Fagnoharana mikasika ilay mpitsara sy ilay mpitondratena
18
Nagnano fagnoharana taminjareo Jesoa mbôry izay zareo hivavaka foagna ka tsy ho reraka. 2 Hozy: Nisy mpitsara izay tsy natahotra an’Andriamagnitra sady tsy megna-maso amin’ôlona tamin’ny tanàna iraika. 3 Nisy mpitondratena iraika tamin’izany tanàna izany; tonga matetika taminanjy takao io vehivavy io ka niangavy ananjy hoe: Mbô ameo rariny koa ma izaho amin’ilay ôlona miady aminahy! 4 Tsy nahoan’ilay mpitsara malôha ny fiangaviany; nefa nieritreritra ihany izy rehefa ela ny ela hoe: Na dia tsy matahotra an’Andriamagnitra sady tsy megna-maso amin’ôlona aza izaho, 5 mbô ameko rariny ihany io mpitondratena io, fa mandreraka anahy, mbôry izay izy tsy miverimberigna hampahasosy anahy aketo. 6 Ary hozy ny Tômpo: Tainoa ma ny raha notaravin’ilay mpitsara tsy marina. 7 Fa Andriamagnitra ma tsy hagname rariny ny ôlona nofidiny, izay mitaraigna Aminanjy magnalina andro mahakiaka andro? Hiraikiraiky ma Izy amin’izany? 8 Taraviko aminareo fa ameny rariny malaky izy. Kanefa, hahita finoana atỳ ambonin’ny tany ma ny Zanak’Ôlona amin’ny fiaviany?Fagnoharana mikasika ilay Fariseo sy ilay mpitaky hetra
9 Nagnano ity fagnoharana ity tamin’ireo izay natoky tegna fa marina ka magnambany ny hafa Jesoa: 10 Nisy ôlona roa lahy niakatra tan-kianjan’ny tempoly hivavaka: Fariseo ny iraika, ary mpitaky hetra ny iraika. 11 Nitsangana ilay Fariseo ka nivavaka nitokana hoe: Ô Andriamagnitra! Misaotra Anao izaho fa tsy mbô ôhatran’ny ôlona asagnany izay mpagnano barofo, tsy marina, mpijangajanga, na ôhatran’io mpitaky hetra io. 12 Mifady hanina in-droa isan-kerinandro izaho; mandoa ny ampahafolony amin’izay azoko dahôlo koa izaho. 13 Fa ilay mpitaky hetra kosa nijanona ta-lavidavitra, sady tsy nahasahy niandrandra ny lagnitra avy, fa nandona tratra ka niangavy hoe: Ô Andriamagnitra! Amindrao fo koa ma izaho mpanota ity! 14 Taraviko aminareo fa efa nohamarininan’Andriamagnitra io mpitaky hetra io rehefa nody tan-dragnony; fa tsy mbô ôhatra izany ilay Fariseo. Izay dahôlo manandra-tegna no haetry, ary izay dahôlo manetry tena no hasandratra.
Jesoa sy ny gaogna madinika
15 Nisy ôlona nitondra gaogna madinika hametrahana tagnana tamin’i Jesoa. Rehefa hitan’ny mpianatra anefa izany dia nosakanany zareo. 16 Nefa nasain’i Jesoa nentina Taminanjy ireo ka hozy: Avilay ny zaza hagnatogna Anahy, ary aza sakanana; fa an’ny ôhatra anjareo ny fanjakan’Andriamagnitra. 17 Taraviko marina aminareo fa izay tsy mandray ny fanjakan’Andriamagnitra ôhatra ny andraisan’ny gaogna madinika ananjy, dia tsy ho tafiditra akao mihitsy.
Jesoa sy ilay mpanankarena
18 Nisy manam-pahefana iraika nagnadina an’i Jesoa hoe: Ô Ramose! Mpampianatra tsara ianao, ino ma ny hataoko mbô hahazoako ny fiaignana mandrakizay? 19 Dia hozy Jesoa taminanjy: Magnino ma Izaho no lazainao fa tsara? Andriamagnitra irerika ihany no tsara. 20 Hainao ma ny didy hoe: “Aza magnitsakitsaka, aza mamono ôlona, aza mangalatra, aza magnaiky atao vavolombelona mandainga, hajao ny rainao sy ny reninao” (Eks 20.12-16). 21 Dia hozy: Efa voahajako letry izaho mbôla kely izany raha dahôlo izany. 22 Rehefa naharegny an’izany Jesoa, dia hozy tamin’ilay manam-pahefana: Mbôla misy raha iraika tsy ampy tamin’izay nataonao. Mandehana amidio ny fanagnanao dahôlo ka rasao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanagna raki-tsarobidy aigny an-dagnitra ianao. Rehefa vitanao izay dia andao hagnaraka Anahy. 23 Nalahelo be ilay r’Ingahy rehefa naharegny izany satria nanan-karena be izy.
24 Hitan’i Jesoa nalahelo be izy, dia hozy: Sarotra ho an’ny mpanankarena ny miditra amin’ny fanjakan’Andriamagnitra! 25 Fa ho moramora amin’ny rameva ny miditra amin’ny vodina filo raha ampitahaina amin’ny mpanankarena miditra amin’ny fanjakan’Andriamagnitra! 26 Dia hozy ny ôlona naharegny izany: Iza ihany ary izany no ho azo vonjena? 27 Dia hozy Jesoa: Izay raha tsy efan’ôlona dia efan’Andriamagnitra.
28 Dia hozy Petera: Hainao tsara fa efa nahafoy ny raha dahôlo nanagnanay izahay ka nagnaraka Anao. 29 Dia hozy Jesoa taminjareo: Taraviko marina aminareo fa tsisy ôlona izay efa nahafoy tragno, na vady, na kiboraika, na ray, na reny, na zanaka ho an’ny fanjakan’Andriamagnitra 30 ka tsy hahazo be lavitra mandombolombo izany amin’izao andro izao, ary fiaignana mandrakizay amin’ny andro ho avy.
Ambaran’i Jesoa indray ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty
31 Nindesin’i Jesoa nihataka ny roa ambin’ny folo lahy dia hozy taminjareo: Miakatra ho aigny Jerosalema atsika io; ho tanteraka dahôlo ny raha nosoratan’ny mpagnazary mikasika ny Zanak’Ôlona. 32 Hatolotra ny Jentilisa Izy, ka hataonjareo fihomehezana, hasahainjareo, hororanjareo, 33 holakamoinjareo sy hovonoinjareo, nefa hitsangana velona Izy amin’ny andro fahatelo. 34 Fa tsisy azon’ny mpianatra onogna ny raha dahôlo notaravin’i Jesoa sady tsy hainjareo ny dikany satria nasitrika anjareo.
Nampahiratra lehilahy poaka ta-Jeriko Jesoa
35 Rehefa takaikin’ny tanànan’i Jeriko Jesoa, dia nisy lehilahy poaka iraika niantotra nangataka tamoron-dalana. 36 Naharegny ny vahoaka nandalo izy, dia nagnadina hoe: Fa misy ino ma? 37 Dia hozy ny ôlona taminanjy: Jesoa avy a-Nazareta no mandalo. 38 Dia nagnantso mafy ilay lehilahy hoe: Ô Jesoa Zanak’i Davida! Mbô amindrao fo koa ma izaho! 39 Niteny mafy ananjy mbô hangina ny ôlona nandeha talôha, fa karaha nagniraka ananjy hilelalela indray izany ka hozy: Ô Zanak’i Davida! Mbô amindrao fo koa ma izaho! 40 Dia nanangana Jesoa ka nasainy nindesina Taminanjy ilay lehilahy; ary rehefa tonga takeo izy, dia nagnadina ananjy Jesoa hoe: 41 Ino no tianao hataoko aminao? Ary hozy: Ô Tômpoko! Mbô hahita indray izaho. 42 Dia hozy Jesoa taminanjy: Mahiràta indray! Ny finoanao no efa nahavonjy anao. 43 Takeo noho akeo dia nahiratra izy ka nagnaraka an’i Jesoa sady nankalaza an’Andriamagnitra. Dia nidera an’Andriamagnitra ny vahoaka dahôlo rehefa nahita izany.