Nagnasitragna ilay lehilahy kômbo Jesoa
5
Tafaran’izany,
dia nisy fety Jiosy ka niakatra ta-Jerosalema taigny i Jesoa.
2 Akaikin’ny Vavahadina Ondry a-Jerosalema dia misy dobo iraika ahitana fialofana dimy;
Betesda no agnarany amin’ny teny hebreo.
3 Betsaka ny ôlona marary no nitoby tamin’ireo fialofana ireo nandigny ny rano mikobagna:
ny poaka,
ny kitrilaka,
ary ny maty tapaka.
4 Indraindraika misy anjely midigna agnatin’io dobo io magnobagna ny rano.
Rehefa mikobagna ny rano dia sitragna akeo no ho akeo izay miroboka voalôhany akao,
na ino na ino aretiny.
5 Nisy lehilahy iraika takeo,
efa valo ambin’ny telopolo taona naharariana izy.
6 Rehefa hitan’i Jesoa tampandriana takeo izy sady hainy fa efa ela naharariana,
dia hozy taminanjy:
Ô r’Ingahy!
Te ho sitragna ma ianao?
7 Dia hozy ilay marary:
Ô Ramose!
Rehefa mikobagna ny rano dia tsisy ôlona hampivarigna anahy agnatin’ny dobo akao,
nefa indray rehefa mandeha izaho dia misy ôlon-kafa tafivarigna alôhako.
8 Fa hozy Jesoa taminanjy:
Mitsangàna dia batao ny fandriananao ka mandehana.
9 Takeo no ho akeo dia sitragna ilay lehilahy ka nolanjainy ny fandrianany ary afaka nandeha izy.
Sabata izany andro izany.
10 Dia hozy zareo manam-pahefana Jiosy tamin’ilay lehilahy sitragna:
Sabata kony ny andro;
tsy manjary milanja ny fandriananao ianao.
11 Fa hozy ilay lehilahy:
Ilay nagnasitragna anahy kony nitarea taminahy hoe:
‘Mitsangàna dia batao ny fandriananao ka mandehana.’
12 Dia hozy zareo taminanjy:
Mbô iza loatra aiky ma ny ôlona nitarea taminao hoe:
‘Mitsangàna dia batao ny fandriananao ka mandehana?’
13 Kanefa tsy nahay an’i Jesoa ilay lehilahy sitragna satria efa niala takeo Jesoa fa nisy ôlona betsaka takeo.
14 Tafaran’izay dia hitan’i Jesoa tan-kontanin’ny Tempoly takeo ilay lehilahy,
dia hozy taminanjy:
Sitragna ianao io izao!
Aza manota intsony fa sao dia mandombolombon’igny indray ny raha hahazo anao!
15 Dia lasana ilay lehilahy ka nitarea taminjareo Jiosy fa Jesoa no nagnasitragna ananjy.
16 Dia nagnenjika an’i Jesoa zareo Jiosy satria nagnano an’izany tamin’ny andro Sabata Izy.
17 Fa hozy Jesoa taminjareo:
Ny Dadaiko magnano tabaha mandrak’ity nigniany,
dia Izaho koa magnano.
18 Vokatr’izany tarea izany dia vao mainka nikaraka fomba hamonoana an’i Jesoa zareo Jiosy.
Tsy vitany hoe nandika ny andro Sabata foagnany Izy fa mbôla nitarea koa hoe Andriamagnitra no Dadainy ary nagnano ny tegnany ho mitovy amin’Andriamagnitra.
Ny fahefan’ny Zanak’ Andriamagnitra
19 Dia hozy koa Jesoa taminjareo:
Taraviko aminareo marina tsara be fa tsy manjary magnano na ino na ino araka izay tiany ny Zanaka afa tsy izay hitany ataon’ny Dadainy foagnany;
ary izay raha dahôlo ataon’ny Dadainy dia ataon’ny Zanaka.
20 Ny Daday mbôka tia ny Zanaka ka atorony Ananjy ny raha dahôlo ataony;
ary raha matomboka be mandombolombon’iregny aza no atorony Ananjy mbôry izay gaga ianareo.
21 Fa sahala amin’i Daday manangana ny maty sy mamelona ananjy,
dia ôhatra an’izany koa no hameloman’ny Zanaka izay tiany.
22 Ny Daday avy aza tsy mitsara ôlona,
fa nankigniny amin’ny Zanaka ny fitsarana dahôlo
23 mbô hagnajan’ny ôlona dahôlo ny Zanaka,
sahala amin’ny fagnajanjareo ny Daday.
Izay tsy magnaja ny Zanaka dia tsy magnaja ny Daday izay nagnasa Ananjy koa.
24 Taraviko aminareo marina tsara be fa izay mitaino ny tareako ka mino an’izay nagnasa Anahy no managna ny fiaignana mandrakizay.
Tsy hotsaraina izy fa tafiala tamin’ny fahafatesana ho aigny amin’ny fahavelomana.
25 Taraviko aminareo marina tsara be fa avy ny fotoana,
sady efa tonga izany amin’izao,
izay haharignesan’ny ôlona maty ny feon’ny Zanak’Andriamagnitra;
ary izay maharegny an’izany dia ho velona.
26 Sahala amin’ny Daday managna fiaignana akao Aminanjy,
dia nameny fiaignana Aminanjy akao koa ny Zanaka;
27 ary nameny fahefana hitsara Izy satria Zanak’Ôlona.
28 Aza gaga amin’izany satria ho avy ny fotoana ka haharegny ny feony ny ôlona dahôlo aigny am-pasagna.
29 Dia hivoaka avy akao am-pasagna zareo ka izay nagnano raha tsara dia hitsangana ho amin’ny fiaignana;
fa izay nagnano raha tsy manjary kosa dia hitsangana ho amin’ny fitsarana.
30 Raha Izaho irerika dia tsy afaka magnano na ino na ino fa izay mifagnaraka amin’ny raha regniko foagna no agnanaovako fitsarana;
ary marina ny fitsarana ataoko satria tsy mikaraka ny sitrapoko Izaho fa ny sitrapon’Ilay nagnasa Anahy.
Ny vavolombelona magnambara an’i Jesoa
31 Raha Izaho no magnambara momba Anahy,
dia tsy marina ny fagnambarako.
32 Misy ôlona iraika nagnambara ny momba Anahy,
ary haiko fa marina ny raha ambarany.
33 Nagnasa ôlona nandeha takaigny amin’i Jaona ianareo,
dia nagnambara ny marina Jaona.
34 Tsy mila ny fagnambaran’ôlona Izaho;
fa notaraviko izany raha izany mbô ho voavonjy ianareo.
35 Ôhatran’ny jiro nirehitra sady nanjelanjelatra i Jaona ary tianareo ny niravoravo vetiketika tamin’ny fahazavany.
36 Fa Izaho kosa dia managna fagnambarana mandombolombon’ny an’i Jaona.
Izao tabaha ataoko izao mbôka,
dia ny tabaha nasain’ny Daday hataoko;
izany tabaha izany no magnambara mikasika Anahy sady mampiseho fa Izy no nagnasa Anahy.
37 Ny Daday izay nagnasa Anahy,
dia Izy no magnambara Anahy.
Tsy ary regninareo ny feony sady tsy ary hitanareo ny tarehiny.
38 Tsy tafilatsaka akao agnatinareo ny tareany satria tsy mino izay nasainy ianareo.
39 Mandinika Soratra Masina ianareo satria eritreretinareo fa akao no ahazoanareo fiaignana mandrakizay;
ary ny Soratra Masina no magnambara Anahy.
40 Kanefa tsy mety magnatogna Anahy ianareo mbô hahazoanareo fiaignana.
41 Izaho tsy mikaraka laza sy voninahitra avy amin’ny ôlona.
42 Kanefa haiko fa tsisy fitiavana an’Andriamagnitra akao am-ponareo.
43 Amin’ny agnaran’ny Dadaiko no niaviako nefa tsy raisinareo Izaho;
fa raha misy ôlona hafa tonga amin’ny agnarany manokana dia horaisinareo indray izy.
44 Ataonareo izay mifampikaraka voninahitra akôry ma no hino,
raha ny voninahitra avy amin’Andriamagnitra Tokana aza tsy mbô karahanareo?
45 Aza eritreretinareo fa Izaho hitoroka anareo aigny amin’i Daday.
Mosesy izay atokisanareo no mitoroka anareo.
46 Raha tegna nino an’i Mosesy anareo dia nino Anahy satria momba Anahy ny raha nosoratany.
47 Fa raha tsy hinoanareo ny raha nosoratany,
ataonareo akôry edy ma ny hino ny raha taraviko?