Fagnoharana ny amin’ny virijiny folo
25
Araka izany, sahala amin’izao ny fanjakan’ny lagnitra: Nisy virijiny folo nitondra ny jirony mbô handeha hitseza mpampakabady. 2 Tsisy fagnahy ny dimy taminjareo ireo, ary manam-pagnahy ny dimy ambiny. 3 Nitondra ny jirony kanefa tsy nivimbigna ranonjiro fiambina zareo tsisy fagnahy; = 4 nivimbigna ranonjiro fiambina niaraka tamin’ny jirony kosany zareo manam-pagnahy. 5 Naharitra ela ny mpampakabady ka nirôzigna zareo dahôlo ary farany tafandry. 6 Rehefa nisasaka ny alina dia nisy ôlona nilelalela: Igny ny mpampakabady! Mivoaha dahôlo hitseza ananjy! 7 Dia nifoha dahôlo zareo virijiny ka nikarakara ny jirony. 8 Dia hozy zareo tsisy fagnahy tamin’ny ankilany: Mbô agnomezo amin’ny ranonjironareo edy ma izahay fa ho foaty ny jironay. 9 Dia namaly zareo manam-pagnahy: Tsy ampy antsika dahôlo ny akato fa mandehana mividy. 10 Zareo lasana nividy igny, tonga ny mpampakabady. Ary niara-niditra taminanjy takao amin’ilay raharaha zareo efa vognona, dia nafody ny varavaragna. 11 Avy takeo, tonga zareo tsisy fagnahy ka nagnantsoantso hoe: Ô ianareo akao! Ô ianareo akao! Mbô vohainareo koa ma izahay akato. 12 Dia hozy namaly: Taraviko aminareo tsara be fa tsy haiko avy ianareo.13 Aza variana ianareo fa tsy hainareo avy na ny andro na ny lera.
Fagnoharana ny amin’ny talenta
14 Ny fanjakan’ny lagnitra dia sahala amin’izao: Nisy ôlona iraika handeha an-tany lavitra ka nagnantso ny gaognany, ary nametrapetraka ny fananany taminjareo. 15 Ny iraika nameny talenta dimy, ny iraika roay, ary ny iraika nameny iraika, araka izay fahaizany avy; dia lasana izy nandeha. 16 Takeo no akeo dia lasana ilay namena talenta dimy ka nampiasa ny vola tamin’ny varotra ary nahazo tombony talenta dimy. 17 Sahala amin’izany koa ilay namena talenta roay ary nahazo tombony roay. 18 Ilay iraika fahatelo indray dia nangady tany ka nandevina ny volan’ny patirôny. 19 Ela ny ela, niverigna ilay patirô ka nagnontany anjareo momba an’ilay volany. 20 Dia nagnatogna ananjy ilay namena talenta dimy, niaraka tamin’ny talenta dimy tombony sady nitarea hoe: Ô Ramose, namenao talenta dimy izaho dia nahazo antombony an’ireto talenta dimy ireto. 21 Hozy ilay patirôny: Tsara izany r’ingahy! Gaogna tsara sady azo antoka ianao; azo antoka tamin’ny kely ianao ka hampandraiketiko raha matomboka be; mandrosoa hiaraka hifaly aminahy. 22 Nagnatogna koa ilay namena talenta roay dia hozy: Ô Ramose, namenao talenta roay izaho dia nahazo antombony an’ireto talenta roay ireto. 23 Dia hozy ilay patirôny taminanjy: Tsara izany, r’ingahy! Gaogna tsara sady azo antoka ianao; azo antoka tamin’ny kely ianao ka hampandraiketiko raha matomboka be; mandrosoa hiaraka hifaly aminahy. 24 Rehefa nagnatogna kosa ilay nameny talenta iraika, dia hozy: Ô Ramose, haiko fa ôlona mila voa tsy ary ianao, mandidy vary tsy nafafinao, ary mampiakatra raha tsy nambolenao; 25 dia natahotra izaho ka nandevigna ny talentanao. Igny, raiso ny volanao. 26 Dia hozy ny Patirôny taminanjy: Gaogna tsy vantagna sady kamo ianao. Hainao fa mandidy vary tsy nafafiko izaho ary mampiakatra raha tsy namboleko; 27 Nagnino ma no tsy nampanjanaka ny volako tamin’ôlona ianao, mbôry izay rehefa tonga izaho dia nandray ny anahy mbaraky ny zanagny? 28 Alaivo aminanjy ny talenta ary ameo an’ilay managna talenta folo. 29 Fa izay managna dia hamena betsaka kokoa; ary izay tsy managna indray, na dia izay kely anagnany aza dia halaina aminanjy. 30 Areo amin’ny maizigna ambelany akaigny io gaogna tsisy ilàna ananjy io; hisy fitomaniana sy fampiadiana nify akaigny.
Ny fitsarana farany
31 Rehefa tonga amin’ny voninahiny miaraka amin’ny anjely dahôlo ny Zanak’Ôlona, dia hentotra ambonin’ny seza maha mpanjaka ananjy Izy. 32 Dia havory agnoloagnany akeo ny firenena dahôlo ary hagnavaka anjareo, ôhatran’ny mpagnandroka ondry magnavaka ny ondry amin’ny osy, Izy. 33 Hapetragny amin’ny ankavagnany ny ondry, ary amin’ny ankaviany akeo ny osy.
34 Amin’izany fotoana izany dia hitarea aminjareo akeo ankavagnany ny Mpanjaka hoe: Avia atỳ dahôlo ianareo izay notahian’ny Raiko. Mandovà ny fanjakana, ilay efa nomagnina ho anareo letry nagnamboarana an’izao tontolo izao. 35 Satria refogna Izaho dia namenareo ahanina; nangetaheta dia namenareo rano; nivahiny dia nampandrosoanareo tan-dragno; 36 nila akanjo dia namenareo; narary dia notsaboinareo; nigadra dia novangianareo. 37 Dia hamaly Ananjy ny marina hoe: Ô Ramose! Oviana ma Anao hitanay refogna ka namenay ahanina, nangetaheta ka namenay rano, 38 hitanay nivahiny ka nampandrosoanay tan-dragno, nila akanjo ka namenay, 39 hitanay narary ka notsaboinay, nigadra ka novangianay? 40 Dia hamaly ananjy ny Mpanjaka hoe: Taraviko aminareo tsara be fa izay nataonareo tamin’ny iraika amin’ireto rahalahiko madinika ireto no nataonareo Taminahy.
41 Dia hitarea amin’ny ankaviany indray koa Izy hoe: Mialà Aminahy akaigny anareo izay voaozogna! Mandehana akaigny amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay efa nomagnina ho an’ny devoly sy ny anjeliny. 42 Tamin’Izaho refogna mbôka dia tsy mbô namenareo ahanina, nangetaheta dia tsy mbô namenareo rano, 43 nivahiny dia tsy mbô nampandrosoanareo tan-dragno, nila akanjo fa tsy mbô namenareo, narary fa tsy mbô notsaboinareo ary nigadra fa tsy mbô novangianareo. 44 Dia hamaly Ananjy zareo hoe: Ô Ramose! Oviana ma Anao hitanay refogna, na nangetaheta, na nivahiny, na nila akanjo, na narary, na nigadra ka tsy nanompo Anao izahay? 45 Dia namaly ananjy ny Mpanjaka hoe: Taraviko aminareo tsara be fa izay tsy nataonareo tamin’ny iraika tamin’ireto rahalahiko madinika ireto dia tsy mbô nataonareo Taminahy. 46 Handeha ho aigny amin’ny fampijaliana mandrakizay ireo; fa ny marina kosany ho aigny amin’ny fiaignana mandrakizay.