Iza ma no ôlona farany geda?
18
Tamin’izany fotoana izany dia nagnatogna an’i Jesoa ny mpianatra ka nagnadina Ananjy hoe: Iza ma izany no ôlona farany geda amin’ny fanjakan’ny lagnitra akao? 2 Dia nangiraka gaogna madinika iraika hagnatogna Ananjy Jesoa ka napetragny tampovoanjareo 3 ary hozy: Taraviko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka hanjary ôhatran’ny gaogna madinika dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lagnitra mihitsy. 4 Araka izany, na iza na iza no hanetry tena hanjary ôhatr’ity gaogna madinika ity, dia izy no ho ôlona farany geda amin’ny fanjakan’ny lagnitra. 5 Ary na iza na iza no handray ny gaogna madinika ôhatr’ity amin’ny Agnarako dia mandray Anahy.
Izay mitarika hanota
6 Fa na iza na iza no mitarika na dia iraika amin’ireo madinika mino Anahy ireo aza mbô hanota, dia tsara aminanjy raha hampizogaina leogna vato gedabe ny hatogny, ka avarigna agnatin’ny ranomasina laligna akaigny izy.
7 Ho azon-draha izao tontolo izao noho ny raha mitarika hanota! Fa tsy maintsy hisy foagna ny raha mitarika hanota, kanefa ho azon-draha izay ôlona mahatonga izany!
8 Raha ny tagnanao na ny tongotrao no mitarika anao hanota, tapaho aigny izy dia areo. Fa alay avy ianao miditra bologna na kômbo amin’ny fiaignana akaigny toy izay managna tagnana roa sy tongotra roa kanefa hariana amin’ny afo maharitra mandrakizay. 9 Ary raha ny masonao no mitarika anao hanota dia tsikiro aigny ka areo fa alay avy ianao miditra poaka maso ilany amin’ny fiainana toy izay managna maso roa kanefa hariana amin’ny afobe aigny.
10 Mitandrema mbô tsy hagnivaiva na dia iraika amin’iregny madinika iregny aza ianareo; taraviko aminareo fa ny anjelinjareo an-dagnitra aigny dia mahita foagna ny tarehin’ny Raiko izay an-dagnitra aigny koa. 11 Fa tonga hamonjy ny very ny Zanak’Ôlona.
Fagnoharana mikasika ny ondry very
12 Manakôry ma ny hevitrareo: Raha misy ôlona managna ondry zato ka mivily lalana ny iraika, tsy hapetragny an-kijàny aigny ma ny sivy amby sivifolo ka handeha hikaraka ilay nivily lalana malôha izy? 13 Taraviko marina aminareo fa ny fahitany an’igny dia mahafaly ananjy mandombolombo ny sivy amby sivifolo izay tsy nivily lalana. 14 Sahala amin’izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay an-dagnitra aigny hisy ho very na dia iraika aza amin’iregny madinika iregny.
Ny hampiveregnana ny rahalahy magnano raha tsy manjary
15 Raha magnano raha tsy manjary aminao ny rahalahinao, dia mandehana mankaigny aminanjy, ka rehefa mitokana ianareo roalahy, dia ampahafantaro ananjy ny tsy fanjariany. Raha mitandregny anao izy dia hiverigna ny fihavananareo. 16 Fa raha tsy mitandregny anao indray izy, dia mitondrasa ôlona iraika na roa miaraka aminao mbô hohamarinina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny teny dahôlo (Deo 19.15). 17 Ary raha mbôla tsy mety mitandregny anareo izy, dia taravo amin’ny fiangonana; ary raha mbôla tsy mety mitandregny ny fiangonana koa izy dia ataovy ôhatran’ny Jentilisa sy ny mpamory hetra. 18 Taraviko marina aminareo: Izay raha fatoranareo ety ambonin’ny tany dia hofatorana an-dagnitra aigny ary izay raha vahanareo ety an-tany dia hovahana an-dagnitra aigny.
Ny fiarahana mivavaka
19 Taraviko aminareo fa raha misy ôlona roa aminareo mifagnaraka ety ambonin’ny tany hangataka raha, na ino na ino, dia hamen’ny Raiko izay an-dagnitra aigny anjareo izany. 20 Fa na aiza na aiza no misy ôlona roa na telo mivory amin’ny Agnarako dia agnivonjareo akeo Izaho.
Ny fifamelan-keloka amin’ny mpirahalahy
21 Ary Petera nagnatogna an’i Jesoa dia hozy: Impiry magnano raha tsy manjary aminahy ma Tômpoko ny rahalahiko no tokony havelako? Hatramin’ny impito?
22 Hozy ny navalin’i Jesoa: Tsy hatramin’ny impito foagna no taraviko aminao fa hatramin’ny impito amby fitopoloa.
Fagnoharana mikasika ilay mpanompo tsy niforaigna
23 Noho izany, ny fanjakan’ny lagnitra dia ôhatran’ny mpanjaka iraika izay te hagnamarina ny volany amin’ny mpanompony. 24 Raha vao nanomboka nagnamarina ny volany izy, dia nisy mpanompo iraika izay nitrosa talenta iray alina taminanjy nindesina takeo. 25 Tsy nanagna hagnefana anefa ilay mpanompo ka nasain’ny mpanjaka hamidy izy sy ny vady aman-janagny mbaraky ny fanagnany dahôlo mbô hagnefana ny trosa. 26 Dia nenkohoka tagnatrehany ilay mpanompo ka niangavy ananjy hoe: Mbô ameo andro koa ma izaho tompoko fa hefaiko avy ny volanao dahôlo. 27 Nahaforaigna ny mpanjaka ilay mpanompo ka nalifany izy ary nafoiny ny trosany taminanjy. 28 Rehefa niala takeo ilay mpanompo dia nahita mpanompo namany iraika, izay nitrosa denaria zato taminanjy. Nosamboriny ilay zalahy io ka nokendainy sady notaraviny hoe: Efao dahôlo ny trosako aminao aigny! 29 Kanefa nenkohoka taminanjy ilay mpanompo namany sady niangavy hoe: Mbô ameo andro koa ma izaho fa hefaiko avy ny volanao dahôlo. 30 Fa tsy nagnaiky izy ka nanagadra ananjy mandra-pagnefany ny trosa. 31 Rehefa hitan’ireo mpanompo namany izany raha nataony izany, dia nalahelo be zareo ka lasa nandeha nitantara ny raha nataony tamin’ny mpanjaka. 32 Dia nampagnantsovin’ny mpanjaka ilay zalahy io dia notaraviny hoe: Mpanompo tsy manjary ianao, efa nafoiko dahôlo ny trosako taminao satria niangavy anahy ianao; 33 tsy tokony niforaigna ny mpanompo namanao koa ma izany ianao ôhatran’ny niforaignako anao? 34 Sosy be ilay mpanjaka ka nalifany ho ampijalian’ny mpampijaly ilay mpanompo mandram-pagnefany ny trosa dahôlo.
35 Ôhatra izany koa no hataon’ny Raiko izay an-dagnitra aigny anareo, raha tsy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo dahôlo ianareo.