Fagnoharana mikasika ny fampakaram-bady
22
Nagnano fagnoharana hafa taminjareo indray Jesoa 2 ka hozy: Ny fanjakan’ny lagnitra dia ôhatran’ny mpanjaka iraika izay nagnomana raharaha ho an’ny zanany lahy hampaka-bady. 3 Nagniraka ny gaognany izy hagnantso an’izay efa nilazana mbô ho tonga amin’io raharaha io fa tsy nety ho avy izay nantsovina. 4 Nagniraka gaogna hafa indray izy ka hozy taminjareo: Taravo amin’izay efa notoroana hoe: Efa masaka ny ahanina, efa maty ny aombiko sy izay efa nafahiko, ary efa vonona ny raha dahôlo. Vonjeonareo ny ahanina akao. 5 Kanefa tsy nahoanjareo avy izany fa samby lasana zareo: Ny sanagny nankaigny amin’ny tanimboliny, ny sanagny indray nandeha nivarotra. 6 Ary ny hafa nisambotra ny gaognany, dia nihetraketraka ka namono anjareo. 7 Dia sosy be ilay mpanjaka ka nagniraka ny miaramilany handripaka an’ireo mpamono ôlona ireo sy handoro ny tanànanjareo. 8 Hozy tamin’ny gaognany: Efa vonona ny raha dahôlo, fa ny ôlona nantsovina no tsy nanjary. 9 Mandehana mankaigny amin’ny arabe ka asaivo mamonjy an’ilay raharaha izay damo anareo. 10 Dia lasana zareo ka nagnandroka izay ôlona damo anjareo na ny manjary, na ny tsy manjary ka feno mpihinana ilay raharaha.11 Rehefa niditra ny mpanjaka hijery ny mpihinana, dia nahita lehilahy iraika tsy nanarogna akanjo findesina amin’ny raharaha. 12 Dia hozy ilay mpanjaka taminanjy: Ô r’Ingahy! Ino ma nahatafidiranao takato nefa ianao tsy misarogna akanjo findesina amin’ny raharaha avy? Dia tsy nahavaly ilay lehilahy! 13 Dia hozy ilay mpanjaka tamin’ny gaognany: Fatory ny tongony sy ny tagnany ka areo faty aigny avelagny amin’ny maizigna aigny izy. Aigny mbôka no hisy fitomaniana sy fampiadivana nify. 14 Fa betsaka no antsoviny kanefa vitsy no fidina.
Hetra efaina amin’i Kaisara
15 Tafaran’izay dia lasana nikaon-dôha ny Fariseo mbô hikaraka an’izay haminganana an’i Jesoa ny amin’ny raha notaraviny. 16 Dia nagniraka ny mpianatranjareo sy ny Herodiana handeha amin’i Jesoa ny Fariseo ka hozy zareo Taminanjy: Ô Ramose! Hainay Ianao fa ôlona marina sady tegna mampianatra ny lalàn’Andriamagnitra ary tsy matahotra ôlona sy tsy mbô magnavakavaka. 17 Taravo aminay izay hevitrao: Manjary ma ny magnefa hetra ho an’i Kaisara sa tsy manjary? 18 Kanefa hain’i Jesoa ny haratsian-dôhanjareo ka hozy: Magnino ma no mitsapa fagnahy anahy ianareo mpihatsaravelatsihy ireo? 19 Atoroy Anahy edy ma ny vola fagnefana hetra! Dia nitondrasanjareo denaria iraika Izy. 20 Dia hozy Jesoa taminjareo: Sarin’iza sy agnaran’iza ma ny amin’ity vola ity? 21 Hozy zareo: An’i Kaisara. Dia hozy Jesoa: Efao amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary amin’Andriamagnitra izay an’Andriamagnitra. 22 Gaga zareo rehefa naharegny an’izany ka lasana.
Fagnotaniana mikasika ny fitsanganana amin’ny maty
23 Tamin’io andro io dia nagnatogna an’i Jesoa ny sanantsanagny tamin’ny Sadoseo. Mivôlagna mbôka ny Sadoseo fa tsisy ny fitsanganana amin’ny maty, ka hozy zareo tamin’i Jesoa: 24 Ô Ramose! Izao no raha notaravin’i Mosesy: “Raha misy lehilahy iraika maty nefa tsy nifampiteraka izy ny vadiny, ary mbôla velona ilay vehivavy, dia tokony hataon’ny rahalahiny solotragno ilay vehivavy mbôry izay hanan-tamingana ilay maty” (Deo 25. 5). 25 Nisy fito lahy kiboraika. Nialaka vehivavy ilay lahimatoa dia maty. Ary nataon’ny rahalahiny solotragno ny vadiny satria tsy nifampiteraka zareo. 26 Sahala amin’izany koa ny faharoa sy ny fahatelo hatramin’ny fahafito. 27 Ary farany dia maty koa ilay vehivavy. 28 Amin’ny fitsanganana amin’ny maty, iza aminjareo fito lahy aika ma izany ny ho vadin’ilay vehivavy? Efa samby nanambady ananjy dahôlo mbôka zareo. 29 Dia hozy Jesoa namaly anjareo: Diso hevitra ianareo satria tsy mahay ny Soratra Masina sady tsy mahay ny hasin’Andriamagnitra. 30 Amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia tsisy lehilahy hampakatra vehivavy na vehivavy havoaka fa hitovy amin’ny anjely aigny an-dagnitra ny ôlona dahôlo. 31 Mikasika ny fitsanganana amin’ny maty indray, tsy mbôla novakinareo ma ny tarea notaravin’Andriamagnitra taminareo hoe: 32 “Izaho no Andriamagnitr’i Abrahama sy Andriamagnitr’Isaka ary Andriamagnitr’i Jakoba” (Eks 3.6)? Tsy Andriamagnitry ny maty Izy fa an’ny velona. 33 Lany fagnahy ny vahoaka rehefa naharegny ny fampianarana nataon’i Jesoa.
Ny didy farany matomboka
34 Rehefa regnin’ny Fariseo fa nataon’i Jesoa kepoka ny Sadoseo, dia nivory zareo. 35 Nisy mpampiana-dalàna iraika taminjareo, nitsapa fagnahy an’i Jesoa nagnano hoe: 36 Ô Ramose! Ny didy manakôry ma no farany matomboka amin’ny Lalàna akao? 37 Dia hozy Jesoa: “Tiavo NY TÔMPO Andriamagnitrao amin’ny fonao iray manontolo, amin’ny fagnahinao iray manontolo ary ny saignanao iray manontolo” (Deo 6.5). 38 Izany no didy farany matomboka. 39 Ary ôhatran’izany koa ny faharoa, “Tiavo ny namanao, sahala amin’ny itiavanao ny aignanao” (Lev 19.18). 40 Voafehin’izany didy roay izany ny lalàna dahôlo sy ny ampagnazary.
Kristy sy Davida
41 Raha mbôla nivory igny ny Fariseo dia nagnadina anjareo hoe Jesoa: 42 Akôry ma ny hevitrareo mikasika an’i Kristy? Zanak’iza ma Izy? Dia hozy zareo Taminanjy: Zanak’i Davida. 43 Kanefa hozy Jesoa taminjareo: Nagnino ary tamin’i Davida feno ny Fagnahy no nagnantso Ananjy hoe Tômpo, sady nivolagna hoe:
44 “NY TÔMPO nitarea tamin’ny Tômpoko hoe:
Mentòra ankavagnako akeo ianao,
mandra-pagnanaovako ny fahavalonao
ho ambanin’ny faladianao” (Sal 110.1)?