Jesoa sy ilay vehivavy Samaritana
4
Tamin’izany rehefa hain’i Jesoa fa regnin’ny Fariseo hoe nahazo mpianatra betsaka sady magnano batisa mandombolombon’i Jaona Izy,
2 kanefa tsy Jesoa avy no nagnano batisa fa ny mpianany,
3 dia niala ta-Jodia Izy ary niverina nankaigny Galilia indray.
4 Tsy maintsy nomba ta-Samaria ny lalany.
5 Dia tonga tamin’ny tanàna iraika aigny Samaria,
antsovina hoe Sikara,
izay magnolotra an’ilay zaratany namen’i Jakoba an’i Josefa zanany,
Izy.
6 Takeo no nisy an’ilay lavadranon’i Jakoba.
Dia niantotra tamoron’ilay lavadrano takeo Izy satria reraka avy tamin’ny tany nombany taigny;
tokotokony anjerignandro tamin’izay.
7 Nisy vehivavy Samaritana avy hialaka rano takeo,
dia hozy Jesoa:
Mbô ameo rano edy ma Izaho hosotroiko.
8 Lasana namonjy tanàna nividy raha hohanina mbôka ny mpianany.
9 Dia hozy ilay vehivavy Taminanjy:
Jiosy Ianao ka magnino mangataka rano hosotroina aminahy nefa izaho vehivavy Samaritana?
Tsy mifampibidabida amin’ny Samaritana mbôka ny Jiosy.
10 Ary hozy Jesoa:
Raha mbô hainao mbôka ny raha amen’Andriamagnitra sy Ilay mitarea aminao hoe:
‘Ameo rano izaho hosotroiko,’
dia ianao no ho nangataka Taminanjy ka ho nameny rano velona.
11 Hozy ilay vehivavy Taminanjy:
Ô Ramose!
Fagnovozana avy tsy anagnanao!
Lava-drano ity laligna be!
Akôry ma ny ataonao mbô hahazoanao an’izany rano velona izany?
12 Ianao ma geda mandombolombo an’i Jakoba?
Izy no nagname anay an’ity lavadrano ity sady nisotro rano taketo zareo mianakavy mbaraky ny biby notahiriziny.
13 Fa Jesoa namaly ananjy hoe:
Izay ôlona misotro an’ity rano ity dia mbôla hangetaheta foagnany,
14 fa na iza na iza misotro ny rano izay ameko ananjy dia tsy hangetaheta intsony izy mandrakizay.
Ny rano ameko ananjy mbôka dia hanjary loharano miboiboika agnatiny akao ka ho fiaignana mandrakizay.
15 Dia hozy ilay vehivavy:
Ô Ramose!
Ao edy ma mbô ameo amin’izany rano izany izaho amin’izay tsy hangetaheta sady tsy hialaka rano aketo intsony.
16 Dia hozy Jesoa:
Antsôvy mankaty ary ny vadinao.
17 Fa hozy ilay vehivavy:
Tsy manambady avy izaho.
Dia hozy Jesoa:
Marina ny raha taravinao takeo hoe tsy manambady ianao;
18 fa ianao indray dia efa in-dimy nanambady ary tsy vadinao avy ilay ipetrahanao amin’izao io.
Tegna marina ny raha notaravinao.
19 Dia hozy ilay vehivavy:
Ô Ramose!
Haiko fa mpagnazary Ianao.
20 Nivavaka taketo amin’ity tampontanety ity ny razanay kanefa ianareo mitarea fa aigny Jerosalema foagnany no tokony hivavahana.
21 Hozy Jesoa taminanjy:
Ô raôlona!
Minoa Anahy ianao fa ho avy ny andro ka tsy aketo amin’ity tampontanety ity avy,
na aigny Jerosalema no hivavahanareo amin’ny Daday.
22 Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo;
fa izahay kosany mivavaka amin’izay fantatray satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.
23 Fa avy ny fotoana sady efa tonga lasiteo izany ka dia hivavaka amin’ny Daday amin’ny fagnahy sy ny fahamarinana ny tegna mpivavaka satria izay no karahan’i Daday amin’izay ôlona mivavaka Aminanjy.
24 Andriamagnitra dia Fagnahy.
Ary izay mivavaka Aminanjy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fagnahy sy ny fahamarinana.
25 Fa hozy ilay vehivavy:
Efa haiko fa ho avy ny Mesia,
ilay antsovina hoe Kristy;
rehefa tonga Izy dia ho taraviny amintsika ny raha dahôlo.
26 Dia hozy Jesoa taminanjy:
Izaho mikoragna aminao ity no Izy.
27 Tamin’izay fotoana izay dia tafaverigna ny mpianany ary gaga nahita Ananjy nikoragna tamina vehivavy.
Nefa tsisy nahasahy nagnadina Ananjy hoe:
Ino ma ny raha karahinao?
Na:
Magnino ma Ianao no mikoragna aminanjy?
28 Dia nafotraikan’ilay vehivavy takeo ny sininy ary lasana niakatra tan-tanàna izy ka nitarea tamin’ny ôlona hoe:
29 Andao ma ianareo hizaha an’ilay Lehilahy arỳ e!
Notaraviny taminahy dahôlo ny raha nataoko.
Izany angamba no Kristy aminanjy!
30 Dia nivoaka avy tan-tanàna ny ôlona ka namonjy an’i Jesoa.
31 Tagnatin’izany fotoana izany dia niangavy Ananjy ny mpianany hoe:
Ô Ramose!
Hohano ma ny ahanina!
32 Fa hozy Jesoa:
Managna ahanina tsy hainareo avy Izaho.
33 Dia nifagnadina ny mpianany hoe:
Ary nisy ôlona nagnatitra raha nohaniny ma takeo?
34 Fa hozy Jesoa:
Ny haniko dia ny magnatanteraka ny sitrapon’Ilay nagnasa Anahy sy mamita ny tabahany.
35 Tsy hozy ma ianareo:
Afaka efa-bolana dia hiakatra ny vokatra?
Kanefa hozy Izaho aminareo:
Zahavo fa efa mena dahôlo ny vary aigny an-tsabo ka efa manjary didina.
36 Ary ny mandidy dia efa mandray ny karamany ka magnandroka vokatra ho amin’ny fiaignana mandrakizay mbô hiara-hifaly ny mpamafy sy ny mpandidy.
37 Amin’izany dia marina ilay tarea hoe:
Ny iraika mamafy,
ny iraika kosany mandidy.
38 Izaho magnasa anareo handidy izay tsy nandreraka anareo.
Ôlon-kafa no reraka fa ianareo indray magnano tanti-reraka foagnany.
39 Betsaka ny Samaritana avy tamin’izany tanàna izany no nino an’i Jesoa vokatr’ilay raha nambaran’ilay vehivavy hoe:
‘Notaraviny taminahy dahôlo ny raha nataoko.’
40 Rehefa nagnatogna Ananjy zareo Samaritana dia niangavy an’i Jesoa hanangana takao an-tanànanjareo ka nanagnana takao roay andro Izy.
41 Betsaka koa ny ôlona nino Ananjy vokatry ny raha notaraviny
42 ka hozy zareo tamin’ilay vehivavy:
Tsy ilay raha notaravinao foagnany no nampino anay fa izahay mihitsy no naharegny ka fantatray fa Izy tokoatrany no Mpamonjy an’izao tontolo izao.
Ny nagnasitragnan’i Jesoa ny zanakalahin’ilay tandapa iraika
43 Roay andro tafaran’igny dia niala takeo Jesoa ka nandeha ta-Galilia.
44 Jesoa mihitsy no nitarea fa tsisy mpagnazary hajaina amin’ny taniny.
45 Rehefa tonga ta-Galilia Izy,
dia noraisin’ny ôlona tsara satria efa hitanjareo dahôlo ny raha nataony ta-Jerosalema nandritra ny Paka;
namonjy fety taigny koa mbôka zareo Galiliana.
46 Dia niverigna ta-Kana taigny Galilia,
tamin’ilay tanàna nagnovàny ny rano hanjary divay,
indray Jesoa.
Nisy manampahefana iraika izay ta-Kapernaomy taigny,
narary ny zanagny lehilahy.
47 Rehefa regniny fa tonga ta-Jodia avy taigny Galilia Jesoa,
dia namonjy Ananjy taigny izy ka niangavy Ananjy mbô hidigna hagnasitragna ny zanagny marary efa ho foaty.
48 Hozy Jesoa taminanjy:
Tsy hino mihitsy ianareo ireto raha tsy efa mahita marika sy raha mahagaga mitranga!
49 Fa hozy ilay manampahefana:
Mbô andao koa ma r’Ingahy dieny mbôla tsy maty ny zanako!
50 Dia hozy Jesoa taminanjy:
Mandehana mody!
Velona ny zanakao!
Ary nino ny raha notaravin’i Jesoa ilay manampahefana ka lasana nody.
51 Mbôla tan-dalana izy dia nitseza ananjy ny gaognany ary nitarea taminanjy fa velona ilay zanagny.
52 Dia nagnotaniany anjareo ny lera nahasitragnan’ilay zanagny ka hozy zareo:
Tamin’ny iray folakandro nomoaly no niafagna ny tazony.
53 Dia azony onogna fa tamin’io lera io no nitaravan’i Jesoa taminanjy hoe:
‘Velona ny zanakao.’
Dia nino zareo mianakavy.
54 Izany ny raha mahagaga fagnindroany nataon’i Jesoa,
tamin’Izy tonga ta-Galilia avy ta-Jodia.