Ny nisamborana an’i Jesoa
18
Tafaran’izay,
Jesoa mbaraky ny mpianany dia nandeha nitsaka ny lohasaha Kidrona;
dia tonga takeo amin’ny saha iraika zareo ka nitsofoka takao.
2 Nahafantatra an’io toerana io koa i Jodasy,
ilay hamadika Ananjy satria fandihanan’i Jesoa sy ny mpianany matetika akao.
3 Ary tonga takao amin’ilay saha i Jodasy,
niaraka tamina andiana miaramila romana sy ny sanagny tamin’ireo mpiambina ny tempoly izay nalifan’ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny Fariseo;
ary nindesinjareo ny harendrina sy fanala ary fitaovana findesina miady.
4 Efa nahafantatra ny raha dahôlo hahazo Ananjy Jesoa ka nagnatogna ary nagnadina anjareo hoe:
Iza ma no tadiavinareo?
5 Dia hozy zareo:
Jesoa avy aigny Nazareta.
Ary hozy Jesoa:
Izaho izany.
Takeo koa Jodasy,
ilay namadika Ananjy,
tamin’io.
6 Vao nitarea Jesoa hoe:
Izaho izany,
dia nihataka zareo ary lavo tamin’ny tany.
7 Dia nadignin’i Jesoa fanindroany zareo hoe:
Iza ma no tadiavinareo?
Dia hozy zareo:
Jesoa avy aigny Nazareta.
8 Ary hozy Jesoa:
Efa notaraviko taminareo fa Izaho izany;
ka raha Izaho no tadiavinareo,
dia avilay handeha ireo ôlona ireo;
9 mbô hahatanteraka ilay tarea hoe:
Tsy nasiako very na dia iraika avy aza izay namenao Anahy.
10 Ary Simona Petera nanagna sabatra,
dia navoakany ilay izy ka nokapainy tamin’iny ny sofigna ankavagnanan’ny gaognan’ny Mpisorognabe dia niala.
Malko no agnaran’io gaogna io.
11 Dia hozy Jesoa tamin’i Petera:
Akajio akao agnatin’ny tragnony ny sabatrao.
Tsy hisotro ny kapoaka namen’i Raiko Anahy ma Izaho?
Ny nitsarana an’i Jesoa tamason’i Anasy
12 Ary nagnambotra an’i Jesoa ka namatotra Ananjy ireo andiana miaramila sy ny sefony ary ireo mpiambina ny tempolin’ny Jiosy.
13 Dia nindesinjareo tamin’i Anasy rafozagn’i Kaiafa malôha Izy;
Kaiafa mbôka no Mpisorognabe tamin’izany taona izany.
14 Kaiafa ilay nagname lôha anjareo Jiosy hoe:
Manjary ny fahafatesan’ny ôlona iraika mbô hamonjena ny firenena.
Ny nandavan’i Petera ny maha mpianatr’i Jesoa ananjy
15 Ary Simona Petera sy ny mpianatra iraika dia nagnaraka an’i Jesoa;
hain’ny Mpisorognabe io mpianatra iraika io,
ary niaraka niditra tamin’i Jesoa tan-kotanin’ny Mpisorognabe izy.
16 Fa i Petera dia nanangana taigny ambelany,
takaikin’ny vavahady.
Dia nivoaka ilay mpianatra fantatry ny Mpisorognabe ka nitarea tamin’ilay vehivavy mpiambina vavahady mbô hampiditra an’i Petera.
17 Dia hozy ilay vehivavy tamin’i Petera:
Ianao ity ma mbô agnisan’ny mpianatr’io Lehilahy io?
Dia hozy:
Tsy izy avy izaho.
18 Nangatsiaka ny andro tamin’io fotoana io ka namelona afona saribao ny gaogna mbaraky ny mpiambina;
ary namindro niaraka taminjareo takeo koa i Petera.
Nagnadina an’i Jesoa ny Mpisorognabe
19 Dia nagnadina an’i Jesoa tamin’ny fanontaniana samby hafa ny momba ny mpianany sy ny raha ampianariny ny Mpisorognabe.
20 Fa hozy Jesoa:
Nitarea tamason’ny ôlona dahôlo Izaho,
nampianatra foagna takao amin’ny sinagoga sy takao amin’ny Tempoly,
izay ivorian’ny Jiosy dahôlo;
ary tsy nisitrika avy Izaho rehefa nikoragna.
21 Ka magnino ma ianao no magnontany Anahy?
Anontanio izay ôlona nitaino Anahy fa hainjareo tsara izay notaraviko.
22 Rehefa avy nitarea an’izany Jesoa dia nasian’ny iraika tamin’ny mpiambina tefatsofigna izay nitsangana takeo akaikiny sady hozy:
Izany no famalinao ny Mpisorognabe?
23 Dia hozy Jesoa:
Taravo Aminahy raha ôhatra ka raha tsy manjary ny raha notaraviko takeo;
fa raha tsara kosa,
dia magnino Izaho no asianao tefatsofigna?
24 Dia nasain’i Anasy nofatorana Izy ka nalifany nankaigny amin’i Kaiafa Mpisorognabe.
Ny nandavan’i Petera indray an’i Jesoa
25 Nandritra an’izany fotoana izany dia nanangana namindro takeo Simona Petera.
Ary nisy nagnadina ananjy hoe:
Ianao ity koa ma mbô agnisan’ny mpianany?
Nefa nandà izy hoe:
Tsy izy avy izaho!
26 Fa hozy ny iraika tamin’ny gaognan’ny Mpisorognabe izay fianakavian’ilay nokapain’i Petera sofigna hoe:
Karaha ôlona efa hitako niaraka Taminanjy tagnaty saha taigny avy ianao
27 Mbôla nandà foagna Petera,
avy hatraigny dia nisy akoho nagneno.
Nitsara an’i Jesoa i Pilato
28 Vao kiaka ny andro dia nindesina niala taigny amin’i Kaiafa ho aigny amin’ny lapan’ny governora Jesoa;
fa tsy niditra tagnaty lapa zareo manampahefana Jiosy,
mbô tsy ho voaloto sy mbô hahafahany homana ny ahanin’ny Paka.
29 Dia nivoaka taminjareo tambelany takeo Pilato ka nagnadina hoe:
Ino ma izany no hiampanganareo an’io lehilahy io?
30 Dia hozy zareo taminanjy:
Ôlona magnano ratsy izy matoa indesinay atỳ aminao.
31 Ary hozy Pilato:
Indeso aigny Izy ka tsarao araka ny Lalànanareo.
Kanefa hozy zareo Jiosy:
Izahay dia tsy managna alalana hamono ôlona.
32 Niboagna izany raha dahôlo izany mbô hahatanteraka ny tarea izay notaravin’i Jesoa momba ny hahafatesany.
33 Dia niverigna tagnaty lapa Pilato ary nagnadina an’i Jesoa hoe:
Ianao ma no Mpanjakan’ny Jiosy?
34 Dia novalian’i Jesoa hoe:
Nitarea an’izany ianao satria izany tokoatrany no eritreretinao sa nisy ôlona hafa nikoragna ny momba Anahy taminao?
35 Ary namaly Ananjy Pilato:
Izaho ma Jiosy?
Ireo mpiray firenena aminao sy ireo lôhandôhan’ny mpisorogna no nitondra Anao tatỳ aminahy.
Ino ma ny raha nataonao?
36 Dia hozy Jesoa:
Tsy avy aketo amin’ny izao tontolo izao ny fanjakako;
fa raha avy aketo izany dia ho niady ny gaognako mbô tsy hagnamezana Anahy akeo an-tagnan’ny Jiosy.
Kanefa tegna tsy avy aketo amin’izao tontolo izao ny fanjakako.
37 Dia hozy Pilato Taminanjy:
Mpanjaka ma izany Ianao?
Dia hozy Jesoa:
Izany tokoatrany.
Mpanjaka Izaho!
Hagnambara ny raha marina no antony nahaterahako sy ny niaviako amin’izao tontolo izao,
ka ny ôlona dahôlo izay avy amin’ny fahamarinana dia mitaino ny raha taraviko.
38 Dia hozy Pilato:
Ino ary ny fahamarinana?
Ny nagnamelohana an’i Jesoa ho foaty
Tafaran’izany dia niverina takeo amin’ny Jiosy indray Pilato ka nitarea taminjareo hoe:
Tsy mahita antony tokony hagnamelohana Ananjy izaho na dia kitika avy aza?
39 Araka ny raha fataonareo anefa dia mamotsotra gadra iraika ho anareo izaho amin’ny Paka.
Manjary aminareo ma raha havotsotro ho anareo ny Mpanjakan’ny Jiosy?
40 Dia nagnantsoantso ny ôlona hoe:
Tsy ilay zalahy io fa Barabasy.
Kanefa Barabasy dia dahalo.