Ny nagnamezan’i Jesoa hanina ny ôlona efatra arivo
8
Nisy andro, tafangona indray ny ôlona betsaka ary efa lany vatsy zareo. Nagnatsika ny mpianany Jesoa ka niteny hoe: 2 Mahaforaigna ireto ôlona ireto fa efa telo andro izay no nipetrahanjareo Taminahy taketo, sady tsisy raha hohanina intsony zareo. 3 Raha alifako mody zareo nefa mbôla tsy nihinan-kanina, dia ho disaka an-dàlana, avy akeo ny asagnany avy alavitra. 4 Hozy ny mpianany Taminanjy: Aiza aika hahitana mofo hahavoky an’ireo atỳ ankodahoda atỳ? 5 Dia nagnontany anjareo Jesoa: Misy mofo firy ma aminareo aigny? Fito, hozy zareo. 6 Dia nasain’i Jesoa niantotra tamin’ny tany ny ôlona. Avy takeo, noraisiny ny mofo fito, ka rehefa avy nisaotra an’Andriamagnitra Izy, dia norasainy ary nameny ny mpianany mbô ho zaraina amin’ny ôlona. 7 Dia nisy barahoa madinika vitsivitsy takeo, ka rehefa avy nisaotra an’Andriamagnitra Jesoa, dia nasainy naroso takeo koa. 8 Nihinana ny ôlona dia voky; ary nangonina ny ambikambiny sisa tsy lany, dia mbôla nahafeno karapaka fito. 9 Dia nasainy nody zareo. Tokotokony ho efatra arivo ny isan’ny ôlona takeo.
10 Avy takeo, nitikina lakana Jesoa sy ny mpianany dia tonga taigny amin’ny faritanin’i Dalmanota.
Tsy hisy porofo avy aigny an-dagnitra
11 Avy ny Fariseo dia nifamaka tamin’i Jesoa ka nikaraka porofo avy tan-dagnitra zareo mbô hamandrihany Ananjy. 12 Nisento mafy Jesoa dia hozy: Nagnino ma ity taranaka ity no mikaraka porofo? Taraviko marina aminareo tsara fa tsisy porofo hamena ity taranaka ity. 13 Dia nilaosany zareo, ka nitikina lakana izy nankainy ampitana.
Ny lalivainanjareo Fariseo sy ny an’i Heroda
14 Nagnadino nitondra mofo ny mpianatr’i Jesoa ka tsisy afa-tsy mofo iraika tan-dakana. 15 Dia niteny anjareo Jesoa hoe: Mandiniha ianareo, ka mitandrema, sao dia voa’ny lalivainan’ny Fariseo sy ny lalivainan’i Heroda. 16 Dia nifagnontany zareo: Ilay atsika tsy nitondra mofo ma izany taraviny izany? 17 Hain’i Jesoa ny raha notaravinjareo dia Hozy: Nagnino ma ianareo nifagnadina ny amin’ny tsy fanagnana mofo? Mbôla tsy mahay ma sa tsy mahazo ognogna ianareo? Efa mafy hatoka ma ianareo?
18 Managna maso ianareo nefa tsy mahita.
Ary managna sofina ianareo fa tsy maharegny?
Mbôla tsy tsaroanareo foagna? 19 Tamin’Izaho ilay nirasa mofo dimy tamin’ny ôlona dimy arivo, firy harogna ma ny ambikambiny nangogninareo? Dia hozy ny mpianany: Roa ambin’ny folo. 20 Tamin’Izaho ilay nirasa mofo fito ho an’ny ôlona efatra arivo, firy karapaka ma ny ambikambiny nangoninareo? Dia hozy ny mpianany: Fito. 21 Hozy Jesoa taminjareo: Mbôla tsy azonareo ognona foagna ma?
Ny nampahiratan’i Jesoa ny jamba iraika
22 Tonga takaigny Betsaida Jesoa sy ny mpianany; ary nisy ôlona nitondra lehilahy jamba takeo amin’i Jesoa ka niangavy Ananjy mbô hisafo ilay jamba. 23 Dia notantanan’i Jesoa izy sady nindesiny tambelan’ny tanàna. Rehefa nororany ny masony, ka napetragny taminanjy ny tàgnany, dia nagnotaniany hoe: Inona ny raha hitanao? 24 Dia nosokafan’ilay lehilahy jamba ny masony dia hozy: Mahita ôlona izaho, fa karaha kakazo mandehandeha ny fitazagnako ananjy. 25 Napetak’i Jesoa tamin’ny mason’ilay lehilahy indray ny tagnany. Rehefa nosokafany indray ny masony dia sitragna izy, sady tazany tsara ny raha dahôlo. 26 Avy takeo, hozy Jesoa taminanjy: Mandehana ianao mody fa aza miakatra an-tanàna.
Ny nagneken’i Petera fa Jesoa no Kristy
27 Dia lasa nandeha nankaigny amin’ny tanàna kely magnodidigna an’i Kaisaria-Filipo Jesoa sy ny mpianany. Taminjareo tan-dàlana dia nagnadina ny mpianany Jesoa hoe: Lazain’ôlona iza ma Izaho ity? 28 Dia izao no navalinjareo: Misy mitarea Anao hoe Jaona Mpagnano batisa, ny asagnany indray magnano hoe Elia, ary ny hafa magnano Anao ho agnisan’ny mpagnazary. 29 Nagnadina anjareo indray Jesoa: Ary iza kosa Izaho aminareo? Dia hozy Petera namaly: Ianao no Kristy. 30 Nosakanany ny mpianany tsy hiresadresaka ny momba Ananjy na amin’iza na amin’iza.
Ny nitaravan’i Jesoa voalohany ny amin’ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty
31 Avy takeo, nanomboka nampianatra anjareo Jesoa fa tsy maintsy hijaly be ka tsy ho eken’ny loholona sy ny mpisorogna geda ary ny mpampianadalàna ny Zanak’Ôlona. Dia hovonoina Izy ary hitsangana rehefa afaka telo androa. 32 Ary notaravin’i Jesoa tsara be izany teny izany. Nindesin’i Petera nisintaka kely Izy ary niteny mafy Ananjy izy. 33 Fa nitodika nijery ny mpianany Izy ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mandehana mandeha aigny anao Satana satria tsy magnahoa ny sitrapon’Andriamagnitra anao, fa ny an’ny ôlona foagna.
Ny fomba fagnarahana an’i Jesoa
34 Nantsoviny hagnatona Ananjy ny ôlona mbaraky ny mpianany, dia hozy: Izay te hagnaraka Anahy, dia tsy hiraharaha ny momba ny aignany sy hilanja ny kakazo fijaliany ka hagnaraka Anahy. 35 Fa na iza na iza te hamonjy ny aignany dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny aignany noho ny Aminahy sy ny Tarea Maharavo, dia hahavonjy izany. 36 Fa ino ma ny antombony azon’ny ôlona, na dia mahazo izao tontolo izao aza izy kanefa very ny aignany? 37 Ino ny raha azon’ôlona hamena ho takalon’ny aignany? 38 Na iza na iza no megnatra Anahy sy ny teniko, akeo agnatrehan’ny ôlona amin’izao fotoana izao, izay sady mijangajanga no manota, dia ho megnatra ananjy koa ny Zanak’Ôlona, raha tonga amin’ny voninahitry ny Rainy mbaraky ny anjely masina.