Ny tenin’i Jesoa mikasika ny fisaraham-panambadiana
19
Rehefa avy nivolagna izany raha izany Jesoa, dia niala ta-Galilia Izy ka nagnaraka ny làlana tamin’ny sisin’i Jodia, izay tampitan’ny ranon’ny Jordana. 2 Ary nisy ôlona betsaka be nagnaraka ananjy ka rehefa tonga taigny Izy dia nagnasitragna anjareo.3 Nisy Fariseo nagnatona sady nitsapa fagnahy Ananjy ka nagnano hoe: Manjary misao-bady ma ny lehilahy na ino na ino antony? 4 Dia hozy ny navaliny anjareo: Tsy mbôla novakinareo ma fa izay nahary ananjy hatry tam-boalôhany dia nahary ananjy ho lehilahy sy vehivavy (Gen. 1.27)? 5 Ary hozy koa ilay nahary Azy: “Araka izany dia hiala amin’ny dadainy sy nininy ny lehilahy ka hitambatra amin’ny vadiny, dia hanjary nofo iraika zareo nihindroay” (Gen 2.24), 6 ka dia tsy roa intsony zareo fa nofo iraika foagna. Tsy tokony ampisarahin’ôlona izany izay natambatr’Andriamagnitra. 7 Dia hozy zareo Taminanjy: Dia nagnino ma izany Mosesy no nandidy hagname taratasy fisaoram-bady sy hisaotra ananjy (Deo. 24.1)? 8 Ary hozy Jesoa: Ny di-dôhanareo foagna no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady, fa tsy ôhatra izany tam-boalôhany. 9 Taraviko aminareo fa na iza na iza no misaotra ny vadiny, raha tsy noho ny fagnitsakitsahana ihany, ka mampakatra vehivavy hafa, dia magnitsakitsaka, ary izay mampakatra ny voasaotra dia magnitsakitsaka koa.
10 Hozy ny mpianatra Taminanjy: Alay tsy manambady raha ôhatra izany ny toetran’ny lehilahy amin’ny vadiny. 11 Fa hozy Jesoa: Tsy ny ôlona dahôlo no mahazo onon-draha an’izany, fa izay namena ananjy ihany. 12 Fa misy ionòkaa letry avy tan-kibon-dreniny, ary misy ionòka izay nataon’ôlona, ary misy ionòka noho ny fanjakan’ny lagnitra. Izay mahay mialaka onon-draha amin’izany, mangalà onogna.
Jesoa sy ny gaogna madinika
13 Tamin’izay dia nisy ôlona nitondra gaogna madinika tamin’i Jesoa mbô hametrahany tagnana sy hivavahany, fa notenenin’ny mpianatra mafy zareo. 14 Kanefa hozy Jesoa: Avilay ny gaogna madinika hagnatogna Anahy; aza tohagnana zareo satria an’ny sahala aminjareo ny fanjakan’ny lagnitra. 15 Dia niala takeo Jesoa rehefa avy nametra-tagnana tamin’ny gaogna madinika.
Jesoa sy ilay mpanankarena
16 Nisy lehilahy iraika nagnatogna an’i Jesoa ka nagnadina Ananjy hoe: Ô Ramose! Ino ma ny raha tsara ataoko mbô hahazoako ny fiaignana mandrakizay? 17 Dia hozy Jesoa taminanjy: Magnino ma izaho no adininao mikasika izay tsara? Iraika ihany no tsara; fa raha te hiditra aigny amin’ny fiainana ianao, araho ny didy. 18 Hozy ilay lehilahy Taminanjy: Ino dahôlo ma izy izany? Dia namaly Jesoa hoe: Aza mamono ôlona, aza magnitsakitsaka, aza mangalatra, aza magnaiky atao vavolombelona mandainga, 19 hajao ny rainao sy ny reninao (Eks 20.12-16), ary tiavo sahala amin’ny aignanao ny namanao (Lev 15.18). 20 Hozy ilay lehilahy Taminanjy: Efa voatandriko dahôlo izany raha izany; fa ino koa ma no mbôla tsy ampy? 21 Hozy Jesoa taminanjy: Raha te ho tonga lafatra ianao, dia mandehana amidio ny fanagnanao, ka ameo ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra an-dagnitra aigny ianao ary andao hagnaraka Anahy. 22 Raha vao naharegny an’izany ilay lehilahy, dia niala tamin’alahelo izy satria nanan-karena be.
23 Hozy Jesoa tamin’ny mpianany: Taraviko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lagnitra. 24 Izao koa: Moramora ny hidiran’ny rameva amin’ny vodina filo raha ampitahaina amin’ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamagnitra.
25 Rehefa naharegny an’izany ny mpianatra dia lany fagnahy ka nifagnadigna hoe: Iza aiky ma izany no manjary vonjena? 26 Dia nijery anjareo Jesoa ka hozy: Tsy efan’ôlona avy izany, fa Andriamagnitra mahefa ny raha dahôlo. 27 Dia namaly Petera: Jerevo ma e! Efa nafoinay ny raha dahôlo ka nagnaraka Anao izahay; ino izany no ho azonay? 28 Hozy Jesoa: Taraviko marina aminareo fa rehefa havaozina ny raha dahôlo ka hentotra amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’Ôlona, ianareo izay magnaraka Anahy koa, dia hentotra amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenena roa ambin’ny folon’ny Israely. 29 Ary izay dahôlo efa nahafoy tragno, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany avy amin’ny Agnarako, dia handray in-jato mandombolombo an’izany ka handova fiaignana mandrakizay. 30 Kanefa betsaka izay voalôhany no hanjary farany, ary izay farany no hanjary voalôhany.