Ny tetidratsy hamonoana an’i Jesoa
14
Roay andro mialôhan’ny Paka sy ilay fety fihinanana ny mofo tsisy leviora, dia nikaraka hevitra hagnamborana am-pitaka an’i Jesoa ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampianadalàna mbô hahafahany mamono Ananjy. 2 Kanefa hozy zareo: Tsy amin’ny andro fety no hagnanaovana izany, sao dia misalahoaka ny ôlona.Ny nagnosorana diloilo magnitra an’i Jesoa ta-Betania
3 Nipetraka tan-dragnon’i Simona boka i Jesoa tamin’izy ta-Betania. Mbôla tam-pihinanana Izy, no tonga ny vehivavy iraika nitondra tavoahangy alabastaraa feno menaka magnitra, nisy narda madio sy tegna lafo be. Nopiahiny ny lôhan’ilay tavoahangy dia nararagny tamin’ny an-tampondôhan’i Jesoa ny diloilo magnitra. 4 Sosy ny asagnany tamin’ny ôlona teo, ka nifampiresaka hoe: Ô raoy! Magnino aiky ma io diloilo magnitra io no laniana amin’ny raha tsisy dikany ôhatra an’io? 5 Raha namidy izao igny dia ho nahazoana mihoatra ny telonjato denaria, manjary namena an’ny ôlona sahiragna! Dia namenjareo tsigny ilay vehivavy. 6 Fa hozy Jesoa taminjareo: Avelainareo izy. Magnino ma ianareo magnano raha mampalahelo ananjy? Raha tsara kony anie no nataony Taminahy takeo e! 7 Akeo aminareo akeo foagna ny ôlona sahiragna. Afaka magnano raha tsara aminjareo ianareo na oviana na oviana; fa Izaho tsy mbô ho aketo aminareo foagnany. 8 Efa nagnano izay ho afagny izy; nohosorany diloilo magnitra mialôha Izaho, hagnomagnana ny fandevegnana Anahy. 9 Taraviko marina aminareo: Ho tantaraina foagna ny raha nataon’ity vehivavy ity, mbô ho fahatsiarovana ananjy, na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny Tarea Maharavo.
Ny nagneken’i Jodasy hamadika an’i Jesoa
10 Nandeha nankaigny amin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna i Jodasy Iskariota, iraika tamin’ireo roa ambin’ny folo lahy, mbô hanolotra an’i Jesoa taminjareo. 11 Faly be zareo naharegny an’izany, ary nampagnantegna fa hagname vola ananjy. Nanomboka takeo Jodasy dia nitady irika hamadihana an’i Jesoa.
Niara-nihinana ny Paka Jesoa sy ny mpianany
12 Tamin’ny andro voalôhany fankalazana ny fihinanana ny mofo tsisy lalovaigna, sady andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny Paka, dia nagnadina an’i Jesoa ny mpianatra hoe: Akaiza ma no tianao hikarakaranay ny sakafon’ny Paka ho Anao? 13 Dia nagniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nitarea taminjareo hoe: Miakara an-tanàna ianareo fa hifankadamo amina lehilahy mitatao siny feno rano, dia araho izy. 14 Ary taravo amin’ny tômpon’ny tragno hidirany hoe: Nampagnadina ny Mpampianatra hoe: Aiza ma ny efitra hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro? 15 Dia atorony anareo ilay efitra geda ambonin-drihana efa misy izay raha ilaina sady voaomagna. Akao ianareo no hikarakara ny raha hohanintsika.
16 Dia niakatra tan-tanàna ny mpianany, ary hitanjareo ny raha dahôlo notaravin’i Jesoa ka nagnomagna ny Paka takao zareo.
17 Rehefa hariva ny andro dia tonga Jesoa sy ny mpianany roa ambin’ny folo lahy. 18 Tam-pihinanana takeo dia hozy Jesoa: Taraviko aminareo tsarabe fa hamadika Anahy ny iraika aminareo izay miaraka homana Aminahy aketo. 19 Dia nalahelo zareo ka nanomboka nifandimby nagnadina Ananjy: Ô Ramose! Sao dia mbô izaho ma izany? 20 Dia hozy Jesoa: Ny iraika aminareo roa ambin’ny folo lahy miara-manatsoboka ny tagnany Aminahy agnaty vilia no izy. 21 Fa ny Zanak’Ôlona dia tsy maintsy ho faty araka ny voasoratra mikasika Ananjy, fa ho azon-draha izay ôlona hanolotra Ananjy! Tsara an’izany ôlona izany avy no tsy ary.
Ny nanorenana ny Fanasan’ny Tômpo
Mat 26.26-29; Lio 22.15-20; 1 Kor 11.23-26
22 Raha mbôla tam-pihinanana zareo dia nandray ny mofo Jesoa; rehefa avy nagnano vavaka fisaorana Izy, dia nopilahany ny mofo ary nozarainy taminjareo ka Hozy: Raiso, ity ny tegnako! 23 Dia nandray ny kalisy koa Izy ary rehefa avy nisaotra dia natolony ny mpianany izany ka samby nisotro tamin’izany zareo dahôlo. 24 Dia Hozy koa taminjareo: Ity no rako, izay fagnekena vaovao alatsaka mbô hamonjena ôlona betsaka be. 25 Taraviko marina aminareo tsara: Tsy mbô hisotro divay intsony Izaho mandra-pahatongan’ny andro hisotroako divay vao, aigny amin’ny fanjakan’Andriamagnitra.
Ny nitaravan’i Jesoa fa hilaza tsy hahay Ananjy Petera
26 Rehefa avy nihira fiderana zareo dia nankaigny an-tampon-tanety Oliva.
27 Ary Hozy Jesoa taminjareo: Ajanonareo sambirerika aketo Izaho fa voasoratra hoe:
“Hovonoina ny mpiambina,
dia hipareka ny ondry” (Zak 13.7).
28 Fa rehefa mitsangana amin’ny maty Izaho, dia hialôha anareo aigny a-Galilia.
29 Fa hozy Petera Taminanjy: Na dia hiala Aminao dahôlo aza ny ôlona, izaho indray tsy mbô hiala Aminao izany! 30 Dia hozy Jesoa tamin’i Petera: Taraviko marina aminao tsara be fa nigniany alina foagnany, tsy mbôla magneno fanindroany avy ny akoho dia efa handà Anahy in-telo ianao. 31 Vao mainka natombotomboka ny tenin’i Petera hoe: Na dia hiaraka maty Aminao aza izaho dia tsy handà Anao izany mihitsy. Dia samby nitarea sahala an’izany dahôlo ny mpianatra.
Ny vavaka nataon’i Jesoa ta-Getsemane
32 Avy takeo dia nankaigny amin’ny saha antsovina hoe Getsemane zareo, ary hozy Jesoa tamin’ny mpianany: Mentòra aketo malôha ianareo fa mbôla handeha hivavaka Izaho. 33 Dia nindesiny nagnaraka Ananjy ery Petera izin’ny Jakoba sy Jaona. Dia nanomboka nangorohoro sy nitebiteby Jesoa. 34 Dia Hozy taminjareo: Fadiranovana loatra ny fagnahiko, sahala ny efa ho foaty; mentòra aketo ka miareta tory. 35 Rehefa lasana lavidavitra anjareo Jesoa, dia nenkohoka tamin’ny tany Izy ka nivavaka mbô ialan’izany fotoana hijaleny izany Aminanjy raha manjary. 36 Dia Hozy: Ô Dadaiko! Hainao atao ny raha dahôlo. Mbô alao Aminahy koa ma ity kapoaka ity; kanefa tsy ny sitrapoko edy no hatao fa ny Anao. 37 Rehefa niverigna Izy dia hitany natory ny mpianany, ka Hozy tamin’i Petera: Ô Simona! Tafandry ma ianao? Dia tsy mbô nahadigny niaritory na dia adin’ny iray foagnany? 38 Miareta tory, dia mivavaha, mbô tsy ho azon’ny fakam-pagnahy ianareo. Ny fagnahy mety ihany fa ny aigna no malemy. 39 Dia lasana indray Izy ka nivavaka sahala an’ilay nataony takeo. 40 Dia niverigna indray Izy avy takeo, dia nahita anjareo telo lahy mbôla natory foagnany satria efa nilondolondo ny masonjareo, ka tsy hitanjareo intsony izay hamaliana Ananjy. 41 Rehefa niverigna fagnintelony Izy, dia nitarea taminjareo hoe: Hay ma ianareo mbôla matory sy miala reraka foagna! Ampy izay, efa tonga ny fotoana hanolorana ny Zanak’Ôlona am-pelatagnan’ny mpanota. 42 Mitsangàna! Andao amin’izay fa efa akaiky akao ilay ôlona mamadika Anahy.
Ny nagnamborana an’i Jesoa
43 Mbôla tsy tapitra avy ny raha notaraviny takeo dia efa tonga ery Jodasy, agnisan’ny roa ambin’ny folo lahy niaraka tamin’ny vahoaka nitondra antsibe sy kibay, nirahin’ireo lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampianadalàna miaraka amin’ny loholona. 44 Ary ilay hamadika an’i Jesoa efa nagnatoro anjareo mialôha ny raha hahafantarana Ananjy ka niteny hoe: Izay hataoko bàkely no Izy, sambory Izy dia ndeso ary ambeso tsara. 45 Raha vao tonga izy dia nagnatona an’i Jesoa sady nagnano bàkely Ananjy ka niteny hoe: Ô Ramose! 46 Dia nosamborin’ny ôlona Jesoa sady nifangohany. 47 Nisy iraika takaikiny takeo namoaka antsibe dia nikapa ka nahafaka ny sofin’ny gaognan’ny mpisorognabe.
48 Dia Hozy Jesoa: Sahala amin’ny dahalo ma izany fahitanareo anahy io no hitondrasanareo antsibe sy kibay mihitsy hisamborana anahy? 49 Taminareo takeo foagna Izaho isan’andro, nampianatra tan-kianjan’ny tempoly, nefa tsy nosamborinareo avy. Matoa izany misy dia mbô hahatanteraka ny Soratra Masina. 50 Dia lasana nilefa dahôlo ny mpianany fa Jesoa irerika navelanjareo takeo.
51 Nisy gaogna iraikalahy izay, tsy nagnano afa-tsy lamba hariry madinika, nagnaraka Ananjy. Nosamborin’ôlona takeo izy. 52 Dia nafotraikany takeo ny lambany, ka nibilaka izy nandeha nilefa.
Ny nitsaran’ny Sinedriona an’i Jesoa
53 Dia nindesin’ireo ôlona nagnambotra Ananjy taigny amin’ny Mpisorognabe Jesoa ka nitangorogna takeo dahôlo ny lôhandôhan’ny mpisorogna mbaraky ny mpampianadalàna ary ny loholona. 54 Petera amin’io efa nagnara-dondona Ananjy foagna letry tankotanin’ny Mpisorognabe. Dia niantotra takeo izy ka namindro niaraka tamin’ny mpiambina.
55 Dia nikaraka raha hagnendrikendrehana an’i Jesoa mbô hamonoany Ananjy ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny Sinedriona dahôlo fa tsy nahita. 56 Fa betsaka no nagnendrikendrika Ananjy, kanefa tsy nifagnaraka ny raha nolazainjareo. 57 Dia nitsangana koa ny asagnany nagnendrikendrika Ananjy hoe: 58 Regninay mihitsy Izy io nagnano hoe: Izaho no handrava an’ity tempoly namboarin’ôlona ity ary afaka telo andro dia hanangana hafa izay tsy namboarin’ôlona indray. 59 Nefa tsy nifagnaraka avy ny raha notaravinjareo na dia tamin’izany aza. 60 Nitsangana tagnivonjareo takeo ny Mpisorognabe, dia nagnadina an’i Jesoa hoe: Ary Ianao ma karaha tsy mamaly? Ino ma ny antony nitorianjareo Anao? 61 Fa tsy niteny Jesoa sady tsy namaly. Dia nagnadina Ananjy indraika indray ny Mpisorognabe: Ianao ma izany no Kristy, Zanaky ny Isaorana? 62 Hozy Jesoa: Izaho no Izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’Ôlona miantotra akeo ankavagnan’ny Hery sady avy aigny amin’ny rôndron’ny lagnitra. 63 Dia norovitin’ny Mpisorognabe ny akanjony ka hozy: Ino koa ma no mbôla ilantsika vavolombelona? 64 Efa regninareo ny asaha nataony an’Andriamagnitra, dia manakôry ma izany ny hevitrareo? Dia hozy zareo dahôlo: Manjary ananjy edy ny hohelohina ho foaty.
65 Ary ny asagnany nandrora Ananjy, sady nanampina ny masony dia namely tefatsofigna, dia hozy: Vinagnio. Dia namely tefatsofigna Ananjy koa ny mpiambina takao.
Ny nandavan’i Petera an’i Jesoa
66 Raha mbôla tampidigna, tankotany takeo Petera, dia avy ilay vehivavy iraika gaognan’ny Mpisorognabe. 67 Vao nahatazagna an’i Petera namindro takeo izy dia nizaha ananjy tsara dia hozy: Ianao koa niaraka tamin’i Jesoa avy aigny Nazareta? 68 Nandà izy ka hozy: Tsy haiko sady tsy azoko onogna kony izany raha taravinao izany e! Dia nandeha nivoaka tavelany ho aigny amin’ny vavahady izy ary nisy akoho nagneno tamin’izay.
69 Dia hitan’ilay vehivavy indray izy tafaran’igny, ary hozy tamin’ilay ôlona takaikiny takeo: Namanjareo koa io lehilahy io. 70 Dia mbôla nandà foagna Petera. Avy takeo, ireo ôlona takaikiny dia nivolagna taminanjy koa hoe: Tegna namany mihitsy ianao satria avy aigny Galilia. 71 Dia nagnozon-tegna izy sady nagnano hoe: Mbô fahotana mahafaty avy raha mbô haiko izany lehilahy taravinareo izany. 72 Takeo no ho akeo dia nisy akoho nagneno fagnindroany indray. Tamin’izay dia azon’i Petera onogna ny raha notaravin’i Jesoa taminanjy hoe: Mbôla tsy hagneno fanindroany avy ny akoho dia efa handà Anahy in-telo anao. Dia nigalalioka nitomagny izy.