Izay mitarika hanota
17
Hozy Jesoa tamin’ny mpianany: Tsy maintsy hisy foagna ny raha mitarika hanota, kanefa ho azon-draha izay ôlona mahatonga izany! 2 Tsara aminanjy ny hampizogaina leogna vato gedabe amin’ny hatogny, dia avarigna agnatin’ny ranomasina akaigny izy, toy izay hitarika amin’ny ratsy na dia iraika amin’ireo madinika ireo aza. 3 Mitandrema ianareo;Ny famelan-keloka
Raha manota ny rahalahinao, dia anaro izy; ary raha mibebaka izy, dia avelao ny helogny. 4 Raha manota aminao impito agnatin’ny andro iraika izy, ary mifona aminao impito koa hoe: Mibebaka izaho, dia avelao ny helogny.
Ny finoana
5 Dia hozy ny Apostoly tamin’ny Tômpo: Ampitomboy ny finoanay! 6 Fa hozy ny Tômpo: Na dia kitika ôhatran’ny voatsinapy aza ny finoana anagnanareo, dia azonareo tenenina io voaroihazo io hoe: Miongota ary maniria aigny agnaty ranomasina! Dia hagnaiky anareo izy.
Ilay gaogna tsy nagnano afa-tsy izay tokony hataony
7 Raha misy aminareo managna gaogna mpiasa tany, na mpagnandroka ondry niverigna avy tan-tsaha, hotaravinareo ma izy hoe: Avia malaky, mentòra hihinana? 8 Fa tsy hitarea aminanjy ma ianareo hoe: Karakarao ny haniko ary misikìna ka arosoy izany mandra-pijanoko mihinana sy misotro; avy akeo ianao vao mahazo mihinana sy misotro? 9 Mbô misaotra izany gaognany izany ma izy rehefa vita dahôlo izay raha nampanaoviny ananjy? 10 Dia ôhatra izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay raha dahôlo nampanaovina anareo, dia taravo hoe: Gaogna tsy mahasoa izahay; izay tokony ho nataonay ihany no nataonay.
Ny nagnadiovan’i Jesoa ny boka folo lahy
11 Tamin’i Jesoa niakatra ho aigny Jerosalema dia namakivaky an’i Samaria sy Galilia Izy.
12 Rehefa niditra tamin’ny tanàna iraika Izy dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona ta-lavidavitra Ananjy. 13 Nagnantso mafy zareo hoe: Ô Jesoa! Ô Ramose! Amindrao fo koa ma izahay! 14 Nahita anjareo Jesoa dia hozy: Mandehana, misehoa aigny amin’ny mpisorona. Mbôla tan-dàlana anefa zareo dia nahita fa nadio ny tegnany.
15 Ny iraika taminjareo, rehefa nahita fa sitragna izy, dia niverigna ka nankalaza an’Andriamagnitra tamin’ny feo mafy 16 sady nenkohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nisaotra Ananjy. Samaritana io lehilahy io.
17 Dia hozy Jesoa: Tsy samby efa nadio dahôlo ma izy folo lahy, ka nankaiza ny sivy? 18 Ity ôlona hafa firenena ity irerika ma no niverigna hagname voninahitra an’Andriamagnitra? 19 Dia hozy Jesoa taminanjy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
Ny fiavian’ny fanjakan’Andriamagnitra
20 Hozy Jesoa rehefa nagnontanian’ny Fariseo mikasika ny andro hiavian’ny fanjakan’Andriamagnitra: Tsy misehoseho ny fiavian’ny fanjakan’Andriamagnitra. 21 Tsisy hiteny hoe: Atỳ izy! na Arỳ izy! Efa akao agnatinareo akao ny fanjakan’Andriamagnitra.
Ny andron’ny Zanak’Ôlona
22 Hozy Jesoa tamin’ny mpianany: Ho avy ny andro hagnirianareo hahita ny iraika amin’ny andro hiavian’ny Zanak’Ôlona, kanefa tsy hahita izany ianareo.
23 Hisy ôlona hitarea aminareo hoe: Atỳ Izy! na Arỳ Izy! Dia aza mankaigny na magnaraka ananjy. 24 Ôhatran’ny tselatra mahazava hatraigny amin’ny faravodilanitra mbôka ny Zanak’Ôlona amin’ny androny. 25 Tsy maintsy hijaly mafy malôha Izy sady holavin’ity taranaka ity.
26 Ôhatran’ny tamin’ny andron’i Noa ny raha hitranga amin’ny andron’ny Zanak’Ôlona: 27 Nihinana sy nisotro ny ôlona, nampaka-bady, navoaka hanambady, mandra-piavian’ny andro nidiran’i Noa tagnatin’ny sambofiara. Dia tonga ny safodrano ka nandripaka anjareo dahôlo.
28 Ôhatra izany koa tamin’ny andron’i Lota: Nihinana sy nisotro ny ôlona, nividy sy nivarotra, namboly, nanangana tragno; 29 fa tamin’ny andro izay nialan’i Lota ta-Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tan-dagnitra ka nandringana anjareo dahôlo.
30 Dia ho ôhatra izany koa amin’ny andro hampisehoana ny Zanak’Ôlona.
31 Amin’izany andro izany, izay aigny an-tafon-tragno, aza midigna hialaka ny entana tavela an-dragno; ôhatra izany koa izay aigny an-tsaha, aza miverigna an-dragno intsony. 32 Tsarovy ny vadin’i Lota. 33 Hahavery ny aignany izay te hiaro izany; ary hahatàna ny aignany izay tsy miaro izany.
34 Taraviko aminareo fa aminjany alina izany, hisy ôlona roa miray fandriana; ny iraika horaisina, ary ny iraika hapetraka. 35 Hisy roa vavy koa mitoto vary: ny iraika horaisina, ary ny iraika hapetraka. 36 Hisy roa lahy aigny an-tanimboly: ny iraika horaisina, ary ny iraika hapetraka.
37 Dia nagnontany Ananjy ny mpianatra hoe: Aiza Tômpoko ny hisehoan’izany?
Ary hozy: Aigny amin’izay misy ny faty no itangorognan’ny voromahery.