Asan’ny Apostoly
Am-piandrasana ny Fagnahy Masina
1
Ho an’i Teofilo hajaina,
Tamin’ny boky voalôhany no nanoratako ny asa natombok’i Jesoa sy ny raha nampianariny, 2 hatramin’ny andro nampiakarana Ananjy aigny an-dagnitra, rehefa nameny baiko tamin’ny alalan’ny Fagnahy Masina ny Apostoly izay nosafidiany.
3 Tafaran’ny nahafatesany, dia niseho taminjareo Izy fa velona ary betsaka ny marika hamantarana nasehony fa nitsangana tamin’ny maty Izy. Niseho taminjareo nandritry ny efapolo andro Izy ka nampianatra ny raha mikasika ny fanjakan’Andriamagnitra.
4 Nisy andro, raha niara-nihinana taminjareo Jesoa, dia namepetra anjareo hoe: Aza miala a-Jerosalema ianareo, digneso ny fagnamezana nampagnantegnain’ny Ray izay notaraviko taminareo. 5 Fa i Jaona nagnano batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fagnahy Masina izay ho raisinareo afaka andro vitsivitsy.
Ny niakaran’i Jesoa ho aigny an-dagnitra
6 Izay tafavory takeo dia nagnontany Ananjy hoe: Ô Tômpo! Amin’ity andro ity ma izany no hameregnanao ny fanjakana ho an’ny Israely? 7 Hozy Jesoa namaly anjareo: Tsy anjaranareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay notendren’ny Ray amin’ny fahefany manokana. 8 Fa hahazo hery ianareo rehefa midigna aminareo akeo ny Fagnahy Masina dia hanjary vavolombeloko ianareo aigny Jerosalema sy erak’i Jodia ary Samaria ka hatraigny amin’ny faran’ny tany.
9 Rehefa avy niteny an’izany Jesoa, dia nakarina an-dagnitra Izy. Raha mbôla nandinika Ananjy zareo dia nisy rôndro nitondra Ananjy niakatra niala tamasonjareo takeo. 10 Ary raha mbôla variana nandinika ny lagnitra zareo, dia nisy roa lahy nagnano akanjo fotsy nijangaridigna takaikinjareo teo, 11 ka hozy taminjareo: Ô ry lehilahy Galiliana! Ino no ma izany mampijanona anareo aketo mandinika ny lagnitra? Igny Jesoa izay nakarina niala taminareo ho aigny an-dagnitra igny dia mbôla hiverigna indray sahala amin’ny nahitanareo Ananjy niakatra an-dagnitra.
Ny fiombonan’ny Apostoly
12 Rehefa niala tan-tampon-tanetin’i Oliva zareo dia niverigna ta-Jerosalema. Akaikin’i Jerosalema mbôka izany tantampontanety izany ka manjary hombana amin’ny andro Sabataa.
13 Rehefa tonga tan-tanàna zareo, dia niakatra tambonin-drihanan’ny tragno nipetrahanjareo. Ireto zareo dahôlo tamin’izany: Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak’i Alfeo, Simona Zelota ary Jodasy zanak’i Jakoba. 14 Zareo dahôlo ireo dia nifagnara-tsaigna ka nahatôzo nivavaka niaraka tamin’ireo rahalahin’i Jesoa sy Maria reniny ary ireo vehivavy.
15 Tamin’izany fotoana izany dia nitsangana tampovoan’ny mpino miisa roapolo amby zato takeo ho akeo i Petera, dia hozy: 16 Ô raôlona! Tsy maintsy notanterahina ny Soratra Masina izay nampilazain’ny Fagnahy Masina an’i Davida momba an’i Jodasy. Izy dia nitarika ôlona hagnambotra an’i Jesoa. 17 Niaraka tamintsika izy ary nandray anjara tamin’izao fanompoana izao koa. 18 Nividianan’io iraikalahy io tany ny vola azony avy amin’ny fahotana; ary potraka nitsikongana izy dia vaky ny kibony ka nipoaka ary niboraka mbaraky ny tsinainy. 19 Ary fantatry ny ôlona nipetraka ta-Jerosalema izany, ka nahatonga ny agnaran’io tany io natao hoe Akeldamà araka ny fiteninjareo, na hoe Tanin-drà. 20 Fa voasoratra akao amin’ny Bokin’ny Salamo hoe:
“Avilay ho haolo ny tanànany,
avilay ho lao monina ny ôlona akao” (Sal 69.25);
ary:
“Avilay ôlon-kafa no hanolo ananjy” (Sal 109.8).
21 Araka izany, ireo misy lehilahy niaraka nihinana ny manta sy masaka tamintsika nandritry ny fiarahantsika tamin’i Jesoa Tômpo, 22 nanomboka tamin’i Jaona nagnano batisa ka hatramin’ny andro nampiakarana Ananjy niala tamintsika. Tokony hisy iraika amin’ireo ôlona ireo hiaraka amintsika hijoro vavolombelona ny amin’ny fitsanganany tamin’ny maty.
23 Ary nagnendry ôlona roay ho fidiana zareo, dia Josefa, antsovina hoe Barsabasy na Josto, sy i Matia. 24 Dia nivavaka zareo ka nagnano hoe: Ô Tômpo! Ianao mahafantatra ny fon’ny ôlona dahôlo. Atoroy anay izay ho fidinao aminjareo roalahy ireo, 25 mbô handray ny asa fanompoana maha Apostoly ananjy ka hanolo toerana an’i Jodasy izay lasana aigny amin’ny toerana sahaza ananjy aigny. 26 Dia nataonjareo ny ankitsapaka ka lany i Matia; dia izy no nanjary fagnampin’ny Apostoly iraika ambin’ny folo lahy.