Ny nagnirahan’i Jesoa ny fitopolo lahy
10
Tafaran’igny, nifidy fitopolo lahy hafa koa ny Tômpo, ka nasainy nandeha tsiroairoay zareo hisava làlana Ananjy aigny amin’ny tanàna sy ny tany dahôlo noeritreretiny handehanana. 2 Dia hozy taminjareo: Betsaka ny vokatra fa vitsy ny ôlona hiasa; ka mangataha amin’ny Tômpon’ny vokatra mbô handefasany ôlona hitahy hampakatra ny vokatra. 3 Mandehana! Magniraka anareo sahala amin’ny zanak’ondry agnivon’ny amboadia Izaho. 4 Aza mitondra pôketra, na valizy misy vatsy, na kapa. Aza mijanona mbô hifagnatsafa amin’ny ôlona mifanena aminareo eny an-dàlana. 5 Tonogno voalohany amin’izay tragno hidiranareo hoe: Fiadanana ho amin’ity tragno ity. 6 Raha misy ôlon’ny fiadanana akao, dia ho aminanjy ny fiadanana tonogninareo; fa raha tsisy, dia hierigna aminareo ihany izany. 7 Manangàna aminjany tragno izany anareo fa aza mifindrafindra. Hoano sy sotroy izay aroson’ny tômpon-tragno anareo satria mendrika handray ny karamany ny ôlona miasa. 8 Izay tanàna hiakaranareo, ka misy ôlona mandray anareo akao, dia hoano izay arosonjareo. 9 Sitragno izay marary. Taravo amin’ôlona akao hoe: Efa akaiky anareo ny fanjakan’Andriamagnitra. 10 Izay tanàna hiakaranareo, ka tsisy mandray anareo ny ôlona akao, dia mandehana amin’ny arabe ary mitarava hoe: 11 Ahintsagnay hiampanga anareo ny vovoky ny tanànanareo izay magnaraka ny tongotray. Fa tsara ho fantatrareo fa efa akaiky anareo ny fanjakan’Andriamagnitra. 12 Taraviko aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia ho azoazo ny sazy hahazo an’i Sodoma noho ny hahazo an’izany tanàna izany.Ireo tanàna tsy mety mino
13 Antambonao ry Korazina! Antambonao ry Betsaida! Raha mbô takaigny Tiro sy Sidona mbôka no nagnanaovana ny raha mahagaga izay natao taminareo, dia efa ela zareo no nibebaka ka nisikina lamba fisaonana sy nihosogna lavenona. 14 Amin’ny andro fitsarana dia ho moramora avy ny raha hahazo an’i Tiro sy Sidona noho ny raha hahazo anareo. 15 Ary ianao Kapernaomy, mihevitra ma izany ianao fa hakarina hatraigny an-dagnitra? Tsy izany fa hampidignina akaigny amin’ny toerana misy ny maty ianao.
16 Izay mitaino anareo dia mitaino Anahy. Izay mandà anareo dia mandà Anahy. Ary izay mandà Anahy dia mandà izay nagniraka Anahy.
Nierigna ny mpianatra fitopolo lahy
17 Nierigna tam-pifaliana ny fitopolo lahy ka nitarea hoe: Ô Tômpo! Na ny demonia aza dia nagnaiky anay noho ny agnaranao. 18 Fa hozy Jesoa taminjareo: Hitako Satana latsaka avy tan-dagnitra ôhatra ny varatra. 19 Efa nameko fahefana hagnitsaka menaragna sy maingoka ary handresy ireo hasin’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy raha hahazo anareo dahôlo. 20 Nefa aza mifaly ianareo satria magnaiky anareo ny fagnahy; fa mifalia satria voasoratra aigny an-dagnitra ny agnaranareo.
Ny fifalian’ny zanaka
21 Tamin’izany fotoana izany dia feno hafaliana tamin’ny Fagnahy Masina Jesoa ka hozy: Midera Anao Izaho, Dadaiko, Tômpon’ny lagnitra sy ny tany! Nasitrikao tamin’ny ôlona misy fagnahy sy ny manan-tsaigna izany raha dahôlo izany fa natoronao ny gaogna madinika. Iainy Daday, izany no sitraponao. 22 Efa namen’ny Raiko Anahy ny raha dahôlo. Tsisy ôlona mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsisy mahafantatra tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampitoroana Ananjy.
Ny fahasambaran’ny mpianatra
23 Nierika tamin’ny mpianany Izy, dia nitarea taminjareo hoe: Sambatra ny maso izay mahita ny raha hitanareo. 24 Lazaiko aminareo fa betsaka ny mpagnazary sy ny mpanjaka nagniry hahita ny raha hitanareo fa tsy nahita, ary nagniry haharegny ny raha regninareo fa tsy naharegny.
Fanoharana momba ilay Samaritana tsara fagnahy
25 Nisy mpampiana-dalàna iraika nitsangana mbô hitsapa fagnahy an’i Jesoa ka nagnadina Ananjy hoe: Ô Ramose! Ino ma ny raha tokony hataoko mbô handovako fiaignana mandrakizay? 26 Dia hozy Jesoa: Ino ny raha voasoratra amin’ny lalàna? Manao akôry ny fahazoanao ananjy? 27 Ary hozy: “Tiavo an’NY TÔMPO Andriamagnitrao amin’ny fonao iray manontolo, ny fanahinao iray manontolo, ny herinao iray manontolo ary ny saignanao iray manontolo” (Deo 6.5); ary “Tiavo ny namanao, sahala amin’ny itiavanao ny aignanao” (Lev. 19.18). 28 Dia hozy Jesoa taminanjy: Marina ny valinteninao. Tanteraho izany dia ho velona ianao. 29 Fa te hagnamarin-tegna izy ka hozy tamin’i Jesoa: Iza ma no namako?
30 Hozy Jesoa namaly Ananjy: Nisy lehilahy iraika nidigna avy taigny Jerosalema ho aigny Jeriko. Notafihan’ny dahalo izy tan-dalana ka sady nendahanjareo ny akanjony no nolakamoninjareo izy, ary tsy napetragny raha tsy efa saika afaka aigna. 31 Sendra nisy mpisorogna iraika nandeha tamin’izany lalana izany. Nahita an’ilay lehilahy izy fa tsy nahoany. 32 Nisy Levita iraika koa nandalo takeo dia nahita ananjy fa nojerevany foagnany ilay lehilahy. 33 Fa nisy Samaritana iraika koa nisy dia ombana tamin’ilay làlana, ary raha vao nahita ananjy izy dia foraigna. 34 Dia nagnatogna an’ilay lehilahy izy, nohosorany menaka sy divay ny ratrany ary nobandiany; dia nampitikinany tamin’ny ampondrany ary nindesiny ho aigny amin’ny tragnom-bahiny, dia nokarakarainy. 35 Amaraignan’igny, nameny denaria roa ilay tômpon’ny tragnom-bahiny ka hozy taminanjy: Karakarao izy; ary na ohatrino na ohatrino ny laninao ambonin’ireto dia hifaiko rehefa mierigna izaho. 36 Aminao, iza aminjareo telo ireo no naman’ilay lehilahy notafihan’ny dahalo? 37 Hozy ilay mpampiana-dalàna: Ilay niforaigna ananjy. Dia hozy Jesoa taminanjy: Mandehana dia magnanaova ôhatra izany koa.
Jesoa tan-dragnon’i Marta sy Maria
38 Dia namonjy ny dia hombany indray Jesoa sy ny mpianany, ka niakatra tamin’ny tanàna iraika. Nisy vehivavy iraika tan-tanàna takao nampandroso anjareo tan-dragno, Marta ny agnarany. 39 Maria rahavaviny nentotra tagnilan’ny tongotry ny Tômpo ka nitaino izay raha nokoragniny, 40 nefa Marta sahirana nagnano tabaha. Dia nagnatogna an’i Jesoa izy ka hozy Taminanjy: Ô Tômpoko, tsy mampagnino Anao ma izaho irerika foagna no magnano tabaha dahôlo? Mbô asaovy mitahy anahy ny rahavaviko. 41 Fa hozy Jesoa: Ô Marta! Be raha eritreretina sy raha iasan-dôha ianao; 42 nefa raha iraika foagna no ilaina. Efa nifidy ny anjara tsara Maria ka tsy halaina aminanjy izany.