Taigny Malta i Paoly
28
Rehefa tody soa amantsara tan-tanety izahay vao nahafantatra fa Malta no agnaran’ilay nosy.
2 Tsara ny fandraisanjareo tompontany anay: namelomanjareo afo hamindroana izahay satria nilatsaka ny ranonorana sady nangatsiaka be tamin’izay. 3 Ary nitsimpona kitaigna indray mibotro i Paoly ka nataony takeo amin’ny afo izany; dia nisy menaragna nivoaka avy tagnaty afo ka niraikitra tamin’ny tagnany. 4 Rehefa nahita ilay bibilava niraikitra tamin’ny tagnany zareo tompontany, dia nifampiresaka hoe: Tegna mpamono ôlona tokoatrany io lehilahy io ka na dia voavonjy tamin’ny ranomasina aza izy, dia tsy navelan’ny andriamagnibavy Fahamarinana ho velona. 5 Kanefa nakifik’i Paoly tagnatin’ny afo ilay biby, ka tsy nagnino avy izy na dia kely aza. 6 Noheverin’ny ôlona fa hivonto ilay tagnany na hidaraboka ho foaty tampoka izy; fa rehefa nandigny elaela zareo ka nahita fa tsisy raha nahazo ananjy, dia niova hevitra indray zareo ka hozy: andriamagnitra io!
7 Nanagna tanàna takaikin’ilay toerana i Poplio, izay ôlona geda voalôhany takao amin’io nosy io. Noraisiny tsara izahay sady nampandrosoany tan-dragno nandritra ny telo andro. 8 Voan’ny tazo sady nivalan-dra ny dadain’i Poplio tamin’izay ka nandeha nitsidika ananjy i Paoly dia nivavaka sady nametra-tagnana taminanjy, ary nahasitragna ananjy. 9 Tafaran’izany, dia tonga koa ireo ôlona marary takao amin’ilay nosy ka sitragna dahôlo. 10 Ary tegna nanaja anay ny ôlona ka rehefa handeha indray izahay, dia nampitondrainjareo izay vatsy nilainay.
Ny dia avy taigny Malta nankaigny Roma
11 Telo volana tafaran’izany izahay dia niondrana tamin’ny sambo iraika misy ny sarin’ny Dioskiora, ilay andriamagnitra kambagna; avy aigny Aleksandria io sambo io ary nanangana takeo nandritra ny ririnina. 12 Avy takeo dia tonga takao Sirakosa izahay, ary nanangana takao nandritra ny telo andro. 13 Rehefa niala takeo izahay dia nagnaraka ny amorontsiragnana ka tonga taigny Regioma. Kiakan’igny anefa dia nifofofofo avy aigny atsimo ny rivotra ka afaka amaraignan’igny izahay dia tonga takao Potioly. 14 Nahita rahalahy izahay takao amin’io tanàna io ary niangavy anay zareo mbô hanangana herinandro akao aminjareo. Ôhatra an’izany no nahatongavanay takao Roma. 15 Vao naharegny ny fahatongavanay ireo rahalahy tan-tanàna dia tonga nitseza anay hatraigny amin’ny tsenan’i Apio sy ny Tragnombahiny Anakitelo. Rehefa nahita anjareo i Paoly, dia nisaotra an’Andriamagnitra sady velombolo.
Paoly taigny Roma
16 Rehefa tonga takao Roma izahay, dia nahazo alalana hitokana tragno i Paoly, ary nasiana miaramila iraika niambina ananjy.
17 Telo andro tafaran’izany, dia nampagnantsovin’i Paoly zareo ôlona geda tamin’ny Jiosy. Rehefa tafavory zareo, dia hozy Paoly taminjareo: Ô rahalahy! Tsisy ratsy nataoko tamin’ny firenentsika na tamin’ny fomban-drazantsika, kanefa nogadraina taigny Jerosalema izaho ary natolotra tan-tagnan’ny Romana. 18 Nagnadihady tsara anahy zareo ka saika hagnafaka anahy satria tsisy antony tokony hagnamelohana anahy ho foaty, 19 nefa nolavin’ny Jiosy izany. Araka izany dia voatery izaho nampakatra ny raharaha amin’i Kaisara, kanefa izaho tsy nanagna eritreritra hiampanga ny mpiray firenena aminahy avy. 20 Izany no antony nampagnantsoviko anareo mbô hifankahitako sy hifampiresahako aminareo: Avy amin’Ilay antenain’ny vahoaka Israely mbôka no antony mampigadra anahy.
21 Dia hozy zareo taminanjy: Tsy ary mbôla nahavoaray taratasy mikasika anao avy taigny Jodia izahay; tsisy rahalahy koa avy aigny nagnano tatitra na nitarea raha tsy manjary mahakasika anao. 22 Kanefa tianay ho regny izay eritreretinao satria fantatray fa toherin’ny ôlona hatraiza hatraiza io antokom-pivavahana misy anao io.
23 Dia nifagnano fotoana tamin’i Paoly zareo ôlona geda tamin’ny Jiosy, ka tamin’ny andro nifagnarahana dia betsaka ny ôlona tonga takao amin’ny tragno nipetrahany. Letry ampôlakiaka ka mandra-pijibiky ny masoandro, dia nitarea sady nagnambara ny Fanjakan’Andriamagnitra taminjareo i Paoly ary nandresy lahatra anjareo, tamin’ny teny nalaina avy amin’ny Lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpagnazary, mbô hino an’i Jesoa. 24 Ny sanagny dia nino ny raha notaraviny, fa ny sanagny kosa tsy mbô nino. 25 Tsy nifagnara-tsaigna zareo ka rehefa hirava avy takeo dia nofaranan’i Paoly tamin’ny hoe: Marina mihitsy ilay raha nasain’ny Fagnahy Masina notaravin’i Isaia mpagnazary tamin’ny razanareo hoe:
26 “Mandehana mankaigny amin’ity firenena ity ianao, ka taravo aminjareo hoe:
Haharegny foagna ianareo fa tsy hahazo an’izay raha taravina;
ary hijery foagna ianareo fa tsy hahita;
27 satria nanjary mafy fo ny ôlona amin’ity firenena ity,
nanjary naregnina ny sofinjareo,
ary nakimpiny ny masony;
Sao dia hahita mbôka ny masonjareo,
sy haharegny ny sofinjareo,
ary hahazo an’izay raha taravina zareo,
dia hibebaka zareo ka hositragniko”(Isa 6.9-10).
28 Alay ho fantatrareo fa izany famonjena avy amin’Andriamagnitra izany dia efa nampairany ho aigny amin’ny Jentilisa ka dia hitaino an’izany zareo. 29 Rehefa avy nitarea an’izany Paoly, dia lasana zareo Jiosy ka tegna niady hevitra.
30 Nipetraka roa taona naninjitra tan-dragno nofondroany i Paoly, ary nandray an’izay ôlona dahôlo tonga hihaona aminanjy. 31 Nitory ny fanjakan’Andriamagnitra izy ary nampianatra malalaka momba an’i Jesoa Kristy Tômpo tamin’ny fahasahiana.