Jaona
Ny fiaignana, ny fahazavana, ny Zanaka lahitokana
1
Talôhan’ny raha dahôlo dia efa nisy ny Tarea,
ary ny Tarea dia niaraka tamin’Andriamagnitra
ary ny Tarea dia Andriamagnitra.
2 Taigny am-piandohana izy io dia efa tamin’Andriamagnitra takao.
3 Avy taminanjy ny namorognana ny raha dahôlo;
ary raha tsy takeo Izy dia tsisy raha na dia iraika avy.
4 Tao Aminanjy ny fiaignana,
ary ny fiaignana no fagnazavana ho an’ny ôlona.
5 Midaraka agnatin’ny maizigna ny fahazavana,
ary ny aizigna tsy nahadinaka Ananjy.
6 Nisy iraika lahy nirahin’Andriamagnitra;
Jaona no fagnantsôvana ananjy.
7 Tonga ho vavolombelona hagnambara ny Mazava izy mbôry izay ny ôlona dahôlo hino vokatry ny tarea notaraviny.
8 Tsy izy avy Ilay Mazava,
fa vavolombelona hagnambara mikasika an’Ilay Mazava foagna ny niaviany.
9 Ny Tarea no fahazavana tegna izy izay tonga amin’izao tontolo izao ka magnazava ny ôlona dahôlo.
10 Taketo amin’izao tontolo izao taketo Izy,
ary Izy no antony nahariana an’izao tontolo izao,
kanefa izao tontolo izao tsy nahafantatra Ananjy.
11 Tonga taigny aminjareo Izy
kanefa tsy noraisin’ny vahoakany;
12 fa ny ôlona dahôlo nandray Ananjy ka nino ny Agnarany,
dia nameny fahefana hanjary zanak’Andriamagnitra,
13 Zareo ireo dia tsy nateraka sahala amin’ny zaza,
na araka ny sitrapon’ny nofo,
na araka ny sitrapon’ny ôlona
fa naterak’Andriamagnitra.
14 Nanjary ôlona ny Tarea ka nipetraka niaraka tamintsika,
dia hitanay ny voninahiny,
izay voninahitra sahaza ny Lahitokana avy amin’ny Ray,
voninahitra feno fahasoavana sy fahamarinana.
15 Jaona no vavolombelona nagnambara Ananjy,
ary hozy:
Izy ilay notaraviko hoe:
‘Tonga tafarako Izy nefa nanjary lasa alôhako satria efa nisy talôhako.’
16 Avy tamin’ny hagedazan’ny harenan’ny fahasoavany no nandraisantsika dahôlo
fahasoavana miampy fahasoavana.
17 Avy tamin’i Mosesy no nagnamezan’Andriamagnitra ny lalàna fa avy tamin’i Jesoa Kristy kosany ny fahasoavana sy ny fahamarinana.
18 Mbôla tsy ary nisy nahita an’Andriamagnitra izany avy,
fa ny Zanaka Lahitokana izay an-tratrany akeo no nagnambara Ananjy.
Ny raha nambaran’i Jaona Mpagnano Batisa
19 Izao ny raha notaravin’i Jaona tamin’ireo mpisorogna sy Levita nasain’ny Jiosy avy ta-Jerosalema hagnadina ananjy nagnano hoe:
Iza ma ianao?
20 Dia nitarea ny marina Jaona ka nagneky fa tsy Kristy avy izy.
21 Nagnadina ananjy indray zareo hoe:
Mbô iza ma izany ianao ity?
Elia?
Ahaa!
Tsy Elia avy izaho,
hozy.
Mpagnazary izany ianao?
Ahaa!
Tsy mpagnazary avy koa.
22 Dia hozy zareo taminanjy:
Iza foagna ma izany ianao,
mbô hisy hotaravinay amin’izay ôlona nagniraka anay aigny mbôkany?
Lazainao fa iza ma izany ianao?
23 Dia hozy Jaona namerigna ny raha notaravin’i Isaia mpagnazary:
Izaho ilay feo magnantso mafy aigny ankodahoda aigny magnano hoe:
“Ataovo mahitsy ny lalan’ny Tômpo” (Isa 40. 3).
24 Nisy Fariseo tagnatin’ireo voairaka ireo
25 nagnadina ananjy hoe:
Magnino ma izany ianao magnano batisa kanefa tsy Kristy sady tsy Elia ary tsy Mpagnazary?
26 Dia hozy Jaona:
Magnano batisa anareo amin’ny rano izaho,
fa aminareo akeo misy Ôlona Iraika tsy fantatrareo.
27 Izy ilay tonga tafarako kanefa tsy sahaza anahy avy na dia ny hamaha ny tadin’ny kapany aza.
28 Ta-Betania,
ampitan’i Jordana ilay nagnanaovan’i Jaona batisa,
no nisy an’izany raha dahôlo izany.
Ny nilazan’i Jaona Mpagnano batisa ny mikasika an’i Jesoa
29 Amaraignan’igny dia hitan’i Jaona avy nagnatogna ananjy Jesoa,
dia hozy:
Ity ny Zanak’ondrin’Andriamagnitra izay magnala ny fahotan’izao tontolo izao!
30 Izy ilay notaraviko taminareo hoe:
Misy Iraika Lahy tonga tafarako nefa nanjary lasa alôhako satria Izy efa nisy talôhako.
31 Na izaho avy tsy nahafantatra Ananjy fa ny nahatongavako dia hagnano batisa amin’ny rano mbô hampahafantarana Ananjy amin’ny Israely.
32 Izao koa ny raha notaravin’i Jaona:
Hitako ny Fagnahy nidigna avy tan-dagnitra taigny sahala amin’ny pizina nipetraka tagnambony takeo.
33 Na izaho avy tsy nahafantatra Ananjy fa Ilay nagnasa anahy hagnano batisa amin’ny rano no nitarea taminahy hoe:
Izay hitanao idignan’ny Fagnahy ka ipetrahany,
dia Izy no hagnano batisa amin’ny Fagnahy Masina.
34 Nahita izaho dia magnambara fa Izy no Zanak’Andriamagnitra.
Ireo mpianatr’i Jesoa voalohany
35 Kiakan’igny dia mbôla takeo indray Jaona mbaraky ny mpianany roa lahy.
36 Dia hitan’i Jaona nomba takaikinjareo takeo Jesoa,
dia hozy:
Ity ny Zanak’ondrin’Andriamagnitra!
37 Raha vao naharegny an’izany zareo roa lahy,
dia lasana nagnaraka an’i Jesoa.
38 Rehefa nitodika Jesoa dia nahita anjareo nagnaraka Ananjy,
dia nagnadina anjareo hoe:
Ino ma raha karahinareo?
Dia hozy zareo:
Ô Rabya!
Aiza angaha Ianao no mipetraka?
39 Dia hozy Jesoa taminjareo:
Andao dia ho hitanareo.
Dia nagnaraka zareo ka nahita izay nipetrahany,
tokotokony tamin’ny efatra hariva tamin’izay.
Dia nijanona niaraka Taminanjy zareo.
40 Andrea,
kiboraika amin’i Simona Petera,
ny iraika taminjareo roa lahy izay naharegny ny raha notaravin’i Jaona ka nagnaraka an’i Jesoa.
41 Takeo ny akeo dia nandeha tany amin’i Simona rahalahiny izy ka hozy taminanjy:
Nahita ny Mesiab izahay.
42 Dia nindesiny tamin’i Jesoa taigny izy.
Raha vao nahita an’i Simona Jesoa dia hozy:
Ianao no Simona zanak’i Jaona.
Hantsovina hoe Kefasy (na Petera)c ianao.
Nagnantso an’i Filipo sy Natanaela Jesoa
43 Kiakan’igny dia nanapa-kevitra ny handeha ho aigny Galilia Jesoa.
Nifanena tamin’i Filipo Izy,
dia hozy taminanjy:
Magnaraha Anahy.
44 Iray tanàna amin’ery Andrea sy Petera,
a-Betsaida akao i Filipo.
45 Avy takeo,
nifanena tamin’i Natanaela i Filipo,
dia hozy taminanjy:
Efa nahita an’ilay nosoratan’i Mosesy takao amin’ny lalàna,
sy nosoratan’ny mpagnazary izahay,
Jesoa zanak’i Josefa avy aigny Nazareta izany.
46 Kanefa hozy Natanaela:
Ô dadaiko e!
Mbô misy raha tsara ma avy aigny Nazareta izany?
Dia hozy Filipo taminanjy:
Andao dia ho hitanao tsara izany!
47 Rehefa nahita an’i Natanaela nagnatogna Ananjy Jesoa,
dia nitarea mikasika ananjy hoe:
Ity no tegna Isiraelita hiringiriny,
sady tsy tia mamitaka
48 Hozy Natanaela Taminanjy:
Taiza ma no nahafantaranao Anahy?
Hozy Jesoa:
Hitako takeo tam-bodina aviavyd ianao talôhan’ny nagnantsovan’i Filipo anao.
49 Dia hozy Natanaela:
Ô Raby!
Ianao no Zanak’Andriamagnitra!
Ianao no Mpanjakan’ny Israely!
50 Dia izao no navalin’i Jesoa:
Ilay nitaravako taminao fa hitako takeo tam-bodina aviavy ianao,
izany ma no ninoanao Anahy?
Mbôla hahita raha mandombolombo an’izany avy ianao.
51 Hozy koa Izy:
Taraviko aminareo marina tsara be fa ho hitanareo ny lagnitra misokatra sy anjelin’Andriamagnitra miakatra sy midigna akeo amin’ny Zanak’Ôlona.