Ny tetidratsy hamonoana an’i Jesoa
22
Efa akaiky ny Paka tamin’izay, ilay fety fihinanana ny mofo tsisy leviora. 2 Nikaraka hevitra hamonoana an’i Jesoa ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampiana-dalàna nefa natahotra ny ôlona zareo.3 Ary niditra tamin’i Jodasy Iskariota, iraika tamin’ny roa ambin’ny folo lahy i Satana. 4 Dia nankaigny amin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny lehiben’ny mpiambina izy ka niresaka taminjareo mikasika ny fomba hamadihany an’i Jesoa. 5 Faly zareo ka nagnaiky fa hagname vola ananjy. 6 Dia nagnaiky Jodasy ka nikaraka izay fomba hanolorany an’i Jesoa aminjareo amin’ny fotoana tsy hain’ny ôlona.
Asain’i Jesoa omagnina ny Paka
7 Rehefa tonga ilay andro fihinanana ny mofo tsisy lalovaigna, ilay tsy maintsy hamonoana ny zanak’ondrin’ny Paka, 8 dia nirahin’i Jesoa hikarakara ny raha hohanina amin’ny Paka ery Petera sy Jaona. 9 Hozy zareo Taminanjy: Akaiza ma no tianao hikarakaranay an’izany? 10 Dia hozy Jesoa: Hifanena amina lehilahy iraika mitatao siny feno rano ianareo raha vao miditra ny tanàna; araho aigny amin’izay tragno hidirany izy. 11 Ary taravo ny tômpontragno hoe: Aiza angaha ny efitra hiarahako mihinana ny hanin’ny Paka amin’ny mpianatro, hozy Ramose? 12 Dia hatorony efitra malalaka ambony rihana efa misy ny raha dahôlo ianareo; karakarao akao ny hanina. 13 Dia nandeha zareo roalahy ka nahita ny raha dahôlo sahala amin’ilay notaravin’i Jesoa taminjareo. Ary nikarakara ny hanin’ny Paka takao zareo.
Ny Fanasan’ny Tômpo
14 Rehefa tonga ny lera fihinanana, dia niantotra hihinana Jesoa sy ny Apostoly. 15 Dia hozy Jesoa taminjareo: Niriako mafy ny hiaraka hihinana aminareo amin’ity Paka ity, alôhan’ny hijaliako. 16 Taraviko aminareo fa tsy mbô hihinana hanin’ny Paka intsony Izaho mandrampahatanterak’izany akao amin’ny fanjakan’Andriamagnitra. 17 Dia nandray ny kalisy nisy divay Jesoa, ka nisaotra an’Andriamagnitra, dia hozy taminjareo: Raiso ity divay ity ka ifampitahoa. 18 Taraviko aminareo fa tsy hisotro divay intsony Izaho mandra-pahavin’ny fanjakan’Andriamagnitra.
19 Nandray ny mofo koa Izy ary nisaotra an’Andriamagnitra. Nopilapilahiny izany dia nameny ny mpianatra, dia hozy taminjareo: Ity mofo ity no vatako izay amena anareo. Ataovy ho fahatsiarovana Anahy izao. 20 Rehefa avy nihinana zareo, dia nandray ny kalisy Izy, ka hozy: Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay alatsaka ho anareo.
Ny nilazan’i Jesoa fa hisy ôlona iraika hamadika Ananjy
21 Miaraka homana Aminahy aketo ilay ôlona hamadika Anahy. 22 Fa mandeha araka izay voatendry ny Zanak’Ôlona, ary ho azon-draha izay ôlona hanolotra Ananjy. 23 Dia nifagnontany zareo hoe: Mbô iza aiky ma no hahavita an’izany?
Iza no farany geda?
24 Niady hevitra ny mpianatra ny amin’izay tokony ho farany geda aminjareo. 25 Dia hozy Jesoa: Magnandevo ny vahoakany ny mpitondra amin’ny Jentilisa, ary taravin’ny ôlona fa mpagnano raha tsara izay manjakazaka aminjareo. 26 Kanefa tsy ôhatra izany ianareo; fa izay te ho farany geda aminareo dia izy no tokony ho farany zandry; ary izay managna fahefana dia izy no tokony hiasa. 27 Iza ma no geda: Izay mentòtra homana sa izay mikarakara? Tsy ilay mentòtra homana ma? Izaho indray anefa aketo aminareo dia ôhatra ny mpikarakara. 28 Niaraka niari-draha Taminahy tamin’ny fitsapana nahazo Anahy ianareo. 29 Dia ameko anareo ny fanjakana ôhatra ny nagnamezan’ny Raiko Anahy izany koa, 30 mbô hiara-hihinana sy hisotro Aminahy aigny amin’ny fanjakako ianareo ary hentotra amin’ny seza fiandrianana hitsara ny firenen’Israely roa ambin’ny folo.
Ny nitaravan’i Jesoa fa hilaza tsy hahay Ananjy Petera
31 Dia hozy ny Tômpo: Ô Simona! Tainoa ma Izaho! Tadiavin’i Satana hokororohina ôhatra ny vary ianareo. 32 Nangataka ho anao anefa Izaho, mbô tsy ho levona ny finoanao. Rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo dahôlo ny rahalahinao. 33 Hozy Petera Taminanjy: Vognona hagnaraka Anao izaho, Tômpoko, na higadra, na ho faty aza. 34 Fa hozy Jesoa: Taraviko aminao ry Petera fa tsy mbôla magneno avy ny akoho nigniany, dia efa in-telo ianao no hitarea ho tsy mahay Anahy.
Ny tantim-bola sy ny harom-botsogna ary ny sabôha
35 Hozy Jesoa taminjareo: Taminareo nirahiko dia tsy navelako nitondra tantim-bola na harom-botsogna na kapa ianareo, nisy raha nahory anareo ma? Tsisy, hozy zareo. 36 Dia hozy: Amin’izao indray, izay magnana tantim-bola dia mitondrasa; ôhatra izany koa izay managna harom-botsogna; ary izay tsy managna sabôha kosa, dia mivarota lamba ka mividiana. 37 Taraviko aminareo fa tsy maintsy ho tanteraka Aminahy ny voasoratra hoe: “Natao ho isan’ny mpanota Izy”a; ary kely sisa dia ho tanteraka izany. 38 Dia hozy ny mpianatra Taminanjy: Ireto, Tômpoko, misy sabôha roa. Ary hozy Jesoa: Hatra akeo!
Ny vavaka nataon’i Jesoa tantampontanety Oliva
39 Niala takeo Jesoa, dia niakatra taigny an-tampon-tanety Oliva ôhatra ny fataony, ary nagnaraka Ananjy koa ny mpianatra. 40 Rehefa tonga taigny zareo, dia hozy Jesoa: Mivavaha ianareo mbô tsy ho azon’ny fakam-pagnahy. 41 Nihataka kely anjareo tokotokony ho in-dray mitora-batob Izy, dia nendongalitra sy nivavaka hoe: 42 Ô Daday! Raha mety Aminao, dia alao Aminahy ity kapôaka ity; kanefa tsy ny sitrapoko edy no hatao fa ny Anao. 43 Ary nisy anjely avy tan-dagnitra niboagna takeo ka nampahery Ananjy. 44 Tsy Taminanjy ny aignany ka nivavaka mafimafin’ny takeo Izy; ary nipatrapatraka tamin’ny tany ôhatra ny ra ny hatsembohany. 45 Rehefa nitsangana avy nivavaka Izy, dia niverigna tamin’ny mpianatra ka nahita anjareo tafandry takatry ny alahelo. 46 Dia hozy taminjareo: Magnino ma ianareo no matory? Mitsangàna ka mivavaha ianareo mbô tsy ho azon’ny fakam-pagnahy.
Ny nanamborana an’i Jesoa
47 Raha mbôla tam-pitenenana igny Jesoa, dia avy ny vahoaka, notarihan’i Jodasy, ilay iraika tamin’ireo roa ambin’ny folo lahy. Dia nagnatona an’i Jesoa mbô hagnano bàkely Ananjy i Jodasy. 48 Fa hozy Jesoa taminanjy: Ô Jodasy! Bàkely ma no hamadihanao ny Zanak’Ôlona?
49 Rehefa hitan’ireo niaraka tamin’i Jesoa ny raha hitranga, dia hozy zareo: Ô Tômpoko! Hokapainay amin’ny antsibe ma zareo? 50 Dia nokapain’ny iraika taminjareo ny sofina ankavagnan’ny gaognan’ny mpisorognabe ka niendaka. 51 Nefa hozy Jesoa: Avilay amin’izao. Dia nosafoin’i Jesoa ny sofin’ilay gaogna ka sitragna.
52 Ary hozy Jesoa tamin’ny lehiben’ny mpisorogna sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay avy hanambotra Ananjy: Hagnambotra Anahy ma ianareo dia mitondra antsibe sy kibay ôhatry ny hagnambotra dahalo? 53 Taminareo tan-kianjan’ny Tempoly takeo foagna Izaho isan’andro, nefa tsy nagnino Anahy ianareo; fa izao no fotoanareo satria manjaka ny maizigna.
Nataon’i Petera mody tsy hay Jesoa
54 Nosamborinjareo i Jesoa ka nentinjareo nankaigny an-dragnon’ny mpisorognabe. Ary nagnaraka Ananjy ta-lavidavitra Petera. 55 Nampirehitra afo tam-povoan-tokotany zareo dia namindro takeo, dia mbô namindro takeo koa i Petera. 56 Ary nisy gaogna vehivavy iraika nahita ananjy namindro takeo, dia nialaka onogna ananjy ka nagnano hoe: Ity lehilahy ity koa niaraka Taminanjy. 57 Fa tsy nagnaiky i Petera ka nitarea hoe: Ô vehivavy ity! Tsy haiko avy Izy. 58 Nisy ôlona hafa koa nahatsikaritra ananjy tafaran’izay, nagnano hoe: Namanjareo koa ianao. Dia hozy Petera: Ô r’Ingahy! Tsy namany kony izaho e! 59 Adiny iray tafaran’igny dia nisy ôlona iraika nanizingizigna hoe: Tegna niaraka Taminanjy marina tokoatrany ilay zalahy ity satria Galiliana! 60 Fa hozy Petera: Ô r’Ingahy! Tsy haiko kony izany raha taravinao izany e! Niaraka tamin’izay, raha mbôla nitarea Petera, dia nisy akoho nagneno. 61 Ary niherika ny Tômpo ka nijery an’i Petera. Dia tsarovan’i Petera ilay tarea notaravin’ny Tômpo taminanjy hoe: Tsy mbôla magneno avy ny akoho nigniany, dia efa in-telo ianao no hitarea ho tsy mahay Anahy. 62 Dia lasa nivoaka Petera ka nigogogogo nitomagny.
63 Ary nagnano an’i Jesoa ho fihomehezana sady nitaroka Ananjy ireo lehilahy izay niambina Ananjy. 64 Dia notampenanjareo ny masony sady nagnontaniany Izy hoe: Vinagnio! Iza ma no namely Anao teo? 65 Ary niteny raha betsaka nagnaratsiany Ananjy koa zareo.
Ny nitsaran’ny Sinedriona an’i Jesoa
66 Raha vao keka ny andro, dia nivory ny loholona mbaraky ny sefon’ny mpisorona ary ny mpampiana-dalàna, ka nitondra an’i Jesoa ho aigny amin’ny Sinedriona. 67 Dia hozy zareo tamin’i Jesoa: Taravo aminay, Ianao ma no Kristy? Fa hozy: Tsy hino Anahy avy ianareo na dia hotaraviko aminareo aza. 68 Ary tsy hamaly Anahy avy ianareo na dia hagnontaniako aza. 69 Fa manomboka izao dia hentotra ankavagnan’ny herin’Andriamagnitra ny Zanak’Ôlona. 70 Dia hozy zareo dahôlo: Zanak’Andriamagnitra ma izany Ianao? Ary hozy Jesoa: Voalazanareo! Izany tokoatrany! 71 Dia hozy zareo: Ino indray ma no mbôla ilantsika vavolombelona? Ny vatategnantsika mihitsy no efa naharegny Ananjy.