Ny nanambaran’i Jesoa ny handravana ny Tempoly
24
Rehefa nivoaka avy tan-Tempoly takao Jesoa dia lasana nandeha; dia nagnatogna Ananjy ny mpianany mbô hagnatoro Ananjy ny rafitry ny Tempoly. 2 Dia hozy Jesoa taminanjareo: Hitanareo ma ireo raha dahôlo ireo? Izao ny raha taraviko aminareo: Horavana ireo raha dahôlo ireo ka tsy hasiana vato hifanovogna tavela akeo.3 Dia niantotra tantampontanety Oliva takeo Jesoa, dia nagnatogna Ananjy nangingina ny mpianany ka nagnadina Ananjy hoe: Ô Ramose! Mbô taravo aminay tsara edy ma, oviana ma izany no hitranga? Dia ino no hamantarana fa ho avy Ianao ary ino koa no hamantarana fa hifaragna izao tontolo izao?
Ny hahaizana ny hahatongavan’ny farany
4 Dia nivalian’i Jesoa zareo: Mitandrema mbô tsy ho voafitak’ôlona ianareo. 5 Betsaka ny hisandoka ny agnarako ka hitarea hoe: ‘Izaho no kristy!’ Dia betsaka ny ho voafitagny. 6 Raha maharegny ady na filazana ady ianareo dia aza matahotra avy satria raha tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbôla tonga avy ny andro farany. 7 Fa hisy firenena hiady amina firenena hafa, hisy fanjakana hiady amina fanjakana hafa; ary hisy silaona sy horohorontany koa amin’ny tany samihafa. 8 Izany raha dahôlo izany no fiandohan’ny fahoriana.
9 Hatolony handeha hampijaliana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena dahôlo ianareo noho ny Agnarako. 10 Aminjany andro izany dia betsaka ny ôlona ho voantsitohina ka hifampitory sy hifankahala. 11 Betsaka mpagnazary sandoka hipoitra ka hamitaka ôlona maro. 12 Ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny ôlona maro satria betsaka ny tsy fagnarahan-dalàna. 13 Fa izay mahadigny hatramin’ny farany no hovonjena. 14 Ary hambara magnerana an’izao tontolo izao ity Tarea Maharavon’ny fanjakana ity mbô ho vavolombelona amin’ny firenena dahôlo, dia izay vao ho tonga ny farany.
Fijaliana tsisy ôhatra izany
15 Rehefa hitanareo mitsangana amin’ny fitoerana masina akao ilay mpandrava tsy vantagna, araka izay nampitaravina an’i Daniela mpagnazary (tokony hahazo ognon-draha izay mamaky an’izany), 16 dia milefasa aigny an-tanety izay ôlona aigny Jodia; 17 aza midigna hialaka raha an-dragno intsony izay aigny an-tampontragno; 18 ary aza miherigna mialaka akanjo izay aigny an-tanimboly. 19 Ho azon-draha ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany fotoana izany. 20 Mivavaha ianareo mbô tsy ho amin’ny ririgninaa na amin’ny andro Sabata no hilefasanareo. 21 Fa amin’izay fotoana izay dia hisy fijaliana be mbôla tsy ary nisy ôhatra izany, letry niantombohan’izao tontolo izao, mandraka ity nigniany, ary tsy hisy ôhatra izany intsony. 22 Ary raha tsy hafohezin’ny Tômpo izany fotoana izany, dia tsisy ôlona ho voavonjy, kanefa noho ny amin’ireo ôlona nofidiny dia hafoheziny izany.
23 Aza inoana avy raha misy ôlona mitarea aminareo hoe: Atỳ Kristy na Arỳ Kristy, 24 satria hisy Kristy sandoka sy mpagnazary sandoka hipoitra; hagnano famantarana matomboka sy raha mahagaga zareo mbô hamitahana ôlona, hatramin’ny ôlom-boafidy koa aza raha azonjareo atao. 25 Efa notaraviko taminareo edy izany raha dahôlo izany.
26 Aza makaigny ankodahoda avy ianareo raha misy ôlona mitarea aminareo hoe: Aigny Izy; ary aza inoana avy raha misy mitarea aminareo hoe: An-dragno ambadika akao Izy. 27 Fa sahala amin’ny tselatra avy aigny atsinanana ka mahazava hatraigny andrefana ny fahatongavan’ny Zanak’Ôlona. 28 Aigny amin’izay misy ny faty no itangoronan’ny voromahery.
Ny famantarana ny fiavian’ny Zanak’Ôlona
29 Afaran’izany andro fijaliana izany,
dia hanjary maizigna ny masoandro,
tsy hazava ny volana,
hiraraka avy aigny an-dagnitra ny kintana,
ary hihozongozogna ny herin’ny lagnitra.
30 Amin’izany fotoana izany, hiboagna akeo amin’ny lagnitra ny famantarana ny Zanak’Ôlona. Hitomagny migololoka ny firenena dahôlo atỳ ambonin’ny tany, dia hahita ny Zanak’Ôlona, amin’ny rôndron’ny lagnitra akeo zareo, tonga amin-kasina sy voninahitra matomboka. 31 Dia hasainy hampagneno mafy ny trompetra ny anjeliny ary hasainy hagnandroka ny ôlom-boafidiny eraky ny vazan-tany dahôlo ka hatramin’ny faran’ny tany.
Akaiky ny fanjakan’Andriamagnitra
32 Mianara avy amin’ny fagnoharana mikasika ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsagny ka mandravina, dia hainareo fa efa akaiky ny lôhataona. 33 Dia sahala aminjany koa ianareo, raha vao hitanareo izany raha dahôlo izany dia fantaro fa efa akaiky, efa am-baravaragna akao Izy. 34 Taraviko aminareo tsarany fa tsy ho lany tamingana ity taranaka ity mandra-pihavin’izany raha dahôlo izany. 35 Ho levona ny tany aman-dagnitra fa tsy mbô ho levona ny teniko.
Tsisy ôlona mahay ny andro na ny lera
36 Tsisy mahay ny momba an’izany andro sy lera izany avy, na ny anjelin’ny lagnitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray sambirerika.
37 Ôhatran’ny tamin’ny andron’i Noa ny andro hiavian’ny Zanak’Ôlona. 38 Tamin’ny andro nialôha ny safodrano dia nihinana sy nisotro ny ôlona, nisy nampaka-bady, nisy navoaka hanambady, mandra-piavin’ny andro nidiran’i Noa tagnatin’ny sambofiara. 39 Tsisy raha fantanjareo avy mandra-piavian’ny safodrano izay nandripaka ny ôlona dahôlo. Dia ôhatran’izany koa no ho fiavin’ny Zanak’Ôlona. 40 Amin’izany fotoana izany dia hisy roa lahy aigny an-tanimboly: ny iraika horaisina fa ny iraika hapetraka. 41 Ary hisy roa vavy mitoto vary: ny iraika horaisina, ny iraika hapetraka.
42 Amin’izany, miomàgna foagna ianareo satria tsy hainareo avy ny andro hiavian’ny Tômponareo.
43 Fantaro tsara fa raha hain’ny tômpontragno ny lera hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia hiambina izy ka tsy havelany horobaina ny tragnony. 44 Araka izany, miomàgna foagna koa ianareo fa amin’ny lera tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’Ôlona.
Fagnoharana momba an’ilay gaogna azo atokisana
45 Iza ma ny gaogna manan-tsaigna sy azo antoka izay notendren’ny patirôny hifehy ny gaognany hafa sady hagname anjareo ny anjara hanina amin’ny lerany? 46 Sambatra izany gaogna izany, raha hitan’ny patirôny ampagnanaovana ny tabàny rehefa miverigna izy. 47 Taraviko marina aminareo fa hotendreny hiandraikitra ny fanagnany dahôlo izy avy akeo. 48 Fa raha mieritreritra indray ilay gaogna hoe mbôla ho ela ilay patirôny vao ho avy 49 ka montsagniny ny gaogna namany ary miaraka mihinana sy misotro amin’ny mpisotro toaka izy, 50 dia hiverigna amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny lera tsy fantany ny patirôny. 51 Homontsamontsagniny izy ary hameny izay sahaza ananjy miaraka amin’ny mpihatsaravelatsihy; hisy fitomaniana sy fampiadiana nify akaigny.