Nagnasitragna marary hafa Jesoa tamin’ny andro Sabata
14
Indray Sabata, nandeha nihinana tan-dragnona ôlona gedan’ny Fariseo iraika Jesoa, dia nagnara-maso tsara Ananjy zareo Fariseo takeo. 2 Ary nisy lehilahy iraika, nibinabinan’ny rano ny tongony sy ny tanany, avy nagnatogna Ananjy. 3 Dia nagnontany ny Fariseo sy ny mpampiana-dalàna Jesoa hoe: Manjary ma ny magnasitrana ôlona amin’ny Sabata sa tsy manjary? 4 Fa tsy niteny, tsy nivolagna zareo. Dia nokasihan’i Jesoa ilay marary ka nositragniny ary nasainy nandeha. 5 Dia nagnontany anjareo indray Jesoa hoe: Iza aminareo ma raha magnana zanaka na aomby latsaka agnaty vovo ka tsy hampakatra ananjy tsisy hataka andro na dia Sabata aza ny andro? 6 Fa mbôla tsy nanan-kolazaina ihany zareo.
Mifidy ny seza aigny afara
7 Rehefa tsikaritr’i Jesoa fa nifidy ny seza talôha ireo ôlona nasaina, dia nagnano fagnoharana izy hoe: 8 Raha nilazan’ôlona hamonjy mpanambady ianao, dia aza mentòtra amin’ny seza alôha, sao dia misy ôlon-kafa voalaza manan-kaja magnoatra anao, 9 dia ho avy ilay tompon-draharaha ka hitarea aminao hoe: Toeran’ity ôlona ity aketo! Dia ho megnatra be ianao ka hifindra amin’ny seza farany afara. 10 Fa raha misy magnasa anao, dia mentòra amin’ny seza farany afara, ary rehefa tonga ilay tompon-draharaha, dia hitarea aminao hoe: Ô raolona, mandrosoa anareo atỳ alôha atỳ; dia hohajain’ny ôlona dahôlo miara-miantotra mihinana aminao ianao. 11 Fa izay manandra-tegna no haetry; ary izay manetry tegna no hasandratra.
Fagnasana ny mahantra
12 Hozy Jesoa tamin’ilay nagnasa Ananjy: Raha magnasa ôlona hihinana atoandro na hariva ianao, dia aza magnasa ny namanao na ny kiboraika aminao na ny fianakavianao, na ny mpanankarena iray tanàna aminao, fa sao dia hagnasa anao koa zareo, ka ho voavaliny ny raha nataonao taminjareo. 13 Fa raha magnasa ôlona ianao, dia ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba no asao; 14 dia ho sambatra ianao satria tsy mbô hahavaly ny raha vitanao zareo; fa Andriamagnitra no hamaly fitia anao amin’ny fitsanganan’ny marina.
Fagnoharana mikasika ilay tsaboraha be
15 Rehefa naharegny izany ny iraika tamin’ny ôlona niaraka nihinana Taminanjy dia vaky vava hoe: Sambatra izay hihinan-kanina aigny amin’ny fanjakan’Andriamagnitra.
16 Hozy Jesoa taminanjy: Nisy ôlona iraika nagnomagna raharaha maresaka ka nampilaza ôlona betsaka. 17 Rehefa tonga ny lera fihinanana dia nagniraka ny gaognany izy hagnantso an’izay efa nilazana hoe: Magnasa anareo dahôlo hihinana fa efa masaka ny ahanina. 18 Fa samby niala tsigny zareo dahôlo. Hozy ny voalohany: Vao avy nividy tany izaho io ka tsy maintsy handeha hijery an’izay. Miala tsigny fa tsy afaka hankaigny izaho. 19 Hozy koa ny iraika: Vao avy nividy omby folo izaho io ka an-dalana handeha hamantatra an’izay. Miala tsigny fa tsy afaka hankaigny izaho. 20 Dia hozy koa ny iraika hafa: Vao avy nampaka-bady izaho io ka tsy afaka hankaigny. 21 Rehefa tafaverigna ilay gaogna, dia notantarainy tamin’ny patirôny izany raha dahôlo izany. Dia sosy be ilay tompon-draharaha ka hozy tamin’ilay gaognany: Mandehana malady mankaigny amin’ny arabe sy amin’ny lalankely aketo an-tanàna, ka ento mankaty ny mahantra, ny kilemaina, ny jamba ary ny mitringo. 22 Dia hozy ilay gaogna: Ô r’Ingahy, efa natao izay nasainao natao, nefa mbôla tsy feno foagna ny tragno. 23 Dia hozy indray ilay tompon-draharaha: Mandehana amin’ny lalana dahôlo sy amin’ny tan-drano, ka tereo ny ôlona ho avy mbô ho feno ny tragnoko. 24 Taraviko aminareo fa tsisy hagnandrana ny hanina nandrahoako iregny ôlona nasaiko iregny na dia iraika aza.
Mahafoy ny raha dahôlo noho ny fagnarahana an’i Jesoa
25 Nisy ôlona betsaka nagnaraka an’i Jesoa, dia nitodika taminjareo Izy ka hozy:
26 Tsy manjary ekena ho mpianatro izay ôlona magnaraka Anahy kanefa tiany mandombolombo Anahy ny rainy sy ny reniny, ny vadiny sy ny zanagny, ny rahalahiny sy ny anabaviny ary ny aignany. 27 Tsy manjary ekena ho mpianatro koa izay tsy milanja ny kakazo fijaliany ka tsy magnaraka Anahy.
28 Fa iza ma aminareo, raha te hanangana tilikambo, no tsy mentòtra malôha manombatombagna ny raha ho lany mbô hahitany na manam-bola hahavitana izany izy na tsia? 29 Sao dia vita ny fototra nefa tsy vita avy ny tilikambo, dia ataon’izay dahôlo mahita firesaka izany, 30 hoe: Nanomboka nagnano tragno io ôlona io fa tsy nahavita. 31 Ary iza ma ny mpanjaka handeha hiady amina mpanjaka hafa no tsy mentòtra malôha ka mandinika tsara, raha ho efany miaraka amin’ny miaramila iray alina anagnany ny handresy ny fahavalony managna miaramila roa alina na tsia? 32 Fa raha tsy ho efany, dia mbôla lavitra ilay mpanjaka iraika, dia efa hampitondra teny izy mbô hagnano raharaham-pihavanana. 33 Dia sahala aminjany koa ianareo dahôlo, tsy manjary ekena ho mpianatro izay tsy mahafoy ny raha dahôlo anagnany.
Raha manjary matsatso ny sira
34 Tsara ny sira; fa raha manjary matsatso izy dia tsisy mahasira ananjy intsony! 35 Sady tsy manjary raha amin’ny tany izy no tsy manjary hatao zezika fa harian’ôlona foagna.
Izay manan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!