Ny nitsapan’ny devoly fagnahy an’i Jesoa
4
Ary nentin’ny Fagnahy nankaigny ankodahoda Jesoa mbô ho tsapain’ny devoly fagnahy. 2 Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina izy ka vahan-tsilaona. 3 Nagnatogna Ananjy ny mpitsapa fagnahy ka nitarea taminanjy hoe: Raha Zanak’Andriamagnitra Ianao, dia taravo hanjary mofo ireto vato ireto. 4 Dia hozy Jesoa: Voasoratra fa: “Tsy mofo foagna no mahavelona ny ôlona; fa ny tarea dahôlo taravin’Andriamagnitra” (Deo 8.3).5 Avy takeo dia nindesin’ny devoly nankaigny amin’ny tanàna masina Izy ka nampentoriny tan-tampon’ny Tempoly 6 ary notaraviny hoe: Raha Zanak’Andriamagnitra Ianao, milatsaha akaigny ampidigna akaigny; fa voasoratra hoe:
“Izy hibaiko ny anjeliny avy Aminao;
ary an-tagnany no hitondranjareo Anao,
mbôry izay tsy voantsintohina amin’ny vato ny tongotrao” (Sal 91.11-12).
7 Hozy Jesoa namaly ananjy: Voasoratra koa hoe: “Aza mitsapa fagnahy an’NY TÔMPO Andriamagnitrao” (Deo 6.16).
8 Dia nindesin’ny devoly tantampontanety agnambo be indray Izy; dia natorony Ananjy ny fanjakana dahôlo amin’izao tontolo izao mbaraky ny voninahiny dahôlo; 9 ary hozy tamin’i Jesoa: Ameko anao raha dahôlo ireo raha ôhatra ka miankohotra agnoloako aketo Ianao. 10 Hozy Jesoa taminanjy: Mandehana mandeha akaigny ianao Satana! Voasoratra hoe: “NY TÔMPO Andriamagnitrao foagna hiankohoranao ary Izy sambirerika no hotompoinao” (Deo 6.13).
11 Dia nilaosan’ny devoly Izy ary nisy anjely avy ka nanompo Ananjy.
Nandeha takaigny a-Galilia Jesoa
12 Rehefa regnin’i Jesoa fa voasambotra i Jaona, dia nandeha ta-Galilia Izy. 13 Niala taigny Nazareta Izy ka nandeha nipetraka taigny Kapernaomy, tanàna manamorogna ny ranomasin’i Galilia, amin’ny zaratanin’i Zebolona sy Naftaly, 14 mbô hahatanteraka ny nampitaravana an’i Isaia mpagnazary:
15 “Ny zaratanin’i Zebolona izin’i Naftaly,
amin’ny morogn’ny ranomasina, ampitan’i Jordana,
dia Galilia, tanin’ny Jentilisa,
16 ny ôlona izay nipetraka tagnaty aizigna
dia damo hazavana midaraka be;
ary izay nipetraka takao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niboagnan’ny fahazavana” (Isa 8.23; 9.1).
17 Ary tamin’izany andro izany no nanomboka nitoriteny Jesoa ka nitarea hoe: Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lagnitra.
Ireo mpianatra efatra voalohany
18 Rehefa nandehandeha tamorogn’ny ranomasin’i Galilia Jesoa dia nahita ôlona miralalahy namarigna harato tagnaty ranomasina: i Simona ilay antsovinjareo hoe Petera sy Andrea, mpagnarato mbôka zareo. 19 Dia hozy Jesoa taminjareo: Andao hagnaraka Anahy fa hataoko mpagnarato ôlona ianareo. 20 Nafotraikany niaraka tamin’igny ny haratonjareo ka lasana zareo roalahy nagnaraka Ananjy.
21 Nandeha kely Izy dia nahita ôlona mirahalahy hafa koa: Jakoba sy Jaona, iray lakana tamin’i Zebedio rainy nagnamboatra ny harato zareo; dia nantsovin’i Jesoa koa zareo roa lahy. 22 Pe! Nilaosanjareo takeo niaraka tamin’izay ny lakanjareo mbaraky ny rainy, ka nagnaraka an’i Jesoa zareo.
Nampianatra sy nitory ny Tarea Maharavo ary nagnasitragna ny marary Jesoa
23 Dia nandeha eraky Galilia Jesoa, ary nampianatra ny ôlona tamin’ny sinagoga Izy ka nitory ny Tarea Maharavon’ny fanjakana sy nagnasitragna ny ôlona tamin’ny aretina sy ny rofinjareo dahôlo.
24 Ary niparitaka eraky Siria ny lazany ka nindesin’ny ôlona Taminanjy ny marary dahôlo izay azon’ny aretina maro isan-karazagny sy nampahorian’ny asa lôha: ny ôlona godagnin’ny demonia sy azon’ny aretim-borogna ary ny malemy; dia nositragniny dahôlo zareo. 25 Ôlona betsaka be avy aigny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia sy avy am-pitan’ny Jordana no nagnaraka ananjy.