11
Rehefa avy nagnafatrafatra ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Jesoa dia niala takeo Izy mbô hampianatra sy hitory aigny amin’ny tanàna magnodidina.
Ny fagnontaniana nataon’i Jaona Mpanao batisa
2 Rehefa regnin’i Jaona tam-pigadrana ny asa nataon’i Kristy, dia nagniraka ny mpianany izy 3 hagnadina Ananjy hoe: Ianao ma ilay ho avy sa mbôla misy hafa dignesantsika? 4 Dia namaly anjareo Jesoa hoe: Mandehana ianareo ka tantarao amin’i Jaona izao raha regninareo sy hitanareo izao: 5 Mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mikotrila, diovina ny boka, maharegny ny maregnina, mitsangana ny maty, ary itoriana ny Tarea Maharavo ny mahaforaigna. 6 Ary sambatra izay tsy magnary ny finoany noho ny Aminahy.
7 Rehefa lasa ny ôlona nirahin’i Jaona dia nivolagna raha mikasika an’i Jaona tamin’ôlona takeo Jesoa hoe: Hikaraka ino ma no nandehananareo taigny ankodahoda? Bararata nohozongozonin’ny rivotra ma? 8 Sa hikaraka ino? Ôlona tsara akanjo ma? Mipetraka aigny an-dragnon’ny mpanjaka ny ôlona tsara akanjo. 9 Sa ino? Mpagnazary ma? Iainy! Izany mihitsy, sady taraviko aminareo fa mandombolombo ny mpagnazary i Jaona. 10 Izy mbôka ilay voasoratra hoe:
“Magniraka ny irako hialôha Anao Izaho
mbô hagnambôatra ny lalana alôhanao” (Mal 3.1).
11 Taraviko aminareo tsara be fa tsy mbôla nisy nijôro ho geda noho Jaona mpagnano batisa tamin’izay natera-behivavy kanefa ny farany kitika amin’ny fanjakan’ny lagnitra dia mbôla geda noho izy. 12 Ary hatramin’ny andron’ny Jaona Mpagnano batisa ka mandraka ity nigniany, dia rombahina ny fanjakan’ny lagnitra ary mialaka ananjy an-keriny ny mpandrobaka. 13 Fa hatrakeo amin’ny andron’i Jaona dia nagnazary ny mpagnazary dahôlo sy ny lalàna. 14 Raha te hagnaiky izany anareo dia izy no Elia izay ho avy. 15 Izay manan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!
16 Inona edy no hanoharako ny ôlona amin’ity taranaka ity? Ôhatra ny gaogna madinika mentòtra an-tsena zareo, magnantso ny namany hoe:
Efa nitsoka sodina taminareo izahay,
17 kanefa tsy nandihy ianareo;
efa nihira hira fisaonana izahay,
fa tsy nigololoka nitomagny ianareo.
18 Tonga Jaona, tsy mbô nihinana hanina mahazatra ny ôlona na nisotro divay izy, dia hozy ny ôlona: Misy masôntôko mipetraka aminanjy. 19 Nony tonga ny Zanak’Ôlona, mihinana sy misotro, dia hozy indray ny ôlona: Ôlona matin-kanina sy mpiboboka divay Izy, naman’ny mpitaky hetra sy ny mpanota. Fa hamarinin’ny asany ny fahendrena.
Ireo tanàna tsy nety nino
20 Ary notenenin’i Jesoa mafy ny tanàna dahôlo izay nagnanaovany ny ankamaroan’ny raha mahagaga satria tsy nibebaka zareo ka hozy: 21 Antambonao ry Korazina! Antambonao ry Betsaida! Raha mbô takaigny Tiro sy Sidona mbôka no nagnanaovana ny raha mahagaga matomboka izay natao takeo aminareo, dia efa ela zareo no nibebaka ka nisikina lamba fisaonana sy nihosogna lavenona. 22 Volagniko aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia ho moramora avy ny raha hahazo an’i Tiro sy Sidona noho ny raha hahazo anareo. 23 Ary ianao Kapernaomy, mihevitra ma izany ianao fa hakarina hatraigny an-dagnitra? Tsy izany fa hampidignina akaigny amin’ny toerana misy ny maty ianao! Fa raha mbô takaigny Sodoma mbôka no nagnanaovana ny raha matomboka izay natao takeo aminao, dia mbôla ho nisy hatramin’izao izy. 24 Volagniko aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia ho moramora avy ny raha hahazo an’i Sodoma noho ny raha hahazo anao.
Ny Zanaka magnambara ny Ray
25 Tamin’izany fotoana izany dia nivolagna Jesoa hoe: Midera anao Izaho, Dadaiko, Tômpon’ny lagnitra sy ny tany! Nasitrikao tamin’ny ôlona misy fagnahy sy ny manan-tsaigna izany raha dahôlo izany fa natoronao ny gaogna madinika. 26 Iainy Dadaiko, izany tokoatra no sitraponao.
27 Efa namen’ny Raiko Anahy ny raha dahôlo. Tsisy ôlona mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsisy mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampitoroana Ananjy. 28 Avia atỳ Aminahy ianareo dahôlo izay miasa mafy sy milanja entana mavesatra fa hameko fialan-dreraka ianareo. 29 Lanjao ny zogako ka mianara Aminahy, fa sady malemy paika no tsy miavogna ny foko, dia hahita fialan-dreraka ho an’ny fagnahinareo ianareo. 30 Fa mora lanjaina ny zogako ary maivagna ny entako.