Ny fampitandreman’i Jesoa mikasika ny mpampiana-dalàna sy ny Fariseo
23
Dia nitarea tamin’ny vahoaka sy ny mpianany Jesoa hoe: 2 Natao hagnazava ny lalànan’i Mosesy ny mpampiana-dalàna sy ny Fariseo. 3 Noho izany, ataovy dia araho izay raha dahôlo taravinjareo; kanefa aza magnaraka ny raha fataonjareo satria vavany foagna avy zareo fa tsisy raha vita. 4 Fatoranjareo akeo ambonin’ny sorok’ôlona ny entana mavesatra sy sarotra indesina kanefa zareo tsy magneky magnetsika na dia ny rantsan-tagnany iraika avy mbô hitahy hilanja an’izany. 5 Ary indesiny isekosekoana ny raha dahôlo hataony mbô ho hitan’ôlona; ataonjareo hita be ny filakiteranjareo ary ataonjareo geda ny moron-tongotr’akanjonjareo. 6 Ny toerana alôha amin’ny fanasana sy ny seza alôha amin’ny synagoga no tianjareo, 7 ary azoazony ny arahabaina aigny an-tsena ka antsovin’ny ôlona hoe: Ô Rabya!8 Fa ianareo indray, aza mbô magneky antsovin’ôlona hoe Raby fa iraika ihany ny Mpampianatra anareo sady mpirahalahy dahôlo ianareo. 9 Aza magnantso ôlona ambonin’ny tany aketo ho dadainareo satria iraika ihany ny Dadainareo, dia ilay aigny an-dagnitra. 10 Aza magneky hantsovin’ny ôlona hoe sefo ianareo satria iraika ihany ny sefonareo dia Kristy. 11 Fa izay te ho sefo aminareo no hanjary gaognanareo. 12 Fa izay manandra-tegna no haetry ary izay manetry tegna no asandratra.
13 Ho azon-draha ianareo mpampiana-dalàna sy Fariseo! Mpihatsaravelatsihy ianareo! Afodinareo akeo alohan’ny ôlona ny fanjakan’ny lagnitra kanefa ianareo tsy miditra ary izay te hiditra tohagnanareo. 14 Ho azon-draha ianareo mpampiana-dalàna sy Fariseo! Mpihatsaravelatsihy ianareo! Katramoanareo ny mpitondratena, dia misekoseko amin’ny vavaka lavareny ianareo. Takatr’izany, hahazo fanamelohana mafimafy kokoa ianareo.
15 Ho azon-draha ianareo mpampiana-dalàna sy Fariseo! Mpihatsaravelatsihy ianareo! Mitety ripatra ianareo mbô hahazoanareo proselitab iraika. Rehefa azonareo ilay ôlona, dia ataonareo zanaky ny afobe indroay mandombolombo anareo.
16 Ho azon-draha ianareo mpitarika nefa jamba! Mampianatra ianareo hoe: Tsy mampagnino ny mianiana amin’ny Tempoly fa mamato-tegna izay mianiana amin’ny volamena akao amin’ny Tempoly. 17 Ô ianareo adala sy jamba ireto! Iza ma no manan-danja: Ny volamena sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena? 18 Ary hozy koa ianareo: Tsy mampagnino ny mianiana amin’ny alitara fa mamato-tegna izay mianiana amin’ny sorogna amboniny akeo. 19 Ô ianareo jamba ireto! Iza ma no manan-danja: Ny sorogna sa ny alitara izay nahamasina ananjy? 20 Takatr’izany, izay mianiana amin’ny alitara dia mianiana amin’ny raha dahôlo amboniny akeo. 21 Izay mianiana amin’ny Tempoly dia mianiana aminanjy sy amin’ny raha dahôlo agnatiny akao. 22 Izay mianiana amin’ny lagnitra dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamagnitra sy izay mentòtra amboniny akeo.
23 Ho azon-draha ianareo mpampiana-dalàna sy Fariseo! Mpihatsaravelatsihy ianareo! Amenareo an’Andriamagnitra ny ampahafolon’ny solila sy aneta ary komina izay ambolenareo kanefa tsy ahoanareo izay tegna manan-danja amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana. Ireo no tokony ho nataonareo ary tsy tokony avelanareo koa ireo raha talôha ireo. 24 Ô ianareo mpitarika nefa jamba! Sivaninareo ny aloy kanefa atelignareo ny rameva.
25 Ho azon-draha ianareo mpampiana-dalàna sy Fariseo! Mpihatsaravelatsihy ianareo! Sasanareo ny avelagn’ny tasy sy ny vilia kanefa ny agnatiny akao feno halatra sy tsy fanjariana. 26 Ô ianareo Fariseo jamba! Sasao malôhany ny agnatin’ny tasy sy vilia, mbôry izay hadio koa ny avelagny.
27 Ho azon-draha ianareo mpampiana-dalàna sy Fariseo! Mpihatsaravelatsihy ianareo! Sahala amin’ny fasagna voalalotra fotsy ianareo: tsara avelagny foagnany kanefa ny agnatiny akao feno taolam-paty sy raha maloto dahôlo. 28 Sahala amin’izany koa ianareo: Karaha ôlo-marina agnatrehan’ôlona kanefa ny agnatinareo akao feno fihatsarambelatsihy sy tsy fagnarahan-dalàna.
29 Ho azon-draha ianareo mpampiana-dalàna sy Fariseo! Mpihatsaravelatsihy ianareo! Amboarinareo ny fasagn’ny mpagnazary sady ampihaingonareo ny fasagn’ny ôlona marina, 30 dia hozy ianareo avy akeo: Raha niaigna niaraka tamin’ny razagnay izahay, dia tsy mbô niaraka taminjareo handatsaka ny ràn’ny mpagnazary. 31 Ka dia mamôsa ianareo fa tamingan’ny ôlona namono ny mpagnazary. 32 Tohizo ary ny tsy fanjariana nataon’ny razagnareo. 33 Ô ianareo bibilava! Ô ianareo tamingan’ny menaragna! Tsy afaka hilefa ny fagnamelohana hakaigny amin’ny afobe ianareo.
34 Avy amin’izany, hasaiko mankaigny aminareo ny mpagnazary sy ôlon-kendry ary mpampiana-dalàna. Kanefa ny sanagny hovonoinareo sy hofantsihanareo amin’ny kakazo fijaliana, hisy koa hotarohanareo akao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo eraky ny tanàna, 35 mbôry izay hanody anareo ny ra marina dahôlo izay nalatsaka tatỳ ambonin’ny tany, niantena tamin’ny ràn’i Abela lehilahy marina ka letry tamin’ny ràn’i Zakaria zanak’i Barakia, izay novonoinareo takeo agnelagnelan’ny tempoly sy ny alitara. 36 Taraviko marina aminareo tokoatrany fa hanody an’ity taranaka ity izany raha dahôlo izany.
Fitaraignan’i Jesoa momba an’i Jerosalema
37 Ô Jerosalema! Ô Jerosalema! Mamono ny mpagnazary sy mitora-bato izay nirahina hankaigny aminao ianao. Impiry ma Izaho no te hamory ny zanao ôhatra ny fiarovan’ny reniakoho ny zanagny ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao! 38 Jerevo fa hanjary haolo ny tragnonareo 39 Taraviko aminareo fa tsy hahita Anahy intsony ianareo mandram-pitaravanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny agnaran’NY TÔMPO.