Ny tetidratsy hamonoana an’i Jesoa
26
Rehefa avy nitarea an’izany raha dahôlo izany Jesoa, dia hozy tamin’ny mpianany: 2 Hainareo fa indroay andro sisa dia tonga ny Paka, ary hatolotra homboana amin’ny kakazo fijaliana ny Zanak’Ôlona.
3 Tamin’izany fotoana izany dia nivory tan-kotanin’i Kaiafa Mpisorognabe ny lôhandôhan’ny mpisorona sy ny lôhôlona. 4 Dia niray tetika ny hagnamborana am-pitaka an’i Jesoa zareo mbô hamonoany Ananjy. 5 Kanefa hozy zareo: Tsy amin’ny andro fety no hagnanaovana izany, sao dia misalahoaka ny ôlona.
Ny nagnosorana diloilo magnitra an’i Jesoa ta-Betania
6 Rehefa ta-Betania, tan-dragnon’i Simona boka, Jesoa 7 dia nisy vehivavy iraika avy nagnatogna Ananjy, nitondra tavoahangy alabastaraa feno diloilo magnitra sarobidy. Dia nararagny tan-tampon-dôhan’i Jesoa ny diloilo magnitra rehefa niantotra nihinana Izy. 8 Sosy ny mpianatra nahita an’izany ka nagnano hoe: Ino ma izany no anton’izao fandanindaniam-poagna izao? 9 Manjary amidy lafo igny dia hamena ny ôlona sahiragna ny vidiny.
10 Hain’i Jesoa ny raha nataonjareo dia hozy: Magnino ma ianareo magnano raha mampalahelo an-dravehivavy? Raha tsara kony anie no nataony Taminahy takeo e! 11 Akeo aminareo akeo foagna ny ôlona sahiragna, fa Izaho kosa tsy mbô aketo aminareo foagnany. 12 Nararany Taminahy ny diloilo magnitra mbô hagnomagnana ny fandevenana Anahy. 13 Taraviko marina aminareo: Ho tantaraina foagna ny raha nataon’ity vehivavy ity, mbô ho fahatsiarovana ananjy, na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny Tarea Maharavo.
Naneken’i Jodasy hamadika an’i Jesoa
14 Nankao amin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna i Jodasy Iskariota, iraika taminjareo roa ambin’ny folo lahy, 15 dia hozy: Ohatrino ma hamenareo anahy hagnolorako Ananjy aminareo? Dia nandanja sekela volafotsy telopolo zareo hamena ananjy. 16 Nanomboka takeo Jodasy dia nikaraka andro hahazoany manolotra an’i Jesoa.
Nasain’i Jesoa nomagnin’ny mpianany ny Paka
17 Tamin’ny andro voalôhany fankalazana ny fihinanana ny mofo tsisy lalovaigna, dia nagnatona an’i Jesoa ny mpianatra ka nagnontany Ananjy: Akaiza ma ny tianao hanomagnanay ny Paka? 18 Dia hozy: Mandehana aigny an-tanàna, aigny amin’ny lehilahy iraika, dia taravo aminanjy: ‘Efa antomotra ny androko,’ hozy Ramose. ‘Akato aminao Izaho sy ny mpianatro no hihinana amin’ny Paka.’ 19 Dia nagnano izay nasain’i Jesoa natao ny mpianatra ary nikarakara ny Paka.
20 Rehefa hariva ny andro dia niantotra nihinana Jesoa mbaraky ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy.
Ny nitaravan’i Jesoa fa hisy hamadika Ananjy
21 Raha mbôla tam-pihinana zareo, dia hozy Jesoa: Taraviko aminareo tsarabe fa hamadika Anahy ny iraika aminareo ireo. 22 Tegna nalahelo zareo, ka nifandimby nagnadina Ananjy: Ô Ramose! Sao dia mbô izaho ma izany? 23 Hozy Jesoa: Izay niara-nagnatsoboka ny tagnany Taminahy tagnaty vilia no hanolotra Anahy. 24 Ny Zanak’Ôlona dia mandeha araka izay voasoratra mikasika Ananjy; fa ho azon-draha izay ôlona mahavita manolotra Ananjy! Tsara ho an’izany ôlona izany avy no tsy ary. 25 Dia hozy Jodasy, ilay hanolotra Ananjy: Izaho ma izany, Ramose? Dia hozy Jesoa: Ianao mihitsy.
Ny nagnorenana ny Fanasan’ny Tômpo
Mar 14.18-21; Lio 22.15-20; 1 Kor 11.23-26
26 Raha mbôla tam-pihinanana zareo, dia nandray mofo Jesoa. Rehefa avy nagnano vavaka fisaorana Izy dia nopilahany ny mofo ka nozarainy tamin’ny mpianatra. Dia Hozy: Raiso! Hohano! Ity no tegnako. 27 Avy takeo dia noraisiny ny kalisy. Rehefa avy nisaotra Izy, dia natolony anjareo izany, dia Hozy: Misotroa amin’ity ianareo dahôlo. 28 Ity no rako, izay fagnekena vaovao alatsaka ho an’ny ôlona betsaka be mbô ho famelan-keloka. 29 Taraviko aminareo fa dimitry nigniany Izaho dia tsy mbô hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony mandra-pihavian’ny andro hiarahako misotro ny vaovao aminareo aigny amin’ny fanjakan’ny Raiko.
Ny nitaravan’i Jesoa fa hilaza tsy hahay Ananjy Petera
30 Rehefa avy nihira fiderana zareo dia nankaigny an-tampon-tanety Oliva.
31 Dia hozy Jesoa taminjareo: Ho tafitohina noho ny Aminahy ianareo dahôlo nigniany alina. Fa voasoratra hoe:
“Hamono ny mpiambina Izaho,
dia hipareka ny ondry ambesana” (Zak 13.7).
32 Fa rehefa mitsangana amin’ny maty Izaho, dia hialôha anareo aigny a-Galilia.
33 Dia hozy Petera Taminanjy: Na dia hiala Aminao dahôlo aza ny ôlona, izaho indray tsy mbô hiala Aminao izany! 34 Hozy Jesoa taminanjy: Taraviko aminao tsara be fa nigniany alina, mbôla tsisy akoho magneno avy, dia handà Anahy in-telo ianao. 35 Hozy indray Petera: Na dia hiaraka maty Aminao aza izaho dia tsy handà Anao izany mihitsy. Dia samby nitarea sahala an’izany dahôlo ny mpianatra.
Ny vavaka nataon’i Jesoa ta-Getsemane
36 Dia nandeha Jesoa mbaraky ny mpianany ka tonga tamin’ny saha iraika antsovina hoe Getsemane. Ary hozy tamin’ny mpianany: Mentòra aketo malôha ianareo fa mbôla handeha hivavaka Izaho. 37 Dia nindesiny nagnaraka Ananjy ery Petera mbarak’izy roalahy zanak’i Zebedio sady amin’izay nangorohoro sy nitebiteby Izy. 38 Hozy taminjareo: Fadiranovana loatra ny fagnahiko, sahala ny efa ho foaty; mentòra aketo ka miaraha miari-tory Aminahy. 39 Rehefa lasana lavidavitra Izy, dia nenkohoka ka nivavaka hoe: Ô Dadaiko! Raha mety Aminao, dia alao Aminahy ity kapôaka ity; kanefa tsy ny sitrapoko edy no hatao fa ny Anao. 40 Avy takeo dia nagnatona ny mpianatra Izy, ka nahita anjareo natory; dia Hozy tamin’i Petera: Hay ma ianareo tsy mahadigny miari-tory miaraka Aminahy na dia adin’ny iraika foagnany avy? 41 Miareta tory sy mivavaha mbô tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo; ny fagnahy mety ihany fa ny aigna no malemy. 42 Dia nihataka fanindrôany indray Jesoa ary nivavaka hoe: Ô Dadaiko! Raha tsy manjary alàna ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia alay ny sitraponao no hatao. 43 Rehefa niverigna Izy, dia nahita anjareo matory satria efa nilondolondo ny masonjareo. 44 Dia nandao anjareo Izy, ka lasa nivavaka fanintelony indray koa ary ilay tareany takeo fôagnany no naverigny. 45 Avy takeo dia niverigna nankeo amin’ny mpianatra Izy sady Hozy: Matoria amin’izay, mangalà aigna. Efa antomotra ny lera. Hatolotra akeo an-tagnan’ny mpanota ny Zanak’ôlona. 46 Mitsangàna! Andao amin’izay fa efa akaiky akao ilay ôlona mamadika Anahy.
Ny nagnamborana an’i Jesoa
47 Raha mbôla tam-pitenenana igny Jesoa, dia avy Jodasy iraika tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, mbarak’ireo vahoaka betsaka izay nitondra antsibe sy kibay, nirahin’ireo lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny loholona. 48 Ary ilay hamadika an’i Jesoa efa nagnatoro anjareo mialôha ny raha hahafantarana Ananjy ka niteny hoe: Izay hataoko bàkely no Izy ka sambory. 49 Takeo no akeo dia nagnatona an’i Jesoa izy ka niarahaba Ananjy hoe: Manahoana Rabyb! Dia nagnano bàkely Ananjy izy. 50 Hozy Jesoa: Ô raôlona! Ataovy izay antony nahatongavanao aketo. Dia nagnatona ny ôlona ka nagnambotra an’i Jesoa ary nitazona Ananjy.
51 Nisy iraika tamin’ireo niaraka tamin’i Jesoa nanatsotra ny tagnany dia nanatsôaka ny sabany ary nikapa ka nahafaka ny sofin’ny gaognan’ny mpisorognabe. 52 Fa hozy Jesoa: Avereno amin’ny toerany ny antsibenao; izay ôlona mandramby antsibe dia hofoaty amin’ny antsibe. 53 Heverinao ma fa tsy afaka hangataka amin’ny Raiko Izaho dia handefa anjely maherin’ny roa ambin’ny folo legiona Izy haketo Aminahy izao? 54 Manakôry ma no hahatanterahan’ny Soratra Masina raha izany no miboagna satria voasoratra fa tsy maintsy ho avy izany?
55 Tamin’izany fotoana izany dia hozy Jesoa tamin’ny vahoaka: Hagnambotra Anahy ma ianareo dia mitondra antsibe sy kibay ôhatry ny hagnambotra dahalo? Nampianatra taminareo tan-kianjan’ny Tempoly takeo foagna Izaho isan’andro, nefa tsy nagnambotra Anahy ianareo. 56 Kanefa avy izany raha dahôlo izany mbô hahatanteraka izay voasoratry ny ampanazary.
Dia nandao Ananjy ny mpianatra dahôlo ka nilefa.
Ny nitsaran’ny Sinedriona an’i Jesoa
57 Dia nindesin’ireo ôlona nagnambotra Ananjy taigny amin’i Kaiafa Mpisorognabe Jesoa, nivory takaigny mbôka ny mpampiana-dalàna sy ny loholona. 58 Ary nagnaraka Ananjy ta-lavidavitra Petera, hatraigny ankontanin’ny Mpisorognabe. Niditra izy dia niantotra niaraka tamin’ny mpiambina mbô hizahany izay ho tohiny.
59 Dia nikaraka raha hagnendrikendrehana an’i Jesoa mbô hamonoany Ananjy ireo lôhandôhan’ny mpisorona mbaraky ny Sinedriona dahôlo; 60 kanefa tsy nahita zareo na betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga takeo. Tamin’ny farany dia nisy gaogna roalahy tonga takeo, nagnano hoe: 61 Hozy lezalahy io: ‘Haiko ny mandrodana ny tempolin’Andriamagnitra sy manangana an’izany agnatin’ny telo andro.’ 62 Dia nitsangana ny Mpisoronabe ka nitarea tamin’i Jesoa hoe: Tsisy havaly ma izany Ianao? Ino ma ny antony nitorianjareo Anao? 63 Kanefa nangina Jesoa. Dia hozy ny Mpisorognabe Taminanjy: Asaiko mianiana amin’Andriamagnitra velona Ianao hilaza aminay raha ôhatra ka Ianao tokoatrany no Kristy, Zanak’Andriamagnitra. 64 Dia hozy Jesoa: Ianao no nitarea an’izany. Ary taraviko aminareo koa: Miantena amin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’Ôlona miantotra akeo ankavagnan’ny Hery sady avy aigny amin’ny rôndron’ny lagnitra. 65 Dia norovitin’ny Mpisorognabe ny akanjony ka hozy: Nagnasaha Izy! Ino koa ma no mbôla ilantsika vavolombelona? Efa regninareo ny asaha nataony. 66 Manakôry ma izany ny hevitrareo? Dia hozy zareo dahôlo: Manjary ananjy edy ny hohelohina ho foaty.
67 Ary nisy nandrora ny tarehiny, nisy namely totohondry Izy, ary ny sanagny namely tefatsofigna Ananjy 68 sady nagnano hoe: Ô Kristy! Vinagnio, iza ma ny namely Anao takeo?
Ny nandavan’i Petera an’i Jesoa
69 Ary niantotra takeo ivelany, tankotany i Petera; dia nisy gaogna vehivavy iraika nagnatona ka nagnano taminanjy hoe: Ianao koa niaraka tamin’i Jesoa, ilay Galiliana. 70 Fa nandà takeo anatrehanjareo dahôlo izy ka hozy: Tsy haiko avy izany raha taravinao izany. 71 Dia lasa nankaigny am-bavahady izy, ary nisy gaogna vehivavy iraika koa nahita ananjy dia nitarea tamin’ny ôlona takeo hoe: Niaraka tamin’i Jesoa avy aigny Nazareta ity lehilahy ity. 72 Dia mbôla nandà foagna izy ka nianiana hoe: Tsy haiko izany lehilahy izany. 73 Kelikely avy takeo dia nagnatona an’i Petera ny ôlona izay nijanona takeo ka nagnano taminanjy hoe: Tena marina tokoatrany fa naman’iregny ianao; ny fitaravanao no miampanga anao. 74 Dia nanomboka niozona sy nianiana izy hoe: Tsy haiko avy izany Lehilahy izany. Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.
75 Tamin’izay dia azon’i Petera onogna ny raha notaravin’i Jesoa taminanjy hoe: Mbôla tsy hagneno avy ny akoho dia efa handà Anahy in-telo anao. Dia lasa nivoaka taigny ivelan’ny vavahady izy ka nigalalioka nitomagny.