriamagnitra! Ô Andriamagnitra! Nagnino ma Ianao nahafoy Anahy?) (Sal 22.1).
47 Nisy tamin’ny ôlona sanagny nagnatrika takeo, rehefa naharegny an’izany dia nitarea hoe: Magnantso an’i Elia ilay Zalahy io. 48 Avy takeo tonga dia nihazakazaka ny iraika taminjareo ka nandray epaonza, rehefa avy natsobony tagnaty vinaigira izany dia nafatony tamin’ny tendron’ny bararata ka nampitsitsefiny an’i Jesoa. 49 Ny ôlona hafa indray nitarea hoe: Avilay edy ma hojerentsika raha hamonjy Ananjy Elia na tsia. 50 Dia nihaika mafy Jesoa ary tapitra ny aignany.
51 Ary triatra nizara roay avy tagnambo ka hatraigny ampidigna ny efitra lamba takao amin’ny tempoly, nisy horohorontany mafy ka nitresaka mbaraka vatolampy; 52 dia nivoha ny fasagna ka betsaka ny ôlona masina efa maty no natsangana. 53 Tafaran’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nivoaka avy tagnaty fasagna zareo ireo ary namonjy ny Tanàna Masinaa ka niboagna tamin’ny ôlona betsaka.
54 Raha hitan’ny kapiteny sy ireo miaramila mpiambina an’i Jesoa, ny horohorontany mbarak’izay raha nitranga takeo, dia natahotra mafy zareo ka nitarea hoe: Tegna Zanak’Andriamagnitra marina tokoatrany io lehilahy io.
Ny nandevenana an’i Jesoa
55 Dia nisy vehivavy betsaka nitazan-davitra ny raha nitranga; nagnaraka an’i Jesoa sy nanompo Ananjy hatrakaigny Galilia zareo. 56 Tagnatin’izany i Maria Magdalena sy Maria renin’i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ny zanak’i Zebedio
57 Rehefa hariva ny andro, dia nisy lehilahy mpanankarena iraika antsovina hoe Josefa tonga takeo; avy aigny Arimatia izy ary agnisan’ny mpianatr’i Jesoa koa. 58 Nandeha takao amin’i Pilato izy ary nangataka ny fatin’i Jesoa. Dia nasain’i Pilato namena ananjy izany. 59 Dia nialaka ny fatin’i Jesoa i Josefa, ka nofonosiny lamba vita tamin’ny hariry madinika madio 60 ary nalevigny takao amin’ny fasany, izay vatolampy nolavahana, ary tsy mbôla nandevegnana ôlona. Rehefa avy nakodiany takeo amin’ny varavarampasagna ny vatobe dia lasana izy nandeha. 61 Tamin’izay fotoana izay dia nentotra tandrifin’ny fasagna takeo Maria Magdalena sy Maria iraika.
Nasaina nambesana ny fasagna
62 Ny amaraignan’ny andro fiomagnana ho amin’ny Sabata, dia niaraka nankaigny amin’i Pilato ny sefon’ny mpisorona sy ny Fariseo 63 ka nitarea taminanjy hoe: Tadidinay tompoko fa tamin’ny mbôla fahavelon’iny mpamitaka iny dia nitarea Izy hoe: Hitsangana Izaho afaka telo andro. 64 Hafaro tsara ny miaramila hiambina mafy ny fasagna mandra-pahatongan’ny andro fahatelo, fa sao dia tonga akeo ny mpianany hangalatra Ananjy, ary hitarea amin’ôlona hoe: Efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ka ho ratsy lavitra mandombolombon’ilay tamin’ny voalôhany izany fitaka izany. 65 Hozy Pilato: Mandehana mialaka mpiambina dia ambeso mafy araka izay manjary aminareo ny fasagna. 66 Dia niala takeo amin’i Pilato zareo ka nanisy fitomboka ny vato ary nasainy nambesan’ny miaramila ny fasagna.