Nisangotra vary tamin’ny Sabata ny mpianatra
12
Indray Sabata izay, nandeha namakivaky tanimbary ery Jesoa. Refogna ny mpianatra tamin’izay ka nisangotra salohim-bary hohaniny. 2 Nahita an’izany ny Fariseo dia hozy zareo Taminanjy: Igny edy, ny mpianatrao fa magnano raha tsy fatao amin’ny andro Sabata. 3 Ary namaly Jesoa hoe: Mbôla tsy novakianareo ma ilay tantaran’ny raha nataon’i Davida, rehefa refogna izy mbarak’izay ôlona nagnaraka ananjy? 4 Niditra tan-dragnon’Andriamagnitra izy ka nihinana ny mofo hatao fagnatitra, izay ny mpisorogna sambirerika no manjary mihinana an’izany fa tsy azony sy ny ôlona nagnaraka ananjy hohanina. 5 Mbôla tsy novakinareo takao amin’ny lalàna ma fa magnano raha tsy fatao ny Mpisorogna akao amin’ny Tempoly amin’ny andro Sabata, nefa tsy voatsigny? 6 Volagniko aminareo fa misy mandombolombo ny Tempoly aketo. 7 Raha mbô hainareo ny dikan’ny teny hoe: Famindrampo no sitrako, fa tsy sorogna alatsa-drà (Hos 6.6), dia tsy mbô nagnameloka ny tsy manan-tsigny ianareo. 8 Fa Tômpon’ny Sabata ny Zanak’Ôlona.
Ilay lehilahy iraika maty tagnana
9 Rehefa niala takeo Jesoa dia niditra takao amin’ny sinagoga. 10 Ary nisy lehilahy iraika maty tagnana takao, dia nagnontanian’ny ôlona Jesoa hoe: Manjary ma ny magnasitragna amin’ny Sabata? Mbô hahitany raha hagnamelohana Ananjy. 11 Dia hozy Jesoa: Iza aminareo ma raha managna ondry iraika latsaka agnaty lavaka amin’ny Sabata no tsy hialaka sy hampakatra ananjy? 12 Tsy mandombolombo ny ondry ma ny ôlona? Ka aminjany, dia manjary ny magnano soa amin’ny Sabata. 13 Dia hozy Jesoa tamin’ilay r’Ingahy: Enjagno ny tagnanao. Dia nenjagniny ny tagnany ka sitragna ôhatra ilay iraika.
14 Dia nivoaka ny Fariseo ka niady hevitra mikasika ny hamonoana Ananjy.
Jesoa ilay mpanompon’Andriamagnitra
15 Fa hain’i Jesoa izany dia niala takeo Izy.
Ary nisy ôlona betsaka be nagnaraka Ananjy ka nositragniny avy zareo dahôlo. 16 Ary namepetra anjareo Izy tsy hagnano izay hahafantarana Ananjy 17 mbô hahatanteraka ny raha notaravin’ Isaia mpagnazary hoe:
18 “Ity ny mpanompoko izay nofantenako,
ny Tiako, izay tegna ankasitrahan’ny foko;
hapetrako Aminanjy akao ny Fagnahiko,
ary hitory ny rariny amin’ny Jentilisa Izy.
19 Tsy hifamatra na hihaikaika Izy;
tsisy haharegny ny feony aigny an-dalana;
20 tsy hotapahiny ny bararata maradratra,
ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetroka,
ambara-pamoahany ny rariny ho mpandresy;
21 ary ny agnarany no atokisan’ny Jentilisa.” (Isa 42.1-4)
Manjary miaraka ma Jesoa sy ny demonia?
22 Nindesina tamin’i Jesoa koa ny lehilahy iraika sady jamba no moagna satria nigodagnin’ny demonia. Dia nositragnin’i Jesoa ilay lehilahy ka nanjary niteny sy nahita.
23 Dia tofoka ny ôlona dahôlo ka nitarea hoe: Tsy ity edy ma ilay zanak’i Davida? 24 Rehefa regnin’ny Fariseo izany dia hozy zareo: Belzeboba talaben’ny demonia no androasan’ilay r’Ingahy io ny demonia.
25 Hain’i Jesoa ny tagn’eritrerigny ka hozy taminjareo: Hiagna ny fanjakana dahôlo izay mifamotika, ary tsy hateza ny tanàna na ny ôlona iray tragno izay mifamotika. 26 Raha Satana no mandroaka an’i Satana, dia mifamotika zareo, ka magnino ma izany no hateza ny fanjakany? 27 Ary raha fahefana avy amin’i Belzeboba no androasako ny demonia, dia mbô fahefana avy amin’iza kosa no androasan’ny zanakareo ananjy? Noho izany, zareo ireo no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny fagnahin’Andriamagnitra indray no androasako ny demonia, dia efa tonga aminareo tokoatrany izany ny fanjakan’Andriamagnitra. 29 Fa hataon’ny ôlona manakôry ma ny hiditra an-dragnon’ny ôlona matanjaka ka handrava ny entany, raha tsy afatony malôha ilay matanjaka? Izay vao handrava ny raha an-dragnony akao izy. 30 Izay tsy miaraka Aminahy dia manohitra Anahy, ary izay tsy miara-magnandroka Aminahy dia magnapariaka.
Ho tsaraina amin’ny teniny ny zanak’olombelona
31 Ary aminjany dia volagniko aminareo hoe: Hahazo famelankeloka ny ôlona amin’ny ota sy ny fagnasahana isan-karazagny ataony, fa ny ôlona magnasaha ny Fagnahy Masina indray dia tsy hahazo famelankeloka. 32 Ary na iza na iza mitarea hanohitra ny Zanak’Ôlona dia hahazo famelankeloka, fa na iza na iza mitarea hanohitra ny Fagnahy Masina dia tsy hahazo famelankeloka izy, na amin’izao fiaignana izao, na amin’ny ho avy.
33 Ataovy tsara ny kakazo sy ny voaniny, na ataovy ratsy ny kakazo sy ny voaniny satria ny voaniny no hahaizana ny kakazo. 34 Ianareo tamingan’ny bibilava! Hataonareo ratsy lôha manakôry ma ny hitarea raha tsara? Fa avy amin’ny habetsahan’ny agnatin’ny fo no hitaravan’ny vava. 35 Avy amin’ny raha tsara nakajiany no amoahan’ny ôlona tsotra raha tsara; ary avy amin’ny raha ratsy nakajiany no amoahan’ny ôlona ratsy lôha raha ratsy. 36 Ary volagniko aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia hasaina hagnazava ny teniteny foagna nataony ny ôlona. 37 Fa ny raha taravinao no hagnamarinana anao; ary ny raha taravinao no hanamelohana anao.
Ny famantarana mikasika an’i Jona; ny mpanjakavavy avy aigny atsimo
38 Tamin’izany fotoana izany dia nivolagna Taminanjy ny asagnany tamin’ny mpampiana-dalàna sy ny Fariseo hoe: Ô Ramose! Te-hahita famantarana avy Aminao izahay. 39 Fa Jesoa namaly anjareo hoe: Izay tamingana ratsy lôha sy mijangajanga dia fatra-pikaraka famantarana; nefa tsisy famantarana hamena ananjy, afa-tsy ny famantarana mikasika an’i Jona mpagnazary. 40 Fa sahala amin’ny nipetrahan’i Jona telo andro sy telo alina tagnatin’ny kibon’ny barahoa gedabe, dia ôhatra izany koa ny hipetrahan’ny Zanak’Ôlona telo andro sy telo alina ambanin’ny tany akao. 41 Amin’ny andro fitsarana dia hiara-hitsangana amin’ity tamingana ity ny ôlona avy aigny a-Ninive ka hagnameloka anjareo; fa nibebaka zareo tamin’ny toriteny nataon’i Jona; kanefa aketo mbôla misy geda mandombolombo an’i Jona. 42 Amin’ny andro fitsarana dia hiara-hitsangana amin’ity tamingana ity ny mpanjakavavy avy aigny atsimo ka hagnameloka anjareo satria avy taigny amin’ny faran’ny tany izy no tonga hitaino ny fahendren’i Solomona; kanefa aketo mbôla misy geda mandombolombo an’i Solomona.
Ny fiveregnan’ny fagnahy maloto
43 Rehefa mivoaka amin’ny ôlona iraika ny fagnahy maloto dia mandeha mitety tany tsisy rano izy, mikaraka tany hialany disaka nefa tsy mahita. 44 Dia hozy: Hody aigny an-dragnoko izay nialako izaho. Ary rehefa tonga izy, dia hitany fa babangoana ny tragno sady efa voafafa sy voalamina. 45 Dia lasana izy ka mipaitra fagnahy fito hafa koa miaraka aminanjy izay ratsy mandombolombo ananjy, dia miditra zareo ka mipetraka akao. Dia hanjary ratsy mandombolombo ny tamin’ny voalôhany ny fiafaran’izany ôlona izany. Dia sahala amin’izany koa ny raha hahazo an’ity tamingana ratsy lôha ity.
Ny tegna fianakavian’i Jesoa
46 Raha mbôla niresaka tamin’ny vahoaka Jesoa, dia avy ny reniny mbaraky ny rahalahiny nanangana tan-tokontany takeo nikaraka fomba hiresahany Aminanjy. 47 Nisy ôlona iraika nitarea Taminanjy hoe: Akao an-tokontany akao ny reninao mbaraky ny rahalahinao magniry hiresaka aminao. 48 Fa namaly Jesoa hoe: Iza ma ny reniko, ary iza ma ny rahalahiko? 49 Dia natsotrany ny tagnany ary nanondro ny mpianany Izy ka hozy: Zareo ireo no reniko sy rahalahiko. 50 Fa na iza na iza magnano ny sitrapon’ny Dadaiko izay aigny an-dagnitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.