Ny nagnasitranan’i Jesoa ny mpanompon’ilay Kapiteny
7
Rehefa vitan’i Jesoa tamin’ôlona takeo izany toriteniny izany, dia nankaigny a-Kapernaomy Izy.2 Nisy kapiteny iraika nanagna mpiasa tegna tiany be. Narary efa ho faty io mpiasa io. 3 Kôfa naharegny ny lazan’i Jesoa ilay kapiteny, dia nagniraka tangalamenan’ny Jiosy hankaigny amin’i Jesoa mbô hangataka Ananjy ho avy hagnasitragna ny mpiasany. 4 Rehefa tonga tamin’i Jesoa zareo, dia niangavy mafy Ananjy hoe: Mendrika hagnanaovanao an’izany io kapiteny io, 5 satria tiany ny firenentsika, sady izy koa efa nanangana ny sinagogantsika. 6 Dia niara-nandeha taminjareo Jesoa.
Rehefa tonga takaikin’ilay tragno Jesoa, dia nasain’ilay kapiteny indray ny namany hilaza Aminanjy hoe: Aza misahirana ôhatran’izao re, Tômpoko, fa tsy mendrika ny hampandroso anao akao an-dragnoko akao izaho. 7 Na izaho aza tsy mendrika handeha hankeo Aminao; fa mivolàgna foagna dia ho sitragna ny gaognako. 8 Na dia izaho koa aza anie mbô managna ny sefoko, sady managna ny miaramila feheziko; ka raha miteny amin’ny iraika izaho hoe: Mandehana! Dia mandeha izy, ary amin’ny iraika hoe: Avia! Dia avy izy, ary amin’ny gaognako hoe: Ataovy izao! Dia magnano izy.
9 Gaga Jesoa naharegny an’izany. Dia nitodika Izy ka nagnano tamin’ny vahoaka izay nagnaraka Ananjy hoe: Taraviko aminareo fa mbôla tsy ary nahita ôlona nanagna finoana gedabe ôhatra izany Izaho, na dia tamin’ny Israely aza. 10 Ary rehefa tafaverigna tan-dragnon’ilay kapiteny ireto ôlona nasainy ireto, dia hitany fa sitragna ilay gaognany.
Ilay zanakalahin’ilay maty vady takao Naina
11 Tafarakelin’igny Jesoa dia nankaigny an-tanàna atao hoe Naina; ary nagnaraka Ananjy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka. 12 Ary rehefa tonga takaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia nifanena tamin’ôlona betsaka handeha handevigna zanaka lahitokan’ny vehivavy iraika efa maty vady. 13 Kôfa nahita an’ilay vehivavy ny Tômpo, dia foraigna ananjy Izy ka hozy taminanjy: Aza mitomagny.
14 Dia nagnatona Jesoa ka nikitika ny vatam-paty, dia nijanona ireo mpilanja. Ary hozy Jesoa: Ô ilay gaogna ity! Izaho miteny aminao hoe: Mifohaza! 15 Dia nifoha ilay maty sady niteny, ka namen’i Jesoa an-dreniny.
16 Ambory dahôlo ny ôlona ka nagname voninahitra an’Andriamagnitra hoe: Efa amintsika aketo izao ny mpagnazary be, sady efa mijery ny ôlony Andriamagnitra. 17 Dia niparitaka eraky ny tanànan’i Jodia sy tamin’ny tany magnodidina ny lazan’i Jesoa ny aminjany raha izany.
Ireo irak’i Jaona Mpagnano batisa
18 Ary ny mpianatr’i Jaona nitantara an’izany raha dahôlo izany Taminanjy. Dia nagnantso roa lahy tamin’ny mpianany izy, 19 ka nagniraka anjareo hagnontany an’i Jesoa hoe: Ianao ma Ilay ho avy sa mbôla misy hafa dignesantsika?
20 Ary rehefa tonga taigny amin’i Jesoa izy roalahy, dia hozy zareo: Nasain’i Jaona Mpagnano batisa hankaty aminao izahay hagnontany hoe: Ianao ma ilay ho avy sa mbôla misy hafa dignesantsika?
21 Ary betsaka be ny ôlona nositragnin’i Jesoa tamin’ny aretina isan-karazany sy ny fagnahy ratsy tamin’izany fotoana izany. Nampahiratra poaka betsaka be koa Izy. 22 Dia hozy Jesoa taminjareo: Mandehana tantarao amin’i Jaona izao raha hitanareo sy regninareo izao: Mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mikotrila, diovina ny boka, maharegny ny maregnina, atsangana ny maty, ary itoriana ny Tarea Maharavo ny mahaforaigna. 23 Sambatra izay tsy magnary ny finoany noho ny Aminahy.
24 Nony lasana izy roalahy nasain’i Jaona, dia nitarea momba an’i Jaona tamin’ny vahoaka i Jesoa hoe: Hikaraka inona ma no nandehananareo taigny ankodahoda taigny? Bararata hozongozognin’ny rivotra ma? 25 Sa hikaraka inona? Ôlona miakanjo tsara ma? Akao an-dragnon’ny mpanjaka no misy miakanjo tsara sy manan-draha tsara betsaka be. 26 Sa ino? Mpagnazary ma? Iainy! Sady lombolombon’ny mpagnazary Jaona. 27 Izy mbôka ilay voasoratra hoe:
Magniraka ôlona handeha mialôha Izaho,
hagnamboatra ny lalana akeo alôhanao (Mal 3.1).
28 Taraviko aminareo, tsisy geda noho Jaona amin’izay natera-behivavy; kanefa ny farany kitika amin’ny fanjakan’Andriamagnitra dia mbôla geda noho izy.
29 Ary ny vahoaka sy ny mpitaky hetra takeo raha naharegny ny raha notaravin’i Jaona, dia nagneky fa marina Andriamagnitra, ka nataony batisa. 30 Nandà ny fikasan’Andriamagnitra ho anjareo ny Fariseo sy ny mpahay lalàna, ka tsy nagneky hataon’i Jaona batisa.
31 Inona edy no hanoharako ny ôlona amin’ity taranaka ity? Hampitoviana amin’iza? 32 Ôhatra ny gaogna madinika mentòtra an-tsena zareo, mifagnantso hoe:
Efa nitsoka sodina taminareo izahay,
kanefa tsy nandihy ianareo;
efa nihira hira fisaonana izahay,
nefa tsy nigololoka nitomagny ianareo.
33 Tonga Jaona Mpagnano batisa, tsy mbô nihinana hanina mahazatra ny ôlona na nisotro divay izy, dia hozy ianareo: Misy masôntôko mipetraka aminanjy. 34 Nony tonga ny Zanak’Ôlona, ka mihinana sy misotro, dia hozy ianareo: Ôlona matin-kanina sy mpiboboka divay, naman’ny mpitaky hetra sy ny mpanota Izy.
35 Kanefa ny fahendrena dia eken’ny zanany dahôlo fa marina.
Ny namelan’i Jesoa ny helok’ilay vehivavy mpanota
36 Nisy Fariseo iraika nagnasa an’i Jesoa hiaraka hihinana aminanjy. Ary niditra takao an-dragnon’ilay Fariseo Izy ka niantotra hihinana. 37 Nisy vehivavy nalaza ratsy takao an-tanàna ka vao fantany fa mihinana akao an-dragnon’ilay Fariseo Jesoa, dia nankaigny izy nitondra tavoahangy alabastara feno diloilo magnitra. 38 Nitsangana tafaran’i Jesoa, takaikin’ny tongony, izy sady nitomagny. Dia kotsan’ny ranomasony ny tongotr’i Jesoa ka nofafany tamin’ny volon-dohany sady norokorohany sy nohosorany an’ilay diloilo magnitra.
39 Rehefa hitan’ilay Fariseo nagnasa Ananjy izany, dia hozy tam-pony: Raha tegna mpagnazary Ity, dia hainy fa mpanota io vehivavy mikasika Ananjy io.
40 Dia hozy Jesoa taminanjy: Ô Simona! Misy raha tiako taravina aminao.
Dia hozy: Teneno Ramose a!
41 Nisy lehilahy iraika nampisambo-bola ôlona roa lahy: ny iraika nampisamboriny denaria dimanjato, ary ny iraika kosa dimampolo. 42 Samby tsy nanagna vola hanefana ny trosany izy roalahy, dia samby napetragny. Iza aminjareo roalahy ma izany no tegna tia ananjy?
43 Hozy Simona: Ilay namoizany betsaka.
Dia hozy Jesoa taminanjy: Marina izany.
44 Ary niherika Jesoa nijery an’ilay vehivavy dia hozy tamin’i Simona: Hitanao ma io vehivavy io? Niditra takato an-dragnonao Izaho, tsy mbô nomenao rano hanasako tongotra; izy kosa anefa nagnakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, dia namafa izany tamin’ny volon-dohany. 45 Ianao tsy mbô nagnoroka Anahy; nefa izy tsy mbôla nijanona nagnoroka ny tongotro hatrizay nahatongavako takato an-dragnonao. 46 Ianao tsy mbô nagnosotra diloilo ny lôhako; fa izy nagnosotra diloilo magnitra ny tongotro. 47 Ka izao ny raha koraniko aminao: Voavela ny helogny be satria be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.
48 Dia hozy Jesoa tamin’ilay vehivavy: Voavela ny helokao.
49 Ary nifagnontany zareo dahôlo izay niara-nihinana Taminanjy takeo hoe: Iza ma Ity no mbô mamela heloka?
50 Dia hozy tamin’ilay vehivavy: Ny finoanao no efa namonjy anao. Mandehana soamantsara.