Ny niakaran’i Jesoa ta-Jerosalema
11
Rehefa takaikin’i Jerosalema Jesoa sy ny mpianany, izay tsy dia lavitra an’i Betifaga sy Betania, akaikin’ny tampontanety Oliva, dia nagniraka roalahy tamin’ny mpianany Izy 2 ka nitarea hoe: Mandehana amin’iry tanàna fanjohy anareo iry, dia rehefa tonga akao anareo dia hahita zanak’ampondra mifatotra izay mbôla tsy nitikinan’ôlona mihitsy, vahao izy ka ndeso atỳ. 3 Ka raha misy magnadina anareo hoe: Hataonareo ino ma izy io? Dia valio hoe: Misy raha ilàn’i Tômpo ananjy izy ity. Dia avelany ndesinareo izy.
4 Dia nandeha zareo roalahy ka nahita zanak’ampondra tokoatra nifatotra tagnilan’ny varavaran’ny tragno iraika amoron-dalana, dia novahany. 5 Nisy ôlona nitarea taminjareo hoe: Magnino ma no vahanareo io zanak’ampondra io? 6 Dia novalianjareo araka ilay raha notenenin’i Jesoa taminjareo ka navelan’ôlona handeha zareo.
7 Nindesinjareo tamin’i Jesoa ilay zanak’ampondra, dia novelariny tamboniny ny lambany, dia nitikinan’i Jesoa izany. 8 Betsaka ny ôlona namelatra ny lambany tamin’ny lalana homban’i Jesoa, nisy indray namelatra rantsagna kakazo avy notapahiny tan-tanimboly. 9 Ary izay nandeha talôhany sy izay nagnaraka avy tafarany dia samby nilelalela hoe:
Hôsana!
Enga anie isaorana izay avy amin’ny agnaran’NY TÔMPO.
10 Enga anie hotahiana ny fanjakana izay ho avy, ny fanjakan’i Davida raintsika!
Hôsana aigny amin’ny farany agnambo.
11 Rehefa tonga ta-Jerosalema Jesoa dia namantagna tan-kotanin’ny Tempoly. Dia nijerijery ny raha dahôlo magnodidigna Izy. Efa hariva koa ma ny andro tamin’izay, dia lasana nankaigny a-Betania niaraka tamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy.
Ilay aviavy tsy namoa
12 Kiakan’igny, rehefa niala ta-Betania Jesoa dia nahatsiaro refogna. 13 Dia nahita aviavy iraika midoroboka Izy, dia nikikesiny sao mbô hahitany voany. Rehefa tonga takeo Izy dia tsy nahita afa-tsy raviny foagna satria tsy mbôla fotoanan’ny aviavy tamin’izay. 14 Dia hozy Jesoa tamin’ilay aviavy: Tsisy ôlona hihinana ny voa avy aminao intsony mandrakizay! Ary regnin’ny mpianany izany teniny izany.
Ny nandroahan’i Jesoa ireo mpivarotra tan-Tempoly
15 Rehefa tonga ta-Jerosalema Jesoa sy ny mpianany, dia nitsofoka tan-kotanin’ny Tempoly. Dia noroasiny ny mpivarotra sy ny mpividy sady nalavony ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra pizina. 16 Ary tsisy ôlona navelany hitondra raha hamakivaky ny kianjan’ny Tempoly. 17 Dia nampianatra anjareo Jesoa hoe: Tsy efa voasoratra ma fa:
“Antsovina hoe tragno fivavahana ho an’ny firenena dahôlo ny tragnoko” (Isa 56.7),
“Fa ianareo indray magnano ananjy ho lava-bato fisitrifan’ny dahalo” (Jer 7.11).
18 Rehefa naharegny an’izany ny mpisorognabe sy ny mpampiana-dalàna, dia nikara-kevitra hamonoana an’i Jesoa. Nefa natahotra Ananjy zareo satria nahagaga ôlona ny raha nampianariny.
19 Rehefa hariva ny andro dia niala tan-tanàna Jesoa sy ny mpianany.
Mikasika ilay aviavy: Ny finoana sy ny vavaka
20 Kiakan’igny, rehefa nandalo takeo amin’ny aviavy Jesoa sy ny mpianany dia nahita ananjy efa maigna ambam-pakany. 21 Tadidin’i Petera ny raha notaravin’i Jesoa ka hozy: Ô Ramose! Jerevo ma e! Maigna ilay aviavy nozogninao.
22 Dia hozy Jesoa: Manàgna finoana an’Andriamagnitra. 23 Taraviko marina aminareo tsara: Na iza na iza hitarea amin’ity tanety ity hoe mifindrà, dia mivarìgna agnatin’ny ranomasina, ka tsy misalasala am-pony satria mino fa ho tanteraka ny raha notaraviny, dia ho tanteraka tokoatrany izany. 24 Izany no hitaravako aminareo hoe na ino na ino angatahinareo rehefa mivavaka, dia minoa fa efa nandray sahady ianareo, ary dia ho azonareo izany. 25 Rehefa mitsangana mivavaka ianareo nefa misy ôlona anagnanareo alahelo dia avilay ny helogny mbôry izay havelan’ny Rainareo izay aigny an-dagnitra koa ny helokareo. 26 Fa raha tsy mamela heloka ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo izay aigny an-dagnitra.
Fagnontaniana mikasika ny fahefan’i Jesoa
27 Dia tonga ta-Jerosalema indray Jesoa sy ny mpianany. Rehefa nandehandeha tan-kianjan’ny Tempoly Izy dia nagnatona Ananjy ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampianadalàna ary ny loholona. 28 Dia hozy zareo Taminanjy: Fahefana manakôry ma ny agnanaovanao an’izao raha izao? Ary iza no nagname Anao fahefana hagnano an’izany? 29 Dia hozy Jesoa taminjareo: Izaho koa hagnadina raha iraika aminareo; ka raha voavalinareo izany dia hotaraviko aminareo ny fahefana agnanaovako an’izao. 30 Taravo Aminahy: Avy tan-dagnitra ma sa avy tamin’ny ôlona ny batisan’i Jaona? 31 Dia niara-nieritreritra takeo zareo ka nifampiresaka hoe: Raha hotaravintsika hoe avy tan-dagnitra, dia hiteny Izy hoe: Ka nagnino ma izany ianareo no tsy nino Ananjy? 32 Kanefa raha hotaravintsika indray hoe avy tamin’ôlona dia manakôry? Natahotra mbôka zareo satria ny ôlona dahôlo efa nagnaiky fa tegna mpagnazary i Jaona. 33 Dia hozy zareo tamin’i Jesoa: Tsy hainay! Dia hozy Jesoa: Izaho koa izany tsy hitarea aminareo izay fahefana agnanaovako an’izany.