Namahana ôlona dimy arivo lahy Jesoa
6
Tafaran’izay Jesoa dia nitsaka ny ranomasin’ny Galilia,
ny ranomasin’ny Tiberiasy mbôka izany.
2 Betsaka be ny ôlona nagnaraka Ananjy satria nahita ny raha mahagaga dahôlo nataony tamin’ôlona marary.
3 Dia niakatra tan-tampontanety Jesoa sy ny mpianany ka nentotra takeo.
4 Efa akaiky ny Paka,
ilay fetin’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany.
5 Dia nitazana Jesoa dia nahita fa misy ôlona betsaka be avy magnatogna Ananjy,
dia hozy tamin’i Filipo:
Akaiza aiky ma no hividianantsika mofo hohanin’ireto ôlona ireto?
6 Mody nagnontany an’izany foagna Izy mbô hitsapany fagnahy an’i Filipo;
fa efa hainy mbôka ny raha hataony.
7 Fa hozy Filipo Taminanjy:
Tsy ho ampy an’ireo avy na dia mofo vidiana amin’ny denaria roanjato aza,
na dia mbô samby hanagna kitika avy.
8 Ary nisy iraika tamin’ny mpianany,
Andrea ilay kiboraika amin’i Simona Petera,
nitarea tamin’i Jesoa nagnano hoe:
9 Misy gaogna kely managna mofo dimy sy barahoa roa akao;
kanefa hahavita ino amin’ôlona betsaka be ireto ma izany?
10 Kanefa hozy Jesoa:
Apetraho malôha ny ôlona.
Feno rapanitra be mbôka takeo amin’ilay toerana.
Dia nentotra ny ôlona,
ankevikevitry ny dimy arivo takeo ny isan’ny lehilahy.
11 Dia nandray ny mofo Jesoa,
ka rehefa avy nisaotra an’ Andriamagnitra Izy dia nozaraina tamin’ny ôlona izay nentotra hihinana takeo izany;
dia sahala amin’izany koa ny barahoa,
samby nialaka izay tiany avy ny ôlona.
12 Rehefa voky zareo dia hozy Jesoa tamin’ny mpianany:
Andana angony izay tsy lany mbô tsisy ho very.
13 Dia nangoninjareo ka nahafeno roa ambin’ny folo harogna ny ambikambin’ny mofo dimy,
izay ambiny sisa tsy laninjareo.
14 Rehefa nahita an’ilay raha mahagaga nataon’i Jesoa ny ôlona takeo,
dia hozy zareo:
Ity tokoatrany Ilay Mpagnazary,
tonga aketo amin’izao tontolo izao.
15 Rehefa hain’i Jesoa fa ho avy hialaka Ananjy an-keriny ny ôlona mbô hagnano Ananjy mpanjaka,
dia niala takeo Izy ka lasana niakatra tan-tampontanety taigny Izy irerika.
Jesoa nandeha tambony ranomasina
16 Rehefa hariva ny andro dia nidigna namonjy ranomasina ny mpianatr’i Jesoa.
17 Niakatra tagnaty lakana zareo dia nitsaka ny ranomasina ho aigny Kapernaomy.
Mbôla tsy tonga taminjareo takeo i Jesoa kanefa efa maizinjoro ny andro tamin’izany.
18 Nidalavoka faty ny rivotra ka nagnonja be ny ranomasina.
19 Ka rehefa nivehy mafy tokony dimy na enina kilômetatra takeo zareo dia nahita an’i Jesoa nomba tongotra tambony rano nagnankaiky an’ilay lakana,
dia kondrefo dahôlo zareo.
20 Kanefa hozy Jesoa taminjareo:
Izaho ihany anie ity e!
Aza matahotra!
21 Fa tia hisintona Ananjy hiakatra agnatin’ilay lakana zareo;
fa tsy tapitapitr’izay dia tafitody tamin’ilay tany hombanjareo zareo.
22 Kiakan’igny,
hitan’ny ôlona izay nanangana tamoron-dranomasina fa tsisy afa-tsy lakana iraika foagna takeo kanefa tsy tagnatin’ilay lakana nitikinan’ny mpianany Jesoa,
fa zareo irerika foagnany no takao.
23 Tamin’izany,
nisy lakana hafa avy taigny Tiberiasy nitody takaikin’ilay tany nihinananjareo ny mofo,
rehefa avy nisaotra an’Andriamagnitra ny Tômpo.
24 Rehefa tsy hitanjareo takeo Jesoa mbaraky ny mpianany dia niakatra tagnaty lakana nankaigny Kapernaomy zareo hikaraka Ananjy.
25 Ary hitanjareo tampitana taigny Jesoa dia hozy zareo taminanjy:
Ô Ramose!
Tamin’ny noviana ma Ianao no tonga taketo?
26 Dia hozy Jesoa:
Taraviko aminareo marina tsara be fa mikaraka Anahy ianareo avy tamin’ny nihinananareo ny mofo ka voky fa tsy avy tamin’ny nahitanareo ny raha mahagaga nataoko.
27 Miasà mbô hahazoanareo ahanina izay sady mateza no hanjary fiaignana mandrakizay fa tsy hanina mety ho lò.
Hamen’ny Zanak’Ôlona ho anareo izany ahanina izany satria Izy no nasian’Andriamagnitra Ray fitomboka.
28 Dia hozy zareo Taminanjy:
Ino ma izany ny raha tokony hataonay mbô hagnanaovanay ny asan’Andriamagnitra?
29 Dia hozy Jesoa:
Izao no asan’Andriamagnitra,
ianareo mino an’Ilay nasainy.
30 Dia hozy zareo Taminanjy:
Ino ma izany ny raha mahagaga ataonao mbô ho hitanay ka hinoanay anao?
Ino ma ny raha ataonao?
31 Ny razantsika nihinana ny mana tankodahoda taigny,
arak’ilay voasoratra hoe:
“Mofo avy taigny an-dagnitra no namena anjareo mbô hohaniny” (Sal 78. 24).
32 Dia hozy Jesoa:
Taraviko aminareo marina tsara be:
Fa tsy Mosesy avy anie ny nagname anjareo ny mofo avy tan-dagnitra kanefa ny Dadaiko no magname anareo ny tegna mofo avy tan-dagnitra.
33 Fa ny mofo amen’Andriamagnitra dia Ilay midigna avy an-dagnitra ka magname fiaignana ho an’izao tontolo izao.
34 Dia hozy zareo:
Ô Ramose!
Mbô ameo an’izany mofo izany foagna izahay.
35 Dia hozy Jesoa:
Izaho no mofo magname aigna;
izay magnatogna Anahy tsy mbô ho noana izany,
ary izay mino Anahy tsy mbô hangetaheta intsony koa.
36 Kanefa efa notaraviko taminareo:
Efa nahita Anahy ianareo kanefa tsy nino anahy.
37 Izay ôlona dahôlo amen’i Daday Anahy no afaka magnatogna Anahy;
ary izay ôlona magnatogna Anahy dia tsy sakanako izany mihitsy.
38 Tsy handeha hagnano an’izay raha tiako no nidignako avy taigny an-dagnitra fa hagnano ny sitrapon’izay nagnasa Anahy.
39 Izao no sitrapon’izay nagnasa Anahy:
Tsy avelako hisy very izay ôlona dahôlo nameny anahy kanefa hatsangako indray zareo iregny amin’ny andro farany.
40 Izao no sitrapon’i Raiko:
Hahazo fiaignana mandrakizay izay ôlona dahôlo mijery ny Zanaka ka mino Ananjy ary hatsangako koa zareo iregny amin’ny andro farany.
41 Dia nimenomenona tamin’i Jesoa ny Jiosy,
Izy mbôka nitarea hoe:
‘Izaho no mofo nidigna avy tan-dagnitra.’
42 Hozy zareo:
Ka tsy Jesoa zanak’i Josefa ma ilay zalahy ity?
Fantatsika ny ray sy reniny dia magnino ma Izy no mitarea fa nidigna avy tan-dagnitra?
43 Dia hozy Jesoa:
Ajanòny ny menomenonareo.
44 Tsisy ôlona afaka magnatogna Anahy,
raha tsy taomin’i Daday izay nagnasa Anahy;
ary Izaho hanangana anjareo amin’ny maty amin’ny andro farany.
45 Izao no nosoratan’ny mpagnazary:
“Hampianarin’Andriamagnitra zareo dahôlo” (Isa 54. 13).
Ny ôlona dahôlo maharegny ka mianatra amin’i Daday no magnatogna Anahy.
46 Tsisy nahita ny Ray raha tsy Ilay avy amin’Andriamagnitra:
Izy no nahita ny Ray.
47 Taraviko aminareo marina tsara be fa izay mino no managna ny fiaignana mandrakizay.
48 Izaho no mofo magname aigna.
49 Nihinana ny mana tankodahoda ny razagnareo kanefa maty ihany.
50 Ity kosa no mofo midigna avy tan-dagnitra mbô tsy ho foaty izay homana Ananjy.
51 Izaho Ilay mofo velona nidigna avy tan-dagnitra;
raha misy homana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy.
Ny nofoko mbôka no mofo hameko ananjy mbô hahavelona an’izao tontolo izao.
52 Dia nifamatra ny Jiosy ka hozy zareo:
Hanakôry no hahafahan’Ilay zalahy ity hagname ny nofony hohanintsika?
53 Hozy Jesoa:
Taraviko marina aminareo tsara be fa raha tsy homana ny nofon’ny Zanak’Ôlona sy misotro ny rany ianareo,
dia tsy hanagna ny fiaignana agnatinareo akao.
54 Izay homana ny nofoko sy misotro ny rako no managna fiaignana mandrakizay;
ary Izaho hanangana ananjy amin’ny maty amin’ny andro farany.
55 Ny nofoko mbôka no tegna fohanina ary ny rako no tegna fisotro.
56 Izay homana ny nofoko sy misotro ny rako no mipetraka Aminahy ary Izaho koa mipetraka aminanjy.
57 Velona ny Ray izay nagnasa Anahy,
ary velona amin’ny alalany Izaho;
sahala amin’izany koa,
izay homana Anahy no ho velona amin’ny alalako.
58 Ity no mofo nidigna avy tan-dagnitra.
Ity mofo ity dia tsy mbô sahala amin’ilay nohanin’ny razagnareo kanefa maty ihany zareo dahôlo;
fa izay homana an’ity dia ho velona mandrakizay.
59 Izany no raha nampianarin’i Jesoa tamin’Izy takao amin’ny sinagoga taigny Kapernaomy.
Ny tarean’ny fiaignana mandrakizay
60 Betsaka tamin’ny mpianatr’i Jesoa izay naharegny an’izany no nitarea hoe:
Magnahirana izany tarea izany.
Iza koa no hagnaraka an’izany?
61 Ary azon’i Jesoa ognona fa nimenomenona tamin’ny raha notaraviny ny mpianany,
dia hozy taminjareo:
Mampasosy anareo ma izany?
62 Dia hanakôry izany rehefa mahita ny Zanak’Ôlona miakatra ho aigny amin’izay nipetrahany talôha ianareo?
63 Ny Fagnahy no mahavelona;
ny nofo sambirerika dia tsy mahavita raha;
ny tarea notaraviko taminareo dia Fagnahy sy fiaignana.
64 Kanefa tsy mino ny sanagny aminareo.
Hain’i Jesoa letry tam-boalôhany mbôka ny tsy nino sy ilay hamadika Ananjy.
65 Dia hozy Jesoa:
Izany no antony nitaravako taminareo fa tsisy ôlona afaka magnatogna Anahy,
raha tsy raha tsy taomin’i Daday.
66 Nanomboka takeo dia betsaka tamin’ny mpianagny no niala ka tsy nagnaraka Ananjy.
67 Dia hozy Jesoa taminjareo roambin’ny folo lahy:
Te-hiala koa ma ianareo?
68 Hozy Simona Petera:
Ô Tômpo!
Hankaigny amin’iza ma izahay?
Ianao edy anie no managna ny tarean’ny fiaignana mandrakizay e!
69 Mino izahay sady fantatray fa Ilay Masin’Andriamagnitra Ianao.
70 Dia hozy Jesoa:
Tsy Izaho ma no nisafidy anareo roambin’ny folo lahy?
Kanefa devoly ny iraika aminareo.
71 Jodasy,
zanak’i Simona Iskariota,
no notaraviny tamin’izany;
izy ilay hamadika Ananjy na dia agnisan’ny roambin’ny folo lahy aza izy.