Ny fitsidihan’ny Magy
2
Tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka no teraka taigny Betleheman’i Jodia i Jesoa. Taminjany dia nisy Magy avy aigny amin’ny firenena atsinanana tonga taigny Jerosalema ka nagnontany ny ôlona hoe: 2 Akaiza ma no teraka Ilay ho Ampanjakan’ny Jiosy izany? Nahita ny kintany taigny atsinanana mbôka izahay ireto ka tonga hiankohotra Aminanjy.
3 Ambory Heroda mpanjaka mbaraky Jerosalema iray vohitra rehefa naharegny an’izany. 4 Dia navorin’i Heroda ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampiana-dalàna tamin’ny vahoaka ka nagnontaniany hoe: Akaiza ma no ho teraka i Kristy? 5 Ary hozy zareo taminanjy: Betleheman’i Jodia; araka ny notaravin’ny mpagnazary hoe:
6 “Ianao Betlehema tanin’ny Joda,
tsy ianao avy ny farany kitika amin’ny tanànan’ny Joda dahôlo;
Fa avy aminao ny hivoahan’izay iraika ho Manampahefana,
Ka Izy no ho Mpiambina ny Israely ôloko” (Mik 5.1).
7 Dia nampialaka ny Magy moramora i Heroda ka namotopototra tsara anjareo ny fotoana niboagnan’ilay kintana. 8 Nasainy nankaigny Betlehema zareo avy takeo sady notaraviny hoe: Mandehana, dia mbô alao onogna tsara ny mahakasika izany Zaza izany. Rehefa hitanareo Izy, dia taravo aminahy mbô handehanako akaigny koa, hiankohotra Aminanjy.
9 Rehefa naharegny ny raha notaravin’ny mpanjaka zareo dia lasana nandeha. Ary nitarika anjareo foagna ilay kintana hitanjareo taigny atsinanana dia nijanona tagnambo fanjohy an’ilay Zazakely. 10 Hafaliana ma ny anjareo nahita ilay kintana. 11 Ary nitsofoka tan-dragno zareo, ka nahita ilay Zaza sy Maria reniny dia nenkohoka Taminanjy. Dia nosokafanjareo ny vatakely ka nameny volamena sy raha magnitra ary miora Ilay Zaza. 12 Ary làlana hafa no nombanjareo rehefa nody satria nitarea taminjareo tamin’ny nofy Andriamagnitra mbô tsy hiverina akaigny amin’i Heroda intsony.
Ny filefasana ta-Ejipta
13 Tafaran’izay dia niboagna tamin’i Josefa tamin’ny nofy ilay anjelin’ny Tômpo ka nitarea taminanjy hoe: Mifohaza ianao dia ndeso milefa Ejipta akaigny ny Zaza mbaraky ny reniny. Mipetraha akaigny malôha ianareo mandra-pitaravako aminao mbô hiala aigny satria i Heroda te hamono ny Zaza. 14 Igny alina igny ihany, nifoha izy ka nindesiny nankaigny Ejipta ny Zazakely mbaraky ny reniny. 15 Dia nipetraka takaigny izy mandra-pahafatin’i Heroda, mbô hahatanteraka ny raha notaravin’NY TÔMPO tamin’ny mpagnazary hoe: “Nantsoviko hiala takao Ejipta ny Zanako” (Hos 11.1).
Ny namonoana ny gaogna madinika
16 Rehefa hain’i Heroda fa tsy niverigna nankaigny aminanjy ny Magy, dia avy asira izy ka nandefa iraka taigny Betlehema sy ny manodidigna hamono ny gaogna madinika roa taona no ho midigna izay nifanandrify tamin’ny fotoana namotopotorany ny Magy. 17 Dia tanteraka ny tarea nampitaravina an’i Jeremia mpagnazary hoe:
18 “Naharegnesana ôlona nigololoka sy nitomany be taigny Rama takao,
Nitomagny ny zanagny Rahely,
ary tsy laitra nampanginina izy,
satria tsisy niaingana ny zanagny” (Jer 31.15).
Ny fiveregnana avy Egipta
19 Tafaran’ny nahafatesan’i Heroda, dia nisy anjelin’ny Tômpo niboagna tamin’i Josefa tamin’ny nofy takaigny Ejipta taigny ka nitarea taminanjy hoe: 20 Mifohaza ianao, ka ndeso miverigna aigny amin’ny tanin’ny Israely ny Zaza sy ny reniny fa efa maty ilay te hamono ny Zaza. 21 Dia nifoha izy ka niverigna nankaigny amin’ny tanin’ny Israely zareo.
22 Rehefa regnin’i Josefa fa Arkelaosy no mpanjaka nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankaigny izy. Ary nitarea taminanjy tamin’ny nofy Andriamagnitra; ka nankaigny amin’ny faritanin’ny Galilia zareo. 23 Nipetraka tamin’ny tanàna atao hoe Nazareta zareo rehefa tonga takaigny mbô hahatanteraka ny tarea nampitaravina ny mpagnazary hoe: “Hantsovina hoe Nazareana Izy.”