Valin-tenin’i Jesoa mikasika ny fisaraham-panambadiana
10
Rehefa niala ta-Kapernaomy Jesoa dia nankaigny amin’ny faritr’i Jodia sy tampitan’ny Jordana. Koa fa tonga taigny Izy, nisy ôlona betsaka indray nitangorogna Taminanjy. Ôhatra ny fataony dia nampianatra anjareo indray Izy.2 Dia nisy Fariseo nagnatona mbô hamandrika Ananjy ka nagnadina hoe: Manjary magnary ny vadiny ma ny lehilahy? 3 Hozy Jesoa namaly anjareo: Ino ny didy namen’i Mosesy anareo? 4 Hozy zareo: Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaraham-panambadiana ny lehilahy ka hisaotra ny vadiny (Deo 24.1). 5 Hozy Jesoa taminjareo: Ny di-dôhanareo io foagna no nanoratan’i Mosesy an’izany didy izany ho anareo. 6 Fa letry tam-boalôhany no naharian’Andriamagnitra ny ôlona ho lehilahy sy vehivavy. 7 Araka izany, ny lehilahy dia hiala amin’ny dadainy sy nininy ka hitambatra amin’ny vadiny, 8 dia hanjary nofo iraika zareo nihindroay. Ka tsy ho roa intsony zareo fa nofo iraika foagna. 9 Ka izay natambatr’Andriamagnitra dia tokony tsy ho sarahan’ôlona.
10 Rehefa tonga tan-dragno zareo dia nagnadina mikasika ny amin’izay koa ny mpianatra. 11 Dia hozy Jesoa taminjareo: Na iza na iza no misaotra ny vadiny ka mialaka vehivavy hafa dia magnitsakitsaka ny vadiny voalôhany izy. 12 Ary raha ny vehivavy indray no misaraka amin’ny lehilahy ka manambady lehilahy hafa, dia magnitsakitsaka koa izy.
Jesoa sy ny gaogna madinika
13 Nisy ôlona nitondra gaogna madinika tamin’i Jesoa mbô hametrahany tagnana fa notenenin’ny mpianatra mafy zareo. 14 Nefa sosy Jesoa raha nahita izany ka hozy taminjareo: Avilay ny gaogna madinika hagnatona Anahy fa aza tohagnana satria an’ny sahala aminjareo ny fanjakan’Andriamagnitra. 15 Taraviko marina aminareo tsara: Na iza na iza no tsy mandray ny fanjakan’Andriamagnitra sahala ny gaogna madinika dia tsy ho tafiditra aigny mihitsy izy. 16 Dia nobatain’i Jesoa ny gaogna madinika ka nametrahany tagnana sady notsofiny rano.
Jesoa sy ilay mpanankarena
17 Rehefa tan-dalana Jesoa dia nisy lehilahy iraika nihazakazaka nagnatona Ananjy sady nandongalitra Taminanjy ka nagnadina hoe: Ô Ramose! Mpampianatra tsara ianao. Ino ma ny raha hataoko mbô handovako ny fiaignana mandrakizay? 18 Dia hozy Jesoa taminanjy: Magnino ma Izaho no lazainao fa tsara? Andriamagnitra irerika ihany no tsara. 19 Hainao ma ny didy hoe: “Aza mamono ôlona, aza magnitsakitsaka, aza mangalatra, aza magnaiky atao vavolombelona mandainga, aza mikatramo, hajao ny rainao sy ny reninao” (Eks 20.12-17). 20 Hozy ilay lehilahy Taminanjy: Izany raha dahôlo izany kony, Ramose, efa narahiko dahôlo letry izaho mbôla kitika. 21 Nijery tsara ananjy tam-pitiavana Jesoa ka hozy: Raha iraika no tsy ampy aminao, mandehana varoty dahôlo ny raha anagnanao ka rasao amin’ny ôlona maforaigna ny vidiny, dia hahazo harena aigny an-dagnitra anao. Dia andao hagnaraka Anahy. 22 Fa rehefa naharegny izany koragna izany dia maloka endriny ka lasana tamin’alahelo satria mpanankarena be izy.
23 Jesoa nijery ny mpianany magnodidina Ananjy ka hozy taminjareo: Sarotra ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamagnitra!
24 Dia gaga tamin’ny raha notaraviny ny mpianatra. Fa hozy indray Jesoa: Sarotra anaka ny fidirana aigny amin’ny fanjakan’Andriamagnitra! 25 Moramora ny hidiran’ny rameva amin’ny vodina filo raha ampitahaina amin’ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamagnitra.
26 Nihalany fagnahy foagna zareo ka nifagnadina hoe: Iza aiky izany no hovonjena? 27 Jesoa nijery anjareo ka hozy: Tsy efan’ôlona izany fa efan’Andriamagnitra satria hainy ny raha dahôlo.
28 Hozy Petera Taminanjy: Jerevo ma e! Nafoinay ny raha dahôlo ka nagnaraka Anao izahay. 29 Dia hozy Jesoa: Taraviko marina aminareo tsara fa tsisy ôlona nahafoy tragno, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany avy Aminahy sy ny Tarea Maharavo, 30 ka tsy hahazo in-jato mandombolombo an’izany amin’izao fotoana izao: tragno, rahalahy sy anabavy, reny, zanaka, tany miampy fagnenjehana, ary fiaignana mandrakizay amin’ny andro ho avy. 31 Kanefa betsaka amin’ireo voalohany no hanjary farany, ary betsaka amin’ireo farany no hanjary voalôhany.
Nivolagna fagnintelony Jesoa ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty
32 Jesoa sy ny mpianany dia tan-dalana hiakatra a-Jerosalema ary Jesoa no nitari-dalana. Dia gaga ny mpianany ary izay nagnaraka Ananjy dia natahotra. Dia nindesiny nihataka indray zareo roa ambin’ny folo lahy ka nagnambarany ny raha hahazo Ananjy. 33 Miakatra an’i Jerosalema atsika izao, hozy, ary hatolotra ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampianadalàna ny Zanak’Ôlona, ary hohelohina ho faty, ka hatolony ho an’ny Jentilisa. 34 Ary hataonjareo fihomehezana Izy, hororana, hokaravasiana, hovonoina fa rehefa afaka telo andro, dia hitsangana Izy.
Ny hataka nataon’i Jakoba sy Jaona
35 Nagnatogna an’i Jesoa i Jakoba sy Jaona zanak’i Zebedio ka nivolagna hoe: Ô Ramose! Mbô ataovy aminay ma izay raha angatahinay Aminao. 36 Dia hozy Jesoa taminjareo: Ino ma ny raha tianareo ataoko aminareo? 37 Dia hozy zareo roalahy Taminanjy: Mbô avelao izahay hentotra akeo amin’ny voninahitrao, ny iraika ankavagnanao ary ny iraika ankavianao. 38 Fa hozy Jesoa taminjareo: Tsy hainareo ny raha angatahinareo. Vitanareo ma ny hiteligna ny mafaitra izay hateliko, na hatao batisa amin’izay hagnanaovana batisa Anahy? 39 Dia hozy zareo roalahy: Vitanay izany. Ary hozy Jesoa: Marina fa ny mafaitra izay hateliko dia hatelignareo koa, ny batisa izay hagnanaovana Anahy batisa dia hagnanaovana anareo koa. 40 Fa raha ny hipetraka ankavanako na ankaveko alôha dia tsy anjarako ny hagname an’izany fa izay voatondro hamena an’izay no hamena ananjy.
41 Rehefa naharegny an’izany izy folo lahy, dia sosy noho ny raha nataon’i Jakoba sy Jaona. 42 Dia nagnantso ny mpianatra dahôlo hagnatona Ananjy Jesoa ka hozy taminjareo: Hainareo ma fa aigny amin’ny Jentilisa dia manjakazaka amin’ny vahoaka ny mpitondra, ary ny ôlona gedanjareo dia manjakazaka? 43 Fa aminareo alôha tsy mbô ôhatra izany; fa na iza na iza te ho geda aminareo dia hanjary gaognanareo izy. 44 Ary na iza na iza te ho voalôhany aminareo dia ho andevonareo dahôlo izy. 45 Ny Zanak’Ôlona tsy tonga mbô hotompoina fa mbô hanompo ka hahafoy ny aignany ho avotra hisolo ny dahôlobe.
Ny nampahiratan’i Jesoa an’i Bartimeo poaka
46 Tonga ta-Jeriko Jesoa sy ny mpianany, ary raha vao niala takao zareo dia narahin’ny vahoaka be. Tamin’izay dia niantotra tamoron-dalana i Bartimeo poaka mpangataka, zanak’i Timeo. 47 Ka rehefa naharegny izy fa nandalo Jesoa avy a-Nazareta dia nilelalela izy hoe: Ô Jesoa Zanak’i Davida, amindrao fo koa ma izaho! 48 Betsaka ny ôlona niteny mafy ananjy mbô hangigna, fa karaha nagniraka ananjy hilelalela mafy izany ka hozy: Ô Zanak’i Davida! Amindrao fo koa ma izaho! 49 Dia nanangana Jesoa ka hozy: Antsovy ilay ôlona jamba. Dia hozy ny ôlona taminanjy: Matokisa ianao, dia mitsangàna fa magnantso anao Izy. 50 Dia nafotraikany ny lambany ka poa toa izay no nitsanganany nankeo amin’i Jesoa. 51 Hozy Jesoa taminanjy: Ino ma ny raha tianao hataoko aminao? Dia hozy ilay lehilahy jamba: Ô Ramose! Mbô ataovy mahita ny masoko. 52 Dia hozy Jesoa taminanjy: Mandehana ianao, ny finoanao no nahasitragna anao. Takeo noho akeo dia nahiratra ny masony, ary nagnaraka an’i Jesoa tan-dalana izy.