Ireo mpiasa tamin’ny lera farany
20
Ôhatran’ny lehilahy tômpon-tagny iraika izay mivoaka ampalakiaka mbô hagnarama mpiasa ho aigny an-tanimboalobony ny fanjakan’ny lagnitra. 2 Rehefa nifagnaraka tamin’ny mpiasa izy fa ho denaria iraika isan’andro ny karaman’ny isan’ôlona, dia nalifany nankaigny an-tanimboalobony zareo. 3 Nivoaka indray izy tamin’ny sivy dia nahita ôlona tsisy atao niantotra tan-tsena. 4 Ary hozy taminjareo: Mandehana koa ianareo mankaigny an-tanimboaloboko fa hameko karama izay tokony ho izy. Dia lasana zareo. 5 Nivoaka indray izy tamin’ny roa ambin’ny folo sy tamin’ny telo dia ôhatra izay koa no nataony. 6 Tokotokony tamin’ny dimy dia nivoaka indray izy ka nahita ôlon-kafa nipetra-poagna ary hozy taminjareo: Magnino ma ianareo no mipetra-poagna aketo magnalin’andro? 7 Hozy zareo taminanjy: Satria tsisy ôlona nagnarama anay. Dia hozy ilay lehilahy taminjareo: Mandehana koa ianareo mankaigny amin’ny tanimboaloboko. 8 Rehefa hariva ny andro dia hozy ny tômpon’ny tanimboaloboka tamin’ny mpikarakara ny fanagnany: Antsovy dahôlo ny mpiasa ka efao ny karamanjareo: Atombohy aminjareo tafara mankaigny amin’ny voalôhany. 9 Samby nahazo denaria iraika dahôlo ireo mpiasa nanomboka tamin’ny dimy. 10 Nagnantena hahazo karama mihoatra ireo tonga tamin’ny voalôhany kanefa denaria iraika ihany koa no azonjareo. 11 Rehefa nahazo an’izany zareo dia nivazavaza tamin’ilay tômpon-tragno hoe: 12 Adiny iray foagna ireo ôlona farany ireo no niasa takeo kanefa natao mitovy karama aminay, izahay anefa reraka niasa nagnalin’andro sady niaritra danik’andro. 13 Fa namaly ny iraika taminjareo izy hoe: Ô r’Ingahy! Tsy nikatramo anao kony izaho e! Tsy denaria iraika ma no nifagnarahantsika? 14 Raiso ny karamanao dia mandehana satria tiako omena ôhatran’ny nihinao koa ilay farany. 15 Fa angaha izaho tsy manjary magnano izay tiako hatao amin’ny volako? Dia mialona ma ianao satria tsara izaho? 16 Dia ôhatra izany, ny farany hanjary voalôhany, ary ny voalôhany hanjary farany.
Nivolagna fagnintelony mikasika ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty Jesoa
17 Rehefa niakatra ho aigny a-Jerosalema Jesoa dia nindesiny nihataka ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy ka tan-dalana dia hozy taminjareo hoe: 18 Miakatra ho aigny Jerosalema atsika io, ary hatolotra ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampiana-dàlana ny Zanak’Ôlona ka hohelohina ho faty 19 ary hatolotra ho an’ny Jentilisa mbô hataonjareo fihomehezana sy hokaravasiana ary hofantsihana amin’ny kakazo fijaliana; kanefa hitsangana amin’ny maty Izy rehefa afaka telo andro.
Ny fangatahana nataon’ny vadin’i Zebedio
20 Nagnatona an’i Jesoa niaraka tamin’ny zanagny roa lahy ny vadin’i Zebedio tamin’io fotoana io, dia nenkohoka nangataka raha Taminanjy. 21 Dia hozy Jesoa taminanjy: Ino no tianao? Ary hozy ilay vehivavy: Ameo toky izaho fa hentotra akaikinao ireto zanako roalahy ireto aigny amin’ny fanjakanao akao ka ny iraika ankavagnanao ary ny iraika ankavianao. 22 Fa hozy Jesoa: Tsy hainareo avy ny raha angatahanareo; ho hainareo ma ny hisotro ny kapoaka izay hosotroiko? Dia hozy zareo roalahy Taminanjy: Hainay foagna. 23 Kanefa hozy Jesoa: Hisotro amin’ny kapoakako tokoatrany ianareo fa tsy anjarako alôha ny manapaka izay hentotra ankavagnanako sy ankaveko; ary izay nagnomagnan’ny Raiko ananjy no hamena an’izany.
24 Dia sosy zareo folo lahy rehefa naharegny ny raha nataonjareo roalahy. 25 Fa nantsovin’i Jesoa hagnatogna Ananjy zareo ka hozy: Hainareo fa ny mpitondra amin’ny Jentilisa dia magnandevo be ary ny ôlona gedanjareo dia manjakazaka. 26 Fa aminareo alôha tsy mbô ôhatra izany; fa izay te ho geda aminareo dia hanjary gaognanareo, 27 ary izay te ho voalôhany aminareo dia ho andevonareo. 28 Ôhatr’izany ny Zanak’Ôlona, tsy tonga mbô hotompoina Izy fa hanompo ka hanolotra ny aignany hagnavotra ôlona betsaka.
Ny nampahiratan’i Jesoa ny poaka roa lahy takaikin’i Jeriko
29 Rehefa niala ta-Jeriko Jesoa sy ny mpianany dia nisy vahoaka betsaka nagnaraka Ananjy. 30 Ary nisy poaka roa lahy niantotra tamoron-dalana. Rehefa regninjareo fa nandalo Jesoa dia nilelalela zareo hoe: Ô Tômpo Zanak’i Davida! Amindrao fo koa ma izahay! 31 Niteny mafy anjareo ny ôlona mbô hangigna; fa karaha nagniraka anjareo hilelalela mafy izany ka hozy zareo: Ô Tômpo Zanak’i Davida! Amindrao fo koa ma izahay! 32 Ary nanangana Jesoa ka nagnadina anjareo hoe: Ino no tianareo hataoko aminareo? 33 Dia hozy zareo: Ô Tômpoko! Mbô ampahirato koa ma ny masonay! 34 Nahaforaigna an’i Jesoa zareo ka nokasihany ny masonjareo; takeo noho akeo dia nahiratra zareo ary nagnaraka an’i Jesoa.