Fagnontaniana mikasika ny fahefan’i Jesoa
20
Nisy andro, nampianatra ny ôlona tan-kianjan’ny tempoly Jesoa ka nitory ny Tarea Maharavo. Dia nagnatogna Ananjy ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampiana-dalàna ary ny loholona 2 ka nitarea Taminanjy hoe: Lazao aminay: Fahefana avy takaiza ma no hahazoanao magnano izao raha izao? Ary iza ma no nagname Anao fahefana hagnano an’izany?
3 Dia namaly anjareo Jesoa hoe: Izaho koa mbô hagnadina raha iraika anareo. Taravo Aminahy: 4 Avy aiza ma ny fahefana nagnanaovan’i Jaona batisa: Avy tan-dagnitra ma sa avy tamin’ny ôlona?
5 Dia niady hevitra zareo nagnano hoe: Raha hotaravintsika hoe avy tan-dagnitra, dia hamaly antsika Izy hoe: Ka nagnino ma izany ianareo no tsy nino ananjy? 6 Kanefa raha holazaintsika indray hoe avy tamin’ny ôlona, dia hitora-bato antsika ny ôlona satria mino zareo fa mpagnazary Jaona.
7 Dia namaly zareo hoe: Tsy fantatray izay nihaviany. 8 Dia hozy Jesoa taminjareo: Izaho koa izany tsy hitarea aminareo izay fahefana agnanaovako an’izao.
Fagnoharana mikasika ireo mpiasa ratsy fagnahy tan-tanimboaloboka takao
9 Dia nilaza izao fagnoharana izao tamin’ny ôlona Izy: Nisy lehilahy iraika nagnajary tanimboaloboka. Nafondrony tamin’ôlona izany, dia lasa nandeha nitady ravinahitra izy. 10 Rehefa tonga ny fahavokaran’ny voaloboka, dia nagniraka ny gaognany izy mbô hialaka ny anjarany. Kanefa notarohan’ny mpiasa tany ilay gaogna ka nalifany nody maigna. 11 Dia nagniraka gaogna iraika koa ilay r’Ingahy; ary notarohan’ny mpiasa tany mafy koa igny sady nalany baraka ka nalifany nody maigna 12 Dia nagniraka gaogna iraika fagnintelony izy; ary notarohany nataony vaky ra igny ka noroasiny. 13 Dia hozy ilay tômpon’ny tanimboaloboka: Ino ary no hataoko? Handeha hirahiko ny zanako, ilay tegna tiako; angamba hagnaja ananjy zareo. 14 Fa raha vao nahita ananjy ireo mpiasa tany, dia niady hevitra hoe: Ity avy ity ny mpandova! Andao hovonoina izy, mbôry izay ho antsika ny lova. 15 Dia navoakanjareo tavelan’ny tanimboaloboka izy ka novonoiny. Dia hozy Jesoa: Hataon’ny tômpon’ny tanimboaloboka manakôry aiky ma zareo mpamondro amin’izany? 16 Ho avy aigny izy ka hamono ireo mpamondro ireo ary hameny ôlon-kafa ny tanimboaloboka.
Ary raha naharegny izany ny ôlona, dia hozy zareo: Aza mahavoa! 17 Dia nijery anjareo Jesoa ka nagnano hoe: Ino ma ny hevitr’izao teny voasoratra izao:
“Ny vato izay tsy nahoan’ny mpandrafitra,
dia efa nanjary vato fototra” (Sal 118.22).
18 Izay ôlona dahôlo lavo amin’izany vato izany dia ho montsagna; ary na iza na iza no hahalavoany dia ho toro.
19 Ary tamin’izany fotoana izany dia nitady hisambotra Ananjy ny mpampiana-dalàna sy ny lôhandôhan’ny mpisorogna; nefa natahotra ny ôlona zareo satria fantany fa ho anjareo no nagnanaovana izany fagnoharana izany.
Hetra efaina amin’i Kaisara
20 Nagnara-maso an’i Jesoa ny mpampiana-dalàna sy ny mpisorogna. Nagniraka mpitsikilo, izay nody niseho ho marina zareo mbô hamingana Ananjy amin’ny raha taraviny ka hanolorany Ananjy ho amin’ny hery sy ny fahefan’ny governora. 21 Dia nagnadina an’i Jesoa ny mpitsikilo hoe: Ô Ramose! Hainay tsara fa miteny sy mampianatra marina Ianao. Tsy magnavakavaka ôlona Ianao fa mampianatra marina ny lalàn’Andriamagnitra. 22 Manjary ma sa tsy manjary ny magnefa hetra ho an’i Kaisara? 23 Kanefa hain’i Jesoa ny haratsian-dôhanjareo ka hozy: 24 Ampisehovo denaria iraika hoe Izaho. Sarin’iza ma io? Dia agnaran’iza? An’i Kaisara, hozy zareo. 25 Dia hozy Jesoa: Efao amin’i Kaisara izay an’i Kaisara ary amin’Andriamagnitra izay an’Andriamagnitra. 26 Tsy nahita raha tsy nanjary tamin’ny tarea notaraviny zareo sady gaga tamin’ny valinteniny ka nangina.
Fagnontaniana mikasika ny fitsanganana amin’ny maty
27 Nagnatona an’i Jesoa ny sanagny tamin’ny Sadoseo, izay mivôlagna fa tsisy ny fitsanganan’ny maty, ka nagnadina hoe: 28 Ô Ramose! Nanoratra ho antsika i Mosesy hoe: “Raha misy lehilahy iraika manambady, tsy nifamaitra izy mivady dia maty izy, ary mbôla velona ilay vehivavy, dia tokony hataon’ny rahalahiny solotragno izy mbô hamaitra ka hamelo-maso ilay maty” (Deo 25.5). 29 Nisy fito lahy kiboraika; nialaka vehivavy ny lahimatoa, dia maty tsy namaitra izy. 30 Dia nagnano solotragno ananjy ny faharoa; 31 ôhatra izay koa ny fahatelo; ary ôhatra izay dahôlo ny nataon’izy fito mirahalahy; nefa maty tsy namaitra zareo dahôlo. 32 Farany dia maty koa ilay vehivavy. 33 Ka ho vadin’iza ma izany ilay vehivavy amin’ny fitsanganan’ny maty satria samby efa nanambady ananjy dahôlo izy fito mirahalahy?
34 Dia hozy Jesoa taminjareo: Amin’izao fiaignana izao no misy mampaka-bady sy ampakarina. 35 Fa ny ôlona mendrika ny fitsanganana amin’ny maty sady hanana anjara amin’ny fiaignana ho avy kosa dia tsy mbô mampaka-bady na ampakarina. 36 Tsy mety maty intsony izy fa mitovy amin’ny anjely, ary zanak’Andriamagnitra satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty. 37 Nambaran’i Mosesy tamin’izy nitarea mikasika ny Roimemy fa hatsangana ny maty. Novolagniny fa “NY TÔMPO dia Andriamagnitr’i Abrahama sy Andriamagnitr’Isaka ary Andriamagnitr’i Jakoba” (Eks 3.6). 38 Tsy mbô Andriamagnitry ny maty Izy fa an’ny velona satria velona ho an’Andriamagnitra zareo dahôlo.
39 Dia hozy ny mpampiana-dalàna asagnany: Ô Ramose! Manjary izany resao izany. 40 Ary tsisy nahasahy nagnadina Ananjy intsony zareo.
Kristy sy Davida
41 Ary hozy Jesoa taminjareo: Manigno ma no lazaina fa Kristy dia Zanak’i Davida? 42 Nefa Davida ihany no mivôlagna akao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:
“NY TÔMPO nitarea tamin’ny Tômpoko hoe:
Mentòra ankavagnako akeo ianao,
43 mandra-pagnanaovako ny fahavalonao
ho ambanin’ny faladianao” (Sal 110.1).
44 Na dia Davida ary nagnantso Ananjy hoe: Tômpo, dia manakôry ma izany no maha Zanagny Ananjy?
Fampitandremana mikasika ny mpampiana-dalàna
45 Raha mbôla tam-pitainoana an’i Jesoa ny ôlona dahôlo dia hozy tamin’ny mpianany: 46 Mitandrema ianareo amin’ny mpampiana-dalàna, izay mazoto mandehandeha magnano akanjo mirebareba, te ho arabain’ny ôlona an-tsena sady tia mipetraka alôha akao amin’ny sinagoga sy rehefa mamonjy fanasana, 47 ary mikatramo ny mpitondratena sy misekoseko amin’ny vavaka lavareny. Hahazo fanamelohana mafimafy kokoa ny ôlona ôhatra izany.