Ny nitetezan’i Jesoa ny tanàna betsaka be tany Galilia, sy ny nanompoan’ny vehivavy asagnany Ananjy
8
Tafaran’izay dia lasana Jesoa nitety tanàna sy vohitra, nitory ny Tarea Maharavon’ny fanjakan’Andriamagnitra, ary nagnaraka Ananjy zareo roambin’ny folo lahy 2 mbaraky ny vehivavy asagnany izay nositragniny tamin’ny fagnahy ratsy sy ny aretina, dia Maria nantsoina koa hoe Magdalena, izay efa nivoahana masôntôko fito, 3 sy Johana vadin’i Koza, ilay mpitantagna ny fanagnan’i Heroda, ary Sosana mbaraky ny vehivavy betsaka hafa koa, izay nanompo Ananjy tamin’ny fanagnany.
Fagnoharana nataon’i Jesoa
4 Nisy vahoaka betsaka avy tamin’ny tanàna manodidina nagnatona an’i Jesoa, ka tafangona takeo Aminanjy. Dia nagnano fagnoharana Izy hoe: 5 Nisy mpamboly iraika nivoaka handeha hamafy. Rehefa namafy izy dia voafafy tamoron-dàlana ny asagnany, ka voahitsakitsaka ary lanin’ny vorogna. 6 Nisy koa voafafy tambonin’ny vatolampy, ka raha vao nitrebogna dia nalazo satria tsy nisy hamandoana. 7 Fa ny asagnany voafafy tagnaty tsilo, ka niara-naniry tamin’ny tsilo dia voatery takao. 8 Ny asagnany kosa voafafy tamin’ny tany tsara, ka naniry ary namoa avo zato heny.
Rehefa avy nivolagna an’izany Jesoa dia hozy: Izay manan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!
9 Dia nagnontany Ananjy ny mpianany hoe: Inona no dikan’izany fagnoharana izany? 10 Dia hozy: Navela ho fantatrareo ny raha misitrika mikasika ny fanjakan’Andriamagnitra; fa ho an’ny ôlon-kafa kosa dia fagnoharana no atao,
mbô hijery izy, fa tsy hahita,
ary hitaino izy fa tsy hahazo ognon-draha (Isa 6.9).
11 Izao no dikan’ilay fagnoharana takeo: Ny voa nafafy dia ny Tenin’Andriamagnitra. 12 Ireo voafafy tamoron-dalàna dia izay naharegny, nefa avy ny devoly ka nangala ny teny tam-pony, sao dia hino izy ka hovonjena. 13 Ireo voafafy tambonin’ny vatolampy dia izay naharegny sady nandray ny teny tamin’ny hafaliana, nefa tsy namàka ny finoany fa tsy nahadigny ela avy. Rehefa tonga ny fitsapam-pagnahy dia miverin-dàlana izy. 14 Ireo lasana tagnaty tsilo dia izay naharegny, kanefa nony nandeha izy, dia voagejan’ny tebiteby sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiaignan’izao ka tsy nahavagnom-boa. 15 Fa ireo voafafy tamin’ny tany tsara indray dia izay naharegny ny teny tamin’ny fo sady marina no tsara, ka nitàna izany dia namoa tamin’ny faharetana.
16 Tsisy ôlona mampirehitra jiro ka manarogna ananjy amin’ny vata na mametraka ananjy ambany fandriana, fa apetragny amin’ny fitoeran-jiro izany, mbô ho hitan’izay miditra ny hazavana. 17 Fa tsisy takona izay tsy ho hita, na raha misitrika izay tsy ho fantatra sy tsy haboagna. 18 Tandremo ary ny fitainoanareo, fa izay magnana dia hamena, ary izay tsy magnana kosa, na dia izay lazainy fa ananjy aza dia halaigna aminanjy.
Ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny
19 Ary ny renin’i Jesoa sy rahalahiny nagnatona hijery Ananjy, fa tsy afaka satria nifanizina be ny vahoaka. 20 Ary nisy ôlona nitarea taminanjy hoe: Akao an-tokontany akao ny reninao sy ny rahalahinao fa te hahita Anao.
21 Dia hozy Jesoa: Izay ôlona mitaino ny Tenin’Andriamagnitra ka mankatô an’izany no reniko sy rahalahiko.
Ny nampijanonan’i Jesoa ny tafio-drivotra
22 Nisy andro, nitikina lakana Jesoa sy ny mpianany; dia hozy: Andao atsika hitsaka ity farihy ity. Dia lasa zareo. 23 Nony lasa kelikely dia resin-tory Jesoa. Ary nitsoka mafy be ny rivotra tamin’ilay farihy ka saika feno rano ny lakana, ary saika nidiran-doza zareo.
24 Notairinjareo Jesoa dia hozy zareo: Ô Ramose! Maty atsika!
Dia nifoha Jesoa ka nitsangana. Niteny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano Izy, dia nanangana ka lasa tsara ny andro. 25 Dia hozy tamin’ny mpianany: Aiza ny finoanareo? Gaga sady natahotra ny mpianatra ka nifagnadina hoe: Iza ma Ity? Ny rivotra sy ny rano baikony dia magnaiky Ananjy.
Nagnasitrana lehilahy iraika nigodagnin’ny demonia Jesoa
26 Teo Gerasena,a faritany tandrifin’ny Galilia takeo zareo no nijanona. 27 Dia nidigna an-tanety Jesoa ka nifanena tamina lehilahy iraika nigodagnin’ny demonia avy takao an-tanàna. Efa ela izy io no nagnary lamba sady tsy nipetraka tan-dragno, fa takaigny amin’ny fasagna. 28 Vao nahatazagna an’i Jesoa izy dia nikiakiaka sady nenkohoka takeo an-tongony ka nagnantso mafy hoe: Ino ma no hataonao aminahy ry Jesoa Zanak’Andriamagnitra Avo Indrindra? Miangavy Aminao izaho, aza ampijaliana. 29 Dia nobaikoin’i Jesoa hiala tamin’ilay iraikalahy ny fagnahy maloto satria efa ela taminanjy izany; efa notadiana ny tagnany sy ny tongony sady nambenana izy, kanefa dia notapahany ny fatotra ary nentin’ny masôntôko nirifatra nankaigny ankodahoda izy.
30 Dia nagnontanian’i Jesoa izy hoe: Iza ma ny agnaranao?
Legiona, hozy. Demonia betsaka be mbôka no efa niditra taminanjy. 31 Dia niangavy tamin’i Jesoa ny masôntôko mbô tsy hobaikoiny hankaigny amin’ny lavaka tsy hita popoka.
32 Nisy kisoa betsaka iray dia nambesana tantampontanety takaiky teo, dia nangataka tamin’i Jesoa ny demonia mbô hiditra tagnatin’ireo. Dia nekeny. 33 Rehefa nivoaka tamin’ilay iraikalahy ny demonia, dia niditra tagnatin’ny kisoa. Dia nivantavanta tagnaty tevagna ireo kisoa iray dia ireo, ka nivarigna tagnaty farihy, ary maty taigny.
34 Nony hitan’ny mpagnandroka kisoa izany raha dahôlo izany, dia nilefa zareo ka nitantara izany taigny an-tanàna sy taigny an-tsaha. 35 Dia nivoaka dahôlo ny ôlona mbô hitazagna an’izany raha izany. Nony tonga taigny amin’i Jesoa zareo, dia nahita an’ilay iraikalahy izay efa nialan’ny demonia. Nipetraka takeo akaikin’ny tongotr’i Jesoa izy, efa salama saina tsara sady magnano akanjo. Dia natahotra dahôlo ny ôlona. 36 Izay nahita an’izany dia nitarea tamin’ny ôlona ny nagnasitranana an’ilay iraikalahy nigodagnin’ny demonia.
37 Dia niangavy an’i Jesoa ny ôlona taigny Gerasena sy ny magnodidina mbô hialany aminjareo satria natahotra be zareo. Dia nitikina lakana nierigna indray Jesoa.
38 Niangavy hanaraka an’i Jesoa ilay iraikalahy izay nivoahan’ny masôntôko nefa nasain’i Jesoa nody izy ka notaraviny hoe: 39 Ndàna ihany mody agny an-dragnonao, ka tantarao agny ny raha dahôlo nataon’Andriamagnitra taminao. Dia nandeha izy ka notantarainy eran’ny tanàna ny raha dahôlo nataon’i Jesoa taminanjy.
Ny zanakavavin’i Jairo sy ilay vehivavy nitamo ny lamban’i Jesoa
40 Rehefa tafaverigna Jesoa dia nandray Ananjy tsara ny vahoaka satria efa nandigny Ananjy zareo dahôlo. 41 Nisy lehilahy iraika, Jairo no fagnantsovana ananjy. Ôlona gedan’ny sinagoga izy. Nenkohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy ka niangavy Ananjy mbô handroso an-dragnony. 42 Narary mafy efa ho faty mbôka ny zanagny vavy iraika akeo ho akeo amin’ny roa ambin’ny folo taona akeo.
Ary raha nandeha Jesoa, dia nifanisika taminanjy ny ôlona. 43 Tamin’ireo ôlona ireo, nisy vehivavy iraika narary nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona. Fongana ny raha nanagnany dahôlo tamin’ny famonjena mpitsabo isan-karazany nefa tsy nety sitragna izy. 44 Nandeha tan-dakambohon’i Jesoa ilay vehivavy ka nikitika ny morontongotr’akanjony, ary takeo noho akeo dia nijanona ny ra nandeha taminanjy.
45 Dia hozy Jesoa: Iza nikitika Anahy takeo? Samby tsy nagneky dahôlo zareo dahôlo, dia hozy Petera sy ny namany: Ô Ramose! Mifanisika ny ôlona ka nanery Anao.
46 Fa hozy Jesoa: Aha! Nisy nitamo Izaho takeo; regniko fa nisy hasina niala Taminahy.
47 Nangitakitaka ilay vehivavy rehefa tsy afaka nisitrika intsony izy. Nagnatogna an’i Jesoa izy sady nenkohoka tagnoloany, dia nilaza tagnatrehan’ny vahoaka dahôlo takeo ny antony nikitihany Ananjy sy izy sitragna takeo noho akeo. 48 Dia hozy Jesoa taminanjy: Ny finoanao no nahavonjy anao, zanako. Mandehana soa aman-tsara!
49 Jesoa mbôla nitarea igny, dia nisy ôlona iraika avy tan-dragnon’ilay ôlona gedan’ny sinagoga tonga takeo. Dia hozy tamin’i Jairo: Maty ny zanakao! Aza sahiragnina intsony Ramose.
50 Nony regnin’i Jesoa izany, dia hozy tamin’i Jairo: Aza matahotra avy. Minoa foagna dia ho voavonjy ny zanakao.
51 Rehefa tonga tan-tokotanin’i Jairo Izy, dia tsy nisy ôlona nasainy niditra tan-dragno niaraka Taminanjy raha tsy i Petera, Jaona sy Jakoba izin’ny ray sy renin’ilay zaza. 52 Nitomagny nigololoka an’ilay zaza ny ôlona dahôlo. Fa hozy Jesoa: Aza mitomagny; tsy maty avy izy io fa matory.
53 Dia nihomezan’ny ôlona Izy satria efa hainjareo fa maty ilay zaza. 54 Noraisin’i Jesoa ny tàgnan’ilay zaza dia hozy: Ô zaza ity! Mifohaza ianao! 55 Dia tampodiana izy ka nitsangana takeo noho akeo ary nasain’i Jesoa namena hanina. 56 Nidagnàka ny ray sy reniny. Fa noferan’i Jesoa tsy hilazalaza amin’ôlona ny raha niseho takeo zareo.