Ny nanasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany
13
Rehefa akaiky ny fetin’ny Paka dia hain’i Jesoa fa avy ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho aigny amin’i Daday.
Tiany foagna ny Ananjy izay amin’izao tontolo izao ary tiany hatramin’ny farany zareo ireo.
2 Rehefa hariva ny andro dia nentotra nihinan-kanina i Jesoa sy ny mpianany.
Tamin’io fotoana io dia efa namen’ny devoly lôha ratsy i Jodasy Iskariota,
zanak’i Simona,
mbô hamadika Ananjy.
3 Hain’i Jesoa fa efa namen’i Daday Ananjy ny fahefana dahôlo;
hainy koa fa Andriamagnitra no niaviany,
ary mbôla hiverigna aigny Aminanjy Izy.
4 Dia nitsangana niala tam-pihinanana takeo i Jesoa,
nalany ny ambonin’akanjony ary nalainy ny lamba famafàna ka nisikinany.
5 Avy takeo dia magnidigna rano tagnaty koveta Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianany sy namafa an’izany tamin’ilay lamba famafàna nisikinany.
6 Rehefa tonga tamin’i Simona Petera Izy;
dia hozy Petera taminanjy:
Ô Ramose,
Anao indray ma no hanasa ny tongotro?
7 Fa hozy Jesoa:
Tsy ho azonao izao raha ataoko izao amin’izao,
fa ho azonao amin’ny avy afara.
8 Dia hozy Petera Taminanjy:
Sagnatria raha Ianao indray no hanasa ny tongotro.
Dia hozy Jesoa:
Raha tsy magneky sasako tongotra ianao dia tsy mahazo anjara Aminahy.
9 Dia hozy Simona Petera:
Ô Ramose,
tsy ny tongotro foagna ary no sasana fa sasao koa ny tagnako sy lôhako.
10 Dia hozy Jesoa:
Izay efa avy nandro dia efa madio ka tsy mila sasana intsony afa tsy ny tongony.
Ianareo ireo dia efa madio,
kanefa tsy ianareo dahôlo.
11 Efa fantany ilay hamadika Ananjy ka izany no nitaravany hoe:
Tsy ianareo dahôlo avy no madio.
12 Rehefa avy nanasa ny tongotry ny mpianatra i Jesoa,
dia nasarogny indray ilay ambonin’akanjony,
ary niverigna nentotra izy ka nitarea taminjareo hoe:
Azonareo ma ny raha nataoko taminareo takeo?
13 Magnantso Anahy hoe Ramose sy Tômpo ianareo;
marina ny raha taravinareo satria izany tokoatrany Izaho.
14 Izaho Tômpo sy mpampianatra anareo aza nanasa ny tongotrareo,
dia tokony hifanasa tongotra koa izany ianareo.
15 Nagname ohatra ho anareo Izaho mbô hagnanaovanareo sahala amin’izay raha nataoko taminareo.
16 Taraviko aminareo marina tsara be fa tsy geda mandombolombon’ny patirôny ny gaognan’ôlona,
na ny ôlona irahina noho izay magniraka ananjy.
17 Fantatrareo izany izao ka ho sambatra ianareo raha magnano an’izany.
18 Tsy ianareo dahôlo no taraviko amin’izany.
Haiko tsara izay ôlona nosafidiako;
kanefa tsy maintsy tanteraka ny Soratra Masina hoe:
“Ilay nizaràko ny mofoko no nivadika Taminahya” (Sal 41.9).
19 Mitarea an’izany raha izany aminareo Izaho izao,
alohan’ny hahatongavany,
mbô hinoanareo amin’izay fotoana izay fa izaho no Izy.
20 Taraviko aminareo marina tsara be fa izay mampandroso ny ôlona irahiko dia mampandroso Anahy;
ary izay mampandroso Anahy dia mampandroso an’Ilay nagniraka Anahy.
Notaravin’i Jesoa fa hivadika Aminanjy Jodasy
21 Rehefa avy nitarea an’izany Jesoa,
dia nalahelo mafy,
ka hozy:
Taraviko aminareo marina tsara be fa hamadika Anahy ny iraika aminareo.
22 Dia nifampijerijery ny mpianatra sady samby nieritreritra hoe mbô iza aiky ma izany ôlona iraika taraviny izany.
23 Ary ilay mpianatra tian’i Jesoa nipetraka nihinana tankaikiny.
24 Dia nikatsika ananjy i Simona Petera ka nitarea taminanjy hoe:
Agnontanio Izy hoe:
Iza ma izany ôlona izany?
25 Dia niankina kely tamin’i Jesoa ilay mpianatra ka nagnontany Ananjy hoe:
Ô Tômpoko!
Iza ma izany?
26 Dia hozy Jesoa:
Izay hameko ny tapaka mofo hatsoboko agnaty ranondrò no izy.
Ary natsobony takao agnatin’ny ranondrò ny tapaka mofo ka nameny an’i Jodasy zanak’i Simona Iskariota.
27 Raha vao nandray an’ilay mofo i Jodasy dia niditra takao aminanjy Satana;
dia hozy Jesoa taminanjy:
Ataovo malaky izay raha hataonao.
28 Fa tsisy na dia iraika taminjareo niaraka nihinana takeo aza no nahazo ny antony nitaravan’i Jesoa an’izany tamin’i Jodasy.
29 Jodasy mbôka no mpitondra ny kitapom-bolanjareo ka nieritreritra ny mpianatra sanagny fa nasain’i Jesoa nividy izay raha ilaina hagnanaovana ny fety,
na hagname raha ho an’ny mahantra izy.
30 Vao voarain’i Jodasy ny tapaka mofo dia tonga dia lasana nivoaka izy.
Ary efa alina ny andro tamin’izay.
Ny didy vaovao
31 Rehefa lasana Jodasy,
dia hozy Jesoa:
Amin’izao dia efa aboagna ny voninahitry ny Zanak’Ôlona;
ary aboagna Aminanjy akao ny voninahitr’Andriamagnitra.
32 Raha nagname voninahitra ny Tegnany Andriamagnitra dia hagname voninahitra ny Zanak’Ôlona akao Aminanjy koa Izy.
Ary vetiketika dia hataony izany.
33 Ô zanako!
Kely sisa ny fotoana hipetrahako aketo aminareo.
Hikaraka Anahy ianareo,
kanefa araka ny raha notaraviko tamin’ny Jiosy hoe:
Izay tany hombako dia tsy azonareo hombana,
dia izany koa no notaraviko aminareo izao.
34 Ameko didy vaovao ianareo:
Mifankatiava!
Tegna mifankatiava sahala amin’ny nitiavako anareo.
35 Raha magnano an’izany ianareo dia ho fantatry ny ôlona dahôlo fa tegna mpianatro.
Ny nitaravan’i Jesoa fa handà Ananjy Petera
36 Dia hozy Simona Petera Taminanjy:
Ô Ramose,
ho aiza ma Anao?
Dia hozy Jesoa:
Tsy afaka magnaraka Anahy amin’izay tany hombako ianao amin’izao;
kanefa mbôla hagnaraka Anahy foagnany ianao aigny afara aigny.
37 Dia hozy indray Petera:
Ô Ramose!
Fa magnino ma izaho tsy mahazo magnaraka Anao amin’izao?
Vognona ny ho foaty noho ny Aminao izaho.
38 Fa hozy Jesoa:
Vognona ny ho foaty noho ny Aminahy ma Ianao?
Taraviko aminao tsara be:
Fa mbôla tsisy akoho magneno avy dia efa intelo ianao no handà hoe tsy mahafantatra Anahy.