Mandray ny mpanota i Jesoa
15
Nagnatona hitaino an’i Jesoa dahôlo ny ampitaky hetra sy ny mpanota. 2 Dia ningonongonona ny Fariseo sy ny mpampiana-dalàna hoe: Ilay iraika lahy ity mandray ny mpanota sady miara-mihinana aminjareo!
Fagnoharana mikasika ny ondry very
3 Dia nilaza ity fagnoharana ity taminjareo Jesoa hoe: 4 Iza aminareo ma raha managna ondry zato ka very ny iraika, no tsy hametraka ny sivy amby sivifolo an-kijàny aigny ka handeha hikaraka ilay iraika very mandra-pahitany ananjy? 5 Faly izy rehefa hitany igny ka ho lanjainy. 6 Rehefa tonga an-dragno izy, dia antsôviny dahôlo ny namany sy ny mifagnakaiky tragno aminanjy ka hilazany hoe: Andao hiaraka hikoragna aminahy fa efa hitako ilay ondriko very. 7 Taraviko aminareo fa hisy fifaliana ôhatra izany aigny an-dagnitra raha misy mpanota iraika izay mibebaka mandombolombo ny fifaliana noho ny ôlona marina sivy amby sivi-folo, izay tsisy tokony hibebahany.
Fagnoharana mikasika ilay vola madinika very
8 Raha misy vehivavy magnana drakmaa folo, ka very ny iraika, tsy handrehitra jiro ma izy ka hamafa tragno ary hikaraka izany mandra-pahitany ananjy? 9 Rehefa hitany ilay vola, dia antsôviny ny vehivavy namany dahôlo sy ny vehivavy mifanakaiky tragno aminanjy ka hilazany hoe: Andao hiaraka hikoragna aminahy fa efa hitako ilay drakma very. 10 Taraviko aminareo fa ôhatra izany koa ny fifaliana akeo agnatrehan’ny anjelin’Andriamagnitra noho ny mpanota iraika mibebaka.
Fagnoharana mikasika ilay zanaka adala
11 Dia hozy koa Jesoa: Nisy lehilahy iraika nanagna zanaka roa lahy. 12 Hozy ilay zandriny tamin’ny rainy: Ô Dada! Ameo anahy ny anjara lovako. Dia norasain’ilay rainy taminjareo mirahalahy ny fanagnany. 13 Andro vitsivitsy tafaran’izay, dia namidin’ilay zandriny ny anjara lovany, ary lasa nandeha tan-tany lavitra izy, ka nandany ny volany dahôlo tamin’ny fiaignan-dratsy taigny. 14 Rehefa lany izay raha nanagnany dahôlo, dia nisy silaona be tamin’izany tany izany, ka nihasahirana izy. 15 Dia nandeha nagnano gaogna-na tompon-tany iraika izy, izay nandefa ananjy tan-kijana mbô hiambina kisoa. 16 Tsisy nagname hanina ananjy tamin’izany ka satriny hamoky ny tegnany tamin’ny voankazo fihinan-kisoa. 17 Dia tonga saina izy ka hozy: Eee! Ny gaognan’ny dadako aigny izay mihinan-kanina be, nefa izaho ity matin-tsilaona! 18 Handeha hody izaho ka hitarea amin’ny dadako hoe: Ô Dada! Efa nanota tamin’ny lagnitra sy taminao izaho 19 ka tsy manjary hatao hoe zanao intsony; fa ataovy ôhatran’ny iraika amin’ireo gaognanao ireo izaho. 20 Dia lasa nody taigny amin’ny tany misy ny rainy izy.
Vao lavitra izy dia efa tazagn’ny rainy ka nahaforaigna ananjy ary nihazakazaka izy hitsena an-janagny; dia notolominy ilay zanagny sady norohany. 21 Dia hozy ilay zanagny: Ô Dada! Efa nanota tamin’ny lagnitra sy taminao izaho ka tsy manjary hatao hoe zanakao. 22 Fa hozy ny rainy tamin’ny gaognany: Ndeso atỳ malaky ny akanjo faran’izay tsara ka ampagnanaovy ananjy; asivo peratra ny tagnany ary ampagnanaovy kapa izy. 23 Ndeso atỳ koa ilay zanaka aomby nafahy ka vonoy. Andao atsika hagnano tsaboraha, 24 fa ity zanako ity efa maty fa velona indray ary efa very fa hita indray. Dia nanomboka nikoragna ny ôlona.
25 Tamin’io fotoagna io, mbôla taigny an-tsaha ny zanagny lahimatoa. Rehefa nody izy ka efa takaiky ny tragno, dia regniny ny raha magneno sy ny feon’ôlona mandihy. 26 Dia nagnantso gaogna iraika izy ka nagnontany ananjy izay anton’io tsaboraha io. 27 Dia hozy ilay gaogna taminanjy: Nierigna ny zandrinao ka nasain’ny rainao novonoina ny zanaka aomby nafahy satria tsy maty fo aman’aigna izy. 28 Dia sosy izy ka tsy nety niditra. Ary nivoaka ny rainy ka nampandroso ananjy. 29 Fa hozy tamin-drainy: Jerevo anie e! Izay ela izay izaho no efa niasa ho anao sady tsy mbôla nandà ny baikonao na dia indray mandeha ary; nefa tsy mbôla namenao na dia zanak’osy iraika aza izaho mbô hiarahako mikoragna amin’ny namako. 30 Fa raha vao tonga kosa io zanao io dia namonoanao zanaka aomby mifahy na dia efa nandany ny fanagnanao tamin’ny vehivavy mpivaro-tena aza. 31 Ary hozy ilay rainy taminanjy: Ô zanako, aminahy aketo foagna ianao, ary anao dahôlo izay anagnako. 32 Fa manjary ny mikoragna sy mifaly satria ity zandrinao ity efa maty fa velona indray ary efa very fa hita indray.