Romana
Ny Tarea Maharavo taravin’i Paoly
1
Izaho Paoly, gaognan’i Jesoa Kristy, voaantso ho Apostoly sady voatokana ho amin’ny Tarea Maharavon’Andriamagnitra no manoratra an’ity taratasy ity. 2 Efa nampagnantegnain’Andriamagnitra tamin’ny alalan’ny mpagnazary takao amin’ny Soratra Masina io Tarea Maharavo io. 3 Izany dia mitarea momba ny Zanagny, Jesoa Kristy Tômpontsika: amin’ny maha ôlombelona Ananjy dia avy tamin’ny taranak’i Davida Izy, 4 fa araka ny Fagnahy Masina kosa indray dia nabaribary tamin-kery fa Zanak’Andriamagnitra Izy tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty. 5 Avy Taminanjy no nandraisanay fahasoavana sy ny maha Apostoly anay ho voninahitr’i Kristy, mbô hitaritanay ny firenena dahôlo hino sy hagneky Ananjy; 6 agnisany koa ianareo izay efa voaantso ho an’i Jesoa Kristy. 7 Ho an’ny ôlona dahôlo aigny Roma, izay tian’Andriamagnitra sady voaantso no masina: Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tômpo.
Te hamangy ny Kristianina aigny Roma i Paoly.
8 Alôhan’ny raha dahôlo, dia velom-pisaorana an’Andriamagnitro amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izaho noho ny aminareo dahôlo satria efa malaza magnerana an’izao tontolo izao ny finoanareo. 9 Andriamagnitra izay tompoiko amin’ny foko manontolo noho ny fitoriana ny Tarea Maharavo momba ny Zanagny no vavolombelona fa tsarovako foagna ianareo isaky ny mivavaka izaho, 10 ary mangataka koa izaho raha sitrapon’Andriamagnitra mbô hahita hirika amin’izay handehanana akaigny aminareo. 11 Fa tegna te hahita anareo mafy mihitsy izaho mbô hampitako ny fagnamezam-pahasoavana avy amin’ny Fagnahy Masina sady mbô ho fampaherezana anareo. 12 Te ho aigny izaho mbô hahazoantsika dahôlo mifampirisika, amin’ny alalan’ny finoana itambarantsika. 13 Ô raôlona, tiako ho hainareo fa matetika izaho no efa saika handeha hankaigny aminareo kanefa dia misy tambagna foagna mandrak’ity nigniany. Te hahazo vokatra atỳ aminareo koa mbôka izaho, sahalan’ny taigny amin’ny Jentilisa sanagny. 14 Adidiko dahôlo na ny Grika na ny firenena hafa, na ny ôlona manam-pahaizana na ny tsy nahita fianarana; 15 ary avy amin’izany mbôka no tegna mampamaika anahy hitory ny Tarea Maharavo aminareo ôlona aigny Roma koa.
Ny herin’ny Tarea Maharavo.
16 Tsy mahamegnatra anahy ny Tarea Maharavo satria herin’Andriamagnitra ho famonjena izay ôlona dahôlo mino an’izany, amin’ny Jiosy malôha, izay vao amin’ny Jentilisa. 17 Fa amin’izany dia aboagna ny fahamarinana avy amin’Andriamagnitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoanaa, araka ny voasoratra hoe: “Izay marina amin’ny finoana no ho velona” (Hab 2.4).
Ny fahamarinana voafetra.
18 Araka izany, mibaribary avy aigny an-dagnitra ny fahasosen’Andriamagnitra avy amin’ny fahotana sy ny raha tsy manjary dahôlo ataon’ny ôlona izay manakana ny fahamarinana amin’ny fagnanaovan-dratsy. 19 Fa mibaribary amin’ny ôlona mbôka ny raha tokony ho fantany mikasika an’Andriamagnitra satria efa naboagnan’Andriamagnitra taminjareo izany. 20 Tsy hita maso mbôka ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamagnitra Ananjy, fa letry namoronana an’izao tontolo izao dia mibaribary izany tamin’ny alalan’ny asany rehefa dinihina ny raha nataony ka tsisy afaka magnamarin-tegna intsony zareo. 21 Fa na dia nahafantatra an’Andriamagnitra aza zareo dia tsy mbô nagname voninahitra na nagname fisaorana izay tokony fanaoka Ananjy avy, fa raha tsisy dikany no niasanjareo saigna sady nanjary maizigna ny saignanjareo satria tsilovilovy zareo. 22 Nihevitra ny tegnany ho hendry zareo ka nanjary adala, 23 ary natakalony sarina ôlona mety maty na vorogna na biby manan-tongotra efatra na biby mandady ny voninahitr’Andriamagnitra tsy mety lo.
24 Izany no antony namelan’Andriamagnitra anjareo hagnaram-po amin’ny filàn’ny fony. Araka izany dia nagnano tsy fanjariana zareo ka nifagnala baraka zareo samby zareo. 25 Natakalonjareo lainga ny fahamarinana mikasika an’Andriamagnitra ka nankalaza sy nanompo ny zavaboahary zareo, fa tsy ny Mpahary, Izay tokony deraina mandrakizay. Amena.
26 Izany no antony namelan’Andriamagnitra anjareo ho amin’ny filàn-dratsy mamoafady. Natakalon’ny vehivavy taminjareo fatoriana amina raha hafa ny fiarahana matory amin-dehilahy; 27 ary sahala amin’izany koa ny lehilahy taminjareo, nialany ny fatoriana tamim-behivavy ka nipingapinga nikaraka lehilahy zareo dia niara-natory ny samby lehilahy. Nagnano raha tsy fampiseho masoandro zareo samby lehilahy ka zareo foagnany no azon-draha vokatry ny raha tsy manjary nataonjareo.
28 Tsy nasian’ôlona lanjany ny fahafantarana an’Andriamagnitra ka izany no namelan’Andriamagnitra anjareo hanagna fisaignana mibirioka, dia nanjary nagnano raha tsy fatao zareo. 29 Ka dia tototry ny karazagna tsy fahamarinana, faharatsiana, ny fitiavan-karena, haratsiam-piaignana zareo; tototry ny fialonana, ny vono ôlona, ny fifamaliana, ny katramo, ny lolompo, ny fitsimohana zareo. 30 Lasa mifagnaratsy zareo, fahavalon’Andriamagnitra, mpila ady, mpiendaenda, mpandoka tegna, mpamorona raha ratsy atao, tsy mankatò ray sy reny, 31 tsisy raha hay, tsy azo atokisana, tsy manam-pitiavana, tsy foraigna: 32 Hainjareo ny lalànan’Andriamagnitra fa izay ôlona magnano an’izany raha izany dia manjary ananjy ny ho foaty, tsy vitany magnano foagna izy fa mbôla mambosibosy ny hafa hagnano koa.