Jaona Mpagnano batisa
3
Tamin’izany fotoana izany dia niboagna Jaona Mpagnano batisa ka nitory teny taigny ankodahoda hoe: 2 Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lagnitra. 3 Izy mbôka ilay nampitaravina an’i Isaia mpagnazary hoe:“Misy feo milelalela izany aigny ankodahoda izany:
Amboaro ny lalan’NY TÔMPO,
ataovy mahitsy ny lalan-kombàny” (Isa 40.3).
4 Lamba miloko mena vita tamin’ny volon-drameva ny akanjo nagnanaovan’i Jaona, sady nagnano hetra hoditra izy, ary ny raha fohaniny dia valala sy fandrama dia. 5 Dia namonjy an’i Jaona takaigny ny vahoakan’ny Jerosalema sy Jodia iray vohitra mbarak’ireo magnamorona an’i Jordana. 6 Rehefa avy namosa zareo dia nataony batisa tamin’ny reniranon’i Jordana.
Ny hafatra nataon’i Jaona Mpagnano batisa
7 Rehefa hitan’i Jaona fa betsaka be ny Fariseo mbaraky ny Sadoseo nagnatogna ananjy mbô hataony batisa, dia hozy: Ô taranaka bibilava ireto! Iza ma no nagname lôha anareo hilefa ny asira ho avy? 8 Mamoaza voa mifanaraka amin’ny fibebahanareo. 9 Alao an-dôhanareo hoe: ‘Managna an’i Abrahama ho rainay izahay’; taraviko aminareo fa Andriamagnitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. 10 Efa mitoka amin’ny foto-kazo ny famaky ka ny kakazo dahôlo izay tsy ahitana voany tsara dia ho tevezina ary hatsipy agnaty afo.
Mikasika Ilay ho avy
11 Izaho magnano batisa anareo amin’ny rano ho mariky ny fibebahanareo; fa Ilay avy afarako no mahery mandombolombo anahy ka tsy fanaoka anahy avy ny hamaha ny tadin-kirarony. Izy no hagnano batisa anareo amin’ny Fagnahy Masina sy ny afo. 12 An-tàgnany ny fikororohany ka hodioviny tsara ny famoloany ary handrohany hiakatra amin’ny tragnom-bariny ny vary, fa ny lôha ofoka sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mety maty.
Natao batisa Jesoa
13 Rehefa tonga ta-Galilia Jesoa dia nankaigny Jordana mbô hataon’i Jaona batisa. 14 Fa tsy nagnaiky Jaona ka hozy Taminanjy: Ô r’Ingahy ity! Izaho no tokony hataonao batisa, ka magnino ma Ianao indray no mankaty hataoko batisa? 15 Ary hozy Jesoa: Alefaso foagna malôha mbô hahatanteraka ny fahamarinana dahôlo. Dia nagnaiky izy. 16 Raha vao vita batisa Jesoa dia niala avy tagnaty rano; ary nisokatra Taminanjy ny lagnitra dia hitan’i Jesoa ny Fagnahin’Andriamagnitra nidigna tamboniny ôhatra ny pizina. 17 Dia nisy feo avy tan-dagnitra nagnano hoe: Ity ny Zanako malalako, izay ankasitrahako.