Fagnoharana mikasika an’ireo mpiasa ratsy fagnahy tan-tanimboaloboka takao
12
Dia nilaza fagnoharana taminjareo Jesoa hoe: Nisy lehilahy iraika nagnajary tanimboaloboka. Nobakoany ny magnodidina, dia nangady lavaka fagnamboarana divay takao izy ary nasiany tragno fiambesana koa. Dia nafondrony tamin’ôlona ilay tanimboaloboka ary lasana nandeha tan-tany lavitra izy. 2 Rehefa tonga ny fahavokaran’ny voaloboka, dia nagniraka gaogna izy hankaigny amin’ireo mpamondro tany mbô hialaka ny anjarany. 3 Kanefa nosamborinjareo io iraka io ka notarohanjareo ary nalifany nody maigna. 4 Dia nagniraka gaogna iraika hafa indray koa ilay lehilahy; dia nopohinjareo ny lôhany sady nasahainjareo izy. 5 Dia nagniraka gaogna iraika hafa koa izy, fa novonoinjareo io ka maty. Mbôla nagniraka ôlona hafa betsaka koa izy, nefa ny asagnany notarohanjareo, ary ny hafa novonoinjareo. 6 Farany dia ny zanagny lahy tegna tiany sisa no takao amin’ny tômpon’ny tanimboaloboka, dia nasainy nankaigny amin’ilay tanimboaloboka koa io satria noheveriny fa ho hajainjareo ny zanagny. 7 Nefa nifampiresaka ireo mpamondro tany hoe: Ity avy ity ny mpandova! Andao hovonointsika izy, mbôry izay azontsika ny lovany. 8 Dia nosamborinjareo izy ka novonoiny ary nariany tavelan’ny tanimboaloboka ny fatiny. 9 Ino izany no ho ataon’ilay tômpon’ny tanimboaloboka? Rehefa tonga izy, dia hovonoiny ho faty ilay nagnano ny tany dia hafondrony amin’ny ôlon-kafa indray ilay tany. 10 Tsy efa avy novakianareo ma ny Soratra Masina hoe:“Ny vato izay tsy nahoan’ny mpandrafitra,
dia efa nanjary vato fototra.
11 Avy tamin’NY TÔMPO izao,
ka mahagaga antsika” (Sal 118.22-23).
12 Te-hisambotra an’i Jesoa ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampianadalàna ary ny loholona satria azonjareo onogna tsara fa zareo no nolazain’i Jesoa tamin’ilay fagnoharana takeo. Nefa natahotra ny ôlona zareo ka napetragny Izy ary lasana zareo nandeha.
Ny hetra ho an’i Kaisara
13 Nandefa iraka ny asagnany tamin’ny Fariseo sy ny asagnany tamin’ireo Herodiana ho aigny amin’i Jesoa mbô hamingana Ananjy amin’ny raha notaraviny. 14 Rehefa tonga takeo zareo dia hozy Taminanjy: Ô Ramose! Hainay fa mivôlagna ny marina Ianao, ary tsy mampagnino Anao avy izay hevitr’ôlona mikasika Anao, sady tsy magnavakavaka ôlona Ianao ary mampianatra marina ny lalàn’Andriamagnitra. Manjary ma sa tsy manjary ny magnefa hetra ho an’i Kaisara? Dia tokony hagnefa izahay sa tsy tokony hagnefa?
15 Fa Jesoa efa nahafantatra ny fihatsarambelatsihinjareo, dia hozy: Magnino ma ianareo karaha mamandrika Anahy? Itondravo vola denaria iraika Izaho hojereko. 16 Dia nitondranjareo vola iraika Jesoa. Dia hozy taminjareo: Sarin’iza dia agnaran’iza ma io? An’i Kaisara, hozy zareo. 17 Dia hozy Jesoa taminjareo: Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamagnitra izay an’Andriamagnitra. Dia gaga Taminanjy zareo.
Fagnontaniana mikasika ny fitsanganana amin’ny maty
18 Ny Sadoseo dia mivôlagna fa tsisy ny fitsanganana amin’ny maty. Nagnatogna an’i Jesoa ny asagnany taminjareo ireo ka nagnontany Ananjy hoe: 19 Ô Ramose, izao no nosoratan’i Mosesy ho antsika: “Raha misy mpivady, maty ilay r’Ingahy nefa tsy nifampiteraka zareo, kanefa mbôla velona ny vehivavy, dia tokony hataon’ny rahalahiny solotragno ilay vehivavy mbôry izay hanan-tamingana ilay maty” (Deo 25.5). 20 Ka nisy raha ôhatra izao: Nisy fito lahy kiboraika. Nialaka vehivavy ilay lahimatoa nefa maty tsy namaitra izy. 21 Dia nataon’ilay zandriny faharoa solo-tragno ilay vehivavy, dia mbôla maty tsy namaitra koa io, mbôla ôhatra izay koa ilay fahatelo. 22 Nifandimby nanambady an’io vehivavy io izy fito lahy nefa samby maty tsisy namaitra taminanjy. Farany, maty koa ilay vehivavy. 23 Ka rehefa tonga ny fitsanganana amin’ny maty, dia iza amin’izy fito lahy izany no ho vadin’ilay vehivavy? Satria samby efa nanambady ananjy zareo dahôlo.
24 Dia hozy Jesoa taminjareo: Mahadiso hevitra anareo ny tsy fahaizanareo Soratra Masina sy ny hasin’Andriamagnitra. 25 Tsisy hiala-bady na havoaka hampakarina amin’ny fitsanganana amin’ny maty fa hitovy amin’ny anjely aigny an-dagnitra ny ôlona dahôlo. 26 Mikasika ny fitsanganana amin’ny maty, tsy mbôla novakianareo ma ilay bokin’i Mosesy mitantara ny roimemy, dia ny nitaravan’Andriamagnitra taminanjy hoe: “Izaho no Andriamagnitr’i Abrahama, Andriamagnitr’Isaka ary Andriamagnitr’i Jakoba” (Eks 3.6)? 27 Tegna diso hevitra ianareo satria Andriamagnitra tsy Andriamagnitry ny maty fa an’ny velona.
Ny didy farany geda
28 Dia nisy mpampianadalàna iraika, naharegny ny adihevitra nifanaovan’i Jesoa tamin’i Sadoseo. Rehefa hitany fa nahavaly tsara an’ireo Jesoa, dia nagnatogna izy ka nagnadina Ananjy: Ny didy manakôry ma no farany matomboka amin’ny didy dahôlo? 29 Dia namaly ananjy Jesoa hoe: Izao ny didy farany matomboka: “Ô Israely! Mitainoa: NY TÔMPO Andriamagnitsika dia NY TÔMPO iraika foagna. 30 Ka tiavo NY TÔMPO Andriamagnitrao, amin’ny fonao iray manontolo, amin’ny fagnahinao iray manontolo, amin’ny saignanao iray manontolo ary amin’ny herinao iray manontolo” (Deo 6.4, 5). 31 Ary izao ny faharoa: “Tiavo ny namanao, sahala amin’ny itiavanao ny aignanao” (Lev 19.18). Tsisy didy geda hafa mandombolombo an’ireo.
32 Dia hozy ilay mpampianadalàna tamin’i Jesoa: Izany mihitsy! Marina ny raha notaravinao, Ramose, fa iraika Andriamagnitra, ary tsisy ankoatra Ananjy. 33 Ny hitia Ananjy amin’ny fo iray manontolo, amin’ny saigna iray manontolo, amin’ny hery iray manontolo ary ny hitia ny namana sahala amin’ny itiavana ny aigna dia mandombolombo ny fagnatitra dorana sy ny fagnatitra hafa dahôlo. 34 Rehefa hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hozy taminanjy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamagnitra ianao! Dia tsisy ôlona nahasahy nagnadina Ananjy intsony.
Kristy sy Davida
35 Nampianatra tan-kotanin’ny Tempoly Jesoa, dia hozy: Magnino ma izany ny mpampianadalàna no mivôlagna hoe zanak’i Davida i Kristy? 36 Kanefa Davida mihitsy no nampitenenin’ny Fagnahy Masina hoe:
“Izao ny raha notaravin’NY TÔMPO tamin’ny Tômpoko:
Mentòra ankavagnako akeo ianao,
mandra-pagnanaovako ny fahavalonao
ho ambanin’ny faladianao” (Sal 110.1).
37 Na dia i Davida ary nagnantso Ananjy hoe: Tômpo, dia manakôry ma izany no maha zanak’i Davida Ananjy? Dia faly ny ôlona dahôlo nitaino an’i Jesoa.
Ny faharatsian’ny mpampiana-dalàna
38 Izao koa no nampianarin’i Jesoa: Mitandrema ianareo amin’ny mpampiana-dalàna, izay mazoto mandehandeha magnano akanjo mirebareba sy te ho arabain’ôlona an-tsena, 39 sady tia mentòtra alôha rehefa agnaty sinagoga sy mialaka toeram-boninahitra rehefa mamonjy fanasana. 40 Magnafongana ny fanagnan’ny mpitondratena koa zareo ireo ary magnano vavaka lavareny mbô ho tsikaritry ny ôlona. Ho matombotomboka ny fagnamelohina anjareo ireo noho izany.
Ilay mpitondratena nandrotsa-drakitra
41 Rehefa niantotra fanjohy ny vata fasiana rakitra Jesoa, dia nandinika ny fandatsahan’ôlona ny rakitra. Betsaka ny mpanankarena no nandrotsaka vola be. 42 Fa nisy mpitondratena mahaforaigna iraika kosa takeo nandatsaka rakitra, vola vy madinika roa (tokotokony ho variroaventy). 43 Dia nantsovin’i Jesoa hagnatona Ananjy ny mpianany dia hozy: Taraviko marina aminareo fa io mpitondratena mahaforaigna io no nandrotsaka farany betsaka mandolombolombo ny ôlona dahôlo takeo. 44 Ny ôlona dahôlo takeo mbôka dia nandrotsaka avy tamin’ny ambikambin’ny fanagnany, fa io vehivavy io kosa, na dia mahaforaigna aza izy, dia narotsagny ny raha nanagnany dahôlo, dia ny raha tokony hivelomany.